Trinite & Tobago: Miresaka Ny Zava-drehetra Momba Ny Fitiavana Ny Mpitoraka Bilaogy Karen Walrond

Mameno ny rivotra iainana ny fitiavana; androany no andron'ny mpifankatia ary dia mitarika fivarotana karatra fifampirariana, sokola sy voninkazo mba hiakaran'ny fitiavana amin'izany andro izany ireo mpifankatia tsy mifanary eny rehetra eny, raha manantena kosa ireo hafa miandry fitiavana fa hanandrify ny dian'izy ireo ny lefon’ i Cupidon. Nefa ny fitiavana dia mbola maro lafy mihoatra noho ny fitiavana nofinofin'i Eros; inona no fanomezana tsara indrindra amin'ny Andron'ny Mpifankatia ankoatry ny firesahana momba ny fitiavana miaraka amina Karaibiana mpitoraka bilaogy iray izay mipetraka indrindra amin'ny fanomezana fitiavana sy hery miabo anatin'ny tontolon'ny bilaogy no asany?

Karen Walrond, fantatra kokoa amin'ny solon'anarana chookooloonks, dia teratany avy any Trinidad miaina ivelan'ny tanindrazany, mpitoraka bilaogy avy amin'ny alàlan'ny saripika izay hanehoany ny hatsaràna, ny fankafizana-  ary eny, ireo fanamby- amin'ny fiainana mba hahafantarana ny sarobidy amin'ny fiainana andavanandro. Ary niverina mba hanome valin-kasasarana marobe azy ny fitiavana nafafiny. Ito ny zavatra notenenin'i Karen momba ny fitiavana, tahotra…sy ny fitorahana bilaogy!

Karen Walrond, izay mitoraka bilaogy ao amin'ny chookooloonks

Global Voices: Nifaly foana ny bilaoginao mikasika izany, na tamin'ny fotoana mbola nisalasalanao hitazona na tsia ny asa maha-mpisolovava aza. Ahoana no nivoaran'ny feonao tao amin'ny aterineto ary…inona no idiran'ny fitiavana ao anatin'izany?

Karen Walrond: Ny marina dia nanomboka nitoraka bilaogy aho tamin'ny 2004, ary tamin'izany fotoana izany, ny “feo” nentin-drazana ho an'ireo bilaogy manokana (voafaritra manokana ho bilaogin'ny ankohonana) dia somary mampihomehy sy maneso. Noho io, nahatsapa ho voatery nanoratra amina fomba mampihomehy sy maneso aho — ary raha nanana izany fomba izany aho, hitako fa nandreraka sy nampahantra ny fanoratana amin'izany fomba mampihomehy sy maneso izany. Rehefa nandeha teny ny fotoana, tonga saina aho fa (a) tsy tiako ho hita amin'izany fomba izany aho, (b) tsy nibanjina ny fiainako tamin'izany fomba izany aho, ary (c) tsy nila tahiry “maharitra” an'ity fombako ity tao amin'ny aterineto aho. Nandini-tena kely aho, ary tonga saina fa aleoko manaraka ireo anatry ny raiamandreniko sy ireo raibe sy renibeko Trini izay nilaza fa ny fitiavana no tokony hitarika ny fihetsitsika. Ary noho izany, novaiko ny fomba fanoratro tao amin'ny vohikala. Ary ny fomba fanoratro ankehitriny dia voajanahary kokoa ho ahy.

GV: Ny fitiavana dia fotokevitra miverimberina foana ho anao – ohatra, ny asongadin'ny Fitiavana Alakamisy. Maninona izany no manan-danja ho anao, inona ireo fivoarana sy zava-tsoa hitanao avy amin'izany ary ahoana ny fomba hamenoan'ny sarinao izany?

KW: Ny fitiavana dia tena ny zava-drehetra, ary ho ahy, izy no loharano ahitana ny hatsarana manodidina ahy. Amin'ny maha-mpaka sary ahy, fototra izany. Ary maro ireo zava-tsoa notsoahana avy ao anatin'izany — ny ohatra mivaingana amin'izany dia ny diako farany teo tany Kenià niaraka tamin'ny ONE.org. Ny asa nampiandreketina ahy tamin'izany dia ny fakàna sary ny hatsarana manodidina ahy, ary nahafaly ahy, mora ny niraiki-pitia tamin'i Kenià (sy ny ONE.org).

GV: Asa mirakitra fitiavana ny bokinao ary tena voaray tsara mihitsy. Lazao ahy ny mahakasika ireo hetsika farany.

KW: Tena izany mihitsy! Iray amin'ireo zavatra nahafaly ahy vokatr'io boky io ny fivezivezeko vaovao ao amin'ny aterineto, Path Finder — fomba iray hahafantarana ireo zavatra mahagaga ho tiavina momba ny tenanao, sy ny fomba mahatonga azy ireo ho toy ny fahefanao manokana. Faharoa manaraka izay, nanomboka nanao marim-pankasitrahana amin'ny fidirana ho mpanaraka ahy aho tamin'ity taona ity, gratitude.2012 — izay fomba hanarahana ara-potoana ireo zavatra ankasitrahanao eo amin'ny fiainanao avy amin'ny alàlan'ny saripika, sady manampy ireo mpandraharaha any amin'ireo firenena an-dalam-pandrosoana. Noho izany dia tena mibitaka tokoa aho momba izany rehetra izany — miparitaka ny fitiavana!

GV: Mampitonitony ny fomba fijerinao ny fitiavana. Tsy ny fitiavana romantika ihany no atrehanao, izay, ndeha hojerena imaso, fa io no fototra fakam-bola voalohany indrindra amin'izao andro izao, fa ihany koa amin'ny fitiavana ara-pianakaviana sy madio. Lazalazao ahy ny fomba fijerinao ny fitiavana.

