Yemen: Taona Iray Rakotry Ny Revolisiona Tsy Manam-piafaràna

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Yemen 2011.

Maro no niandry rà latsaka fony vao niandoha voalohany ny rivo-panovàna tany Yemen, satria izy dia fantatra rahateo ho ny firenena faharoa isan'ny manana fitaovam-piadiana be indrindra eto ambonin'ny tany, na izany aza dia nahagaga fa izy no tsy nahery setra indrindra tamin'ity lazaina ho Lohataona Arabo ity. Na teo aza ny herisetra avy amin'ny mpitondra, nahavita nifehy tena tsy nampiasa ny fitaovam-piadiany ireo mpanohitra ary nizotra am-pilaminana nangataka ny zony. Tamin'ny tratra miboridana no niatrehan-dry zareo ny herisetra tafahoatra nataon'ny mpitandro filaminana.

Taona iray izao no lasa hatramin'ny nanombohan'ny revolisiona,  kanefa mbola tsy mitovy hevitra amin'ny andro nanombohany ry zareo Yemenita, tahaka ny voalaza an-dahatsoratra ao amin'ny bilaogin'ny mpanoratra :

Ny revolisionan'i Yemen no tsy iadian-kevitra fa lava indrindra raha samy Lohataona Arabo, kanefa koa dia tsy mitovy hevitra mihitsy ry zareo Yemenita mikasika ny andro nanombohan'izany. Ny sasany milaza fa ny 3 Febroary izany no nanomboka, fony nisy andianà mafàna fo nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny Anjerimanontolon'i Sanaa, ny sasany indray miteny fa ny 11 Febroary, fony nijoro tao Taiz ireo tranolay nanaovana fitorevahana voalohany, ary ny hafa milaza fa ny 20 Febroary fony lavo ireo maritiora voalohany maty tao Aden sy Taiz. Nefa, mifandray betsaka amin'ny 11 Febroary, nirodanan'ny Mubarak tao Ejipta ny revolisiona ao Yemen.

Ity lahatsary ity, nakarin'ny SupportYemen tao amin'ny YouTube dia mampiseho vondronà mafàna fo maneho ny fanantenan-dry zareo sy manasongadina ny fangatahana amin'ilay revolisiona :

An-jatony no maty ary an'arivony no naratra, nefa ireo tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesan'izy ireny dia mbola notolorana ny zon'ny tsimatimanota noho ny resaka fifanarahana tetezamita, fanelanelanana nataon'ny GCC (Gulf Cooperation Council, na Filankevi-Piaraha-miasa any amin'ny Golfa) ary nahazo fanohanana feno avy amin'i Etazonia sy ny Firenena Mikambana.

Ireo mpanao hetsi-panoherana tao Taiz no nandrehitra ny afo ny hariva nialoha ny fahatsiarovana ny revolisiona, ny 10 Febroary 2012, tao an-kianjan'ny Fahalalahana, nanamarika ny fanombohan'ny fankalazana tamin'ny hira sy afomanga araka ny hita amin'ity lahatsary nakarin'ny taizpress ity:

Nahazendana izao tontolo izao ny revolisiona tao Yemen miaraka amin'ny diabeny goavana sy matanjaka. Iona Craig, mpanao gazety iray “freelance” izay saiky tao Yemen foana nanomboka hatramin'ny nanombohan'ny revolisiona, dia nibitska rohy iray izay ao anatin'izany no nampakarany fantina sary mavesatra izay nalainy nandritra ny taona, isan'izany ny sasany avy amin'ireo diabe.

@ionacraig: Androany no manamarika ny taona iray nanombohan'ny hetsi-panoherana isanandro tao #Yemen. Fantin'ireo sary nalaiko teo anelanelan'ny Feb. 2011 sy Feb. 2012: bit.ly/wk1TTT

Ity lahatsary ity dia nakarin'i KareemoS tamin'ny 21 May, dia mampiseho vahoaka sesehena mifamory hanohitra an'i Saleh sy ny fitondrany, mihiaka ny hoe “ilain'ny vahoaka ny hialàn'ny fitondrana” – fangatahana iray izay tsy mbola tanteraka ihany.

