Vaovao Farany Amin'ny Microgrant Rising Voices 2012

Te-hisaotra ny rehetra ny Rising Voices tamin'ny fahalinan'izy ireo tamin'ilay antso misokatra ho an'ireo tolokevitra mikasika tetikasa fanentanana ho an'ny mediam-bahoaka 2012. Tamin'ity taona ity isika dia nahazo tolokevitra 1175 avy any amin'ireo firenena mihoatra ny 120 miaraka amina hevitra tsara sy mampiditra zava-baovao maro amin'ny fampidirana ireo vondrom-piarahamonina ao anatin'ny mediam-bahoaka eny anivon'ny aterineto. Fisondrotana goavana izany raha mitaha amin'ny taona lasa izay nahazoantsika tolokevitra 755 avy aminà firenena 90.

Mandritra ireo herinandro enina manaraka, hamerina handinika ny tolokevitra tsirairay am-pitandremana izahay miaraka amin'ny komity mpifantina. Holazaina vitsy ireo tafakatra amin'ny dingana famaranana any amin'ny faran'ny volana Febroary any. Hiresaka amin'ireo nandray anjara tsy voafantina ihany koa izahay. Noho ny hadirin'ireo fangatahana, ny filazàna mialoha an'ireo mpandresy dia atao any amin'ny tapaky ny volana Martsa.

Faly izahay amin'ny fahalinana erantany amin'ny fitondrana ny mediam-bahoaka any amin'ireo vondrom-piarahamonina tsy be mpahafantatra erak'izao tontolo izao. Manodidina ny 95% amin'ireo tolokevitra no avy any amin'ireo voalohany mba nangataka , midika izany fa ny ankamaroan'izy ireo dia mbola vaovao amin'ny asan'ny Rising Voices. Manome ny faraherinay izahay mba hahatonga anay ho loharano ho an'ireo fikambanana sy olon-tsotra tahaka anao izay maniry hitondra fandraisana anjara ara-dizitaly ho an'ireo vondrom-piarahamoniny. Mizara ireo vaovao momba ny fifaninanana, ny mety hisian'ny famatsiam-bola, torolalana, sy ireo ohatra amina tetikasa fanentanana. Hanandrana ihany koa izahay hanasongadina ny asan'ireo fikambanana sy ireo olon-tsotra hafa anatin'ireo vondrom-piarahamonina tsy be mpahafantatra eran-tany mba hitondrana ireo tombontsoa azo avy amin'ny mediam-bahoaka ho an'olona maro kokoa.

Manantena izahay fa manohy mifandray aminay ianareo ary hiditra ho isan'ny fianakaviamben'ny Rising Voices. Maro ireo fomba hanaovana izany:

  • Vakio ary mandraisa anjara amin'ny bilaogin'ny Rising Voices mba hahazoanao ireo vaovao mikasika ny fanohanana, fandinihana ireo tetikasa, sy ireo vaovao avy any amin'ny ekipanay amperinasa. (Miangavy anao hametraka tsikera raha misy zavatra hitanao fa mahaliana).
  • Midira ao amin'ny lisitry ny mailaka Rising Voices izay hizaranay rohy sy vaovao momba ireo hetsika mety hahazoana famatsiam-bola avy any ivelany sy ireo loharano ho an'ireo liana amin'ny mediam-bahoaka any amin'ireo firenena an-dalam-pandrosoana.
  • Araho ao amin'ny Twitter izahay (Mba manaova manao ahoana! @risingvoices).
  • Araho ao amin'ny Facebook izahay (Ampahafantaro anay ao amin'ny rindrinay fa hoe nisoratra anarana nangataka famatsiana madinika ianao! Mba te-haheno vaovao avy any aminao izahay).

Mbola mamerina ny fisaorana amin'ny fahalinanao sy mirary soa indrindra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.