KW: Nihevitra hatrany aho fa mampalahelo hoe mahazo 24 ora iray manontolo ny fitiavana mampanonofy, nefa tsy nisy na dia andro iray aza natokana ho an'ireo karazam-pitiavana hafa misy erak'izao tontolo izao — araka ny voalazanao, ny fitiavana ara-pianakaviana sy madio, nefa ihany koa ireo fahatsorana izay miseho matetika eo amin'ireo olona tsy mifankahalala. Mihevitra aho fa izany no karazana fitiavana hanova izao tontolo izao. Noho izany raha mandray ny fitiavana romantika aho (izay hankalazaiko sy ny vadiko), miezaka hieritreritra ireo karazam-pitiavana hafa rehetra aho ao amin'ny vohikalako ny 14 Febroary. Satria mihevitra aho fa tena manan-danja tokoa izany.

GV: Mihevitra aho fa zavatra roa no mampihetsika ny olona: fitiavana na tahotra. Marina ve? Ary raha izany, ahoana ny fomba ataonao maha-be herimpo anao ao amin'ny aterineto? Mamoaka ny zava-drehetra ao ianao, avy amin'ireo eritreritra lalina indrindra ka hatramin'ireo sarina fianakaviana – ary tsy toeram-pitiavana foana akory ny Aterineto.

KW: O, tsy fantatro ny momba izany — irariako mba ho ny fitiavana no manetsika ny vahoaka, nefa mihevitra aho fa ny tahotra no manjaka! Mihevitra aho fa mila ezaka fahatsapan-tena ny fihetsehana atosiky ny fitiavana: indray andro nisy namako niteny tamiko fa tsy fihetseham-po ny fitiavana, fa fanapahan-kevitra, ary mihevitra aho fa marina ny azy.

Ary koa, raha faly aho fa mihevitra ahy ho be herim-po ianao, tsy mbola mamoaka ny zava-drehetra ao aho. Ohatra, na dia misedra olana aza aho eo amin'ny fiainana, tena miezaka ny hifantoka amin'izay zavatra miseho mety hahatsara ny fiainako aho ary hanao izany ho fiainana andavanandro (ary minoa ahy, fanapahan-kevitra efa nosainina izany), na dia toa hihoaran'ny zava-tsarotra aza ny zavatra tsara. Tsy miezaka ny hampiseho ny fiainako ho lafatra aho (ary izaho, araka izany, tena misokatra be ao amin'ny vohikalako fa ny fiainana dia zava-poana nefa), nefa miezaka mafy aho ny hampihena ny fitarainana ataoko ao amin'ny aterineto.

Ary mihevitra aho fa noho ny fisokafako be amin'ity ity, mahalala ny alahelo sy ny fijaliana aho, nefa manao ezaka mafy aho mba hanehoako fankasitrahana avy amin'ny alàlan'ireo teniko sy ireo sariko, mamaly tsara ny olona. Manam-bitana aho, nefa vitsy ny fotoana isian'ireo olona tsy faly amiko na olona ao amin'ny vohikalako. Nefa, soa ihany, mahafantatra ny olona izay mitsidika ny vohikalako fa tsy mandefitra ny tsy fahatsoram-po aho. Faritra malala-pisaina io faritra io.

GV: Misy akony eo amin'ny fomba fanehoanao ny fitiavanao ao amin'ny aterineto ve ny fanananao razambe Trinidadiana, ny fibeazana Amerikana sy ny vady Anglisy? (Manontany anatin'ny fotokevitr'ilay lahatsoratra momba ny làlana fidirana aho.)

KW: O, tsy fantatro — mihevitra aho fa fomba fiteny iraisam-pirenena ny fitiavana, sa tsy izany? 🙂

GV: Inona ireo zavatra telo tianao indrindra amin'ny maha-mpitoraka bilaogy anao?

KW: Sarotra ny mampifangaro izany anatinà zavatra telo fotsiny! Aoka hoe jerena: Mazava ho azy fa tia mampiasa ny fifandraisana amin'ny fanahy ho fomba iray hanehoana ny tena aho. Saika manao izany isanandro aho efa 8 taona izao, ary tsy vitako ny mieritreritra ny fiainako tsy misy izany intsony — lasa fomba iray mahafinaritra izany mba hanarahako ny vanim-potoana nisian'ireo zavatra tsara eo amin'ny fiainana. Faharoa, tiako ny mihevitra fa ny sasany amin'ireo namako akaiky indrindra eo amin'ny fiainana dia olona nihaonako satria nitsidika ny  bilaogiko izy ireo, na izaho no nitsidika ny azy. Raha tsy nitoraka bilaogy aho, tsy nahita ny ankamaroan'ireo olona ilaiko eo amin'ny fiainako mihitsy. Ary farany, tiako ny zava-tsoa rehetra nomen'ny fitorahana bilaogy ho ahy — mila avy any amin'ny bokiko ka hatrany amin'ny diako tany Kenya, tsy nisy ireny raha tsy teo ny bilaogiko.

GV: Misy hafatra mahakasika ny Andron'ny Mpifankatia?

KW: Mazava ho azy: Mirary ho an'ny tsirairay, andro iray — sy fiainana iray — feno fitiavana aho.

Avy amin'i Maile Wilson ireo sarin'i Kaaren sy ny ankohonany, nampiasaina teo ambany fanomezan-dàlany. Avy amin'i Karen Walrond ireo sarina “tulip” sy kididim-borona, ary nampiasaina teo ambany fanomezan-dàlany ihany koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.