Makedonia: Britanika Parlemantera Eoropeana Ni-Tweet Ny Fiantsonanan'Ilay Fiaramanidina Noho ny Hamehana Tao Skopje

Nampisaina teo noho eo tao amin'ny Twitter ny voina an-habakabaka tao an-tseranam-piaramanidina Skopje, taoriana ny fiantsonan'ny fiaramanidina noho ny hamehana.

Ny alin'ny 10 sy 11 Febroary teo, nihodikodina nandritra ny 40 minitra ilay fiaramanidin'ny orinasam-pitaterana an-habakabaka tsheky CSA raha nezahina izay hampandeha nokitihina ilay lelan'ela-boromby tsy nety niasa, afaka niantsona noho ny hamehana ihany anefa ilay voromby avy eo. Vitan'ilay mpampamory ny nanajanona ny voromby hatreny amin'ny farany fitohizan'ny lalam-piatsonana.

Anisan'ireo mpandeha tao anatin'ny voromby ilay Britanika iray mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana (PE) Richard Howitt, sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Makedoniana Nikola Popovski. Ilay Komity misahana ny Raharaham-bahiny ao amin'ny PE,  Andriamatoa Howitt no mpitati-draharaha momba an'i Makedonia – sady olona mpiondana Twitter rahateo koa izy. Ni-tweet avy hatrany izy taorian'ny loza:

Tsy misy olana amin'izao fotoana izao saingy niantsona haingana tao Skopje ny voromby noho ny fahasimban'ny lelan'ela-boromby [volom-borona]. Tsy maintsy naka fepetra. Nieritreritra fa izay ny farany.

Richard Howitt MEP

Richard Howitt MEP ni-tweet avy hatrany taoriana ny fihantsonan'ny voromby.

…ary nanome vaovao amin'ny antsipiriany:

Fiantsonana vonjimaika. Feno ranomandry teny amin'ny lalam-piantsonana. Nilahatra ny fiara mpamono afo. Nilaza ny Steward: “mivavaha, mivavaha, mivavaha.” mahery fo avokoa ny mpiasan'ny seranam-piaramanidina #Czech . OK daholo ny REHETRA amin'izao fotoana izao

Tatitra avy ami'ny MIA (sampam-pilazam-baovaom-panjakana ao Makedonia) nanome vaovao amin'ny antsipiriany:

Raha nidina tamin'ny tany ny voromby, nisy setroka nipoitra tamin'ny kodiarana ka vitan'ilay kapiteny ihany ny nanajanona mahitsy ilay voromby teny amin'ny faran'ny lalam-piantsonana.

Howitt naneho hevitra indray avy eo:

…Tsy fantatro