Fankalazana goavana no natao tao Taiz ny 11 Febroary, ho fahatsiarovana ny tsingerintaona voalohan'ny revolisiona tao Yemen. taizpress dia nampakatra ity lahatsary manaraka ity ao amin'ny YouTube maneho ny ampahany amin'ireo fankalazana :

 Baraa Shiban, Yemenita mafàna fo, no mamintina ireo tranga tao Yemen nandritra n y taona lasa ao anatin'ny lahatsorany tao amin'ny Comments MiddleEast. Mamintina izy amin'ny hoe :

Ireo andro farany tamin'ny volana Desambra no vavolombelon'ny revolisiona anjorony izay nahangoly seha-pitantanana maro tao amin'ny governemanta ary nitondra nankamin'ny fametraham-pialàn'ny sasany tamin'ireo mpitondra ambony. Ilaina ny manamarika fa ny fitokonan'ny mpiasa dia mbola mitohy hatrany raha mbola mitrandraka ireo revolisiona madinika ao aminy manokana kosa ny firenena, miezaka manilika izay sisa navelan'ny fitondrana Saleh, ary lohalaharana ireo sisam-patin'ny jadona tao Yemen.

Thousands of Yemenis have been protesting for a year

Yemenita an'arivony nanao hetsi-panoherana nandritra ny taona iray. Sary avy amin'i Iona Craig tao amin'ny Flickr, nahazoana alàlana.

Mandritra izany, Yemen dia miatrika fanamby marobe. Taona iray nitroarana niteraka famoizana aina maro, namorona olana ara-toekarena sy amin'ny maha-olona noho ny tsy fisian'ny rano, herinaratra ary ireo filana fototra hafa. Eo ampitodihana ireo zavatra vita hatreto, dia governemanta firaisam-pirenena iray no voajoro to amin'ireo antoko mitondra, ny  GPC (General People's Congress) ary ny “mpanohitra” JMP (Joint Meeting Party). i Saleh, sy ny fitondrany, izay notoherin'ny vahoaka nandritra ny volana maro, dia nomen'ny fikambanam-be iraisampirenena ny  zon'ny tsimatimanota.

Saleh dia nisidina ho any Etazonia ary hiverina ho any Yemen mba handrotsaka ny vatony ho an'ny lefiny nandritra ny 18 taona lasa, izay nofidiany ho mpisolo toerana azy ary neken'ny GCC ho toy ny kandidan'ny marimaritra iraisana ao anatin'ilay “fifidianana tsy ahitana afa-tsy olon-tokana” hatao ny 21 Febroary.

Ity (ankavanana) ity ny iray amin'ireo saribe nampiasaina tamin'ny fampielezan-kevitra, hita amin'ny faritra maro ao Sanaa, miteny ho azy, nalefan'ilay vondrona iray isan'ny be mpanaraka indrindra ao amin'ny Facebook “We are all Taiz” (Taiz daholo isika rehetra) [ar], miaraka aminà maribolana mangataka ny mpamaky mba hanao fanamarihana. Taorian'ny 34 nifehezana ani Yemen, hiendaka amin'ny maha-filoha  ihany i  Saleh nony farany, amin'ny androm-pifidianana, 21 Febroary, na izany aza ny zanany lahy, ny zana-drahalahiny ary ireo rahalahiny dia mbola mifehy ny rafitry ny tafika, ary mitoetra toy ny naninona ny fitondrany. Ny tanora mahaleotena izay nihetsika nanohitra nandritra ny efa ho taona iray maninjitra dia niverina ho eny an-kianja, mbola eny an-kianja indray, reraka sy misamantsamaka, na izany aza dia mbola mijoro hatrany amin'ny fanantenana ny hananganana Yemen vaovao, mifototra amin'ny fahafahana, demaokrasia, ny rariny ary ny fitoviana ara-tsosialy.

Supportyemen nampakatra ity lahatsary ity izay mandefa hafatra mahery setra toy izao :

Ny sasany misaina ny zo fototra maha-olona ho toy ny zavatra efa azo maimaim-poana, saingy ho antsika, Yemenita, dia zavatra takiana izy ireny. Manao diabe izahay mba hisian'ny fanabeazana mendrika kokoa, fitsaboana mendrika kokoa, fahalalahana miteny, demaokrasia tena izy, ny rariny ary ny maha-olona !

Araka izay lazain'ny mpanoratra ao anatin'ny lahtsorany :

Indrisy, lasa eo ambany fiahian'ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Yemen, ampian'ireo mpisehatra ao amin'ny faritra sy ny avy amin'ny iraisam-pirenena izay haka ny toeran'ny vahoakany hamaritra ny hoavy.

Rehefa avy nilaza izany, dia manantena mafy ny mpanoratra fa ny herim-bahoaka dia handresy ny an'ireo olona eo amin'ny fitondrana.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Yemen 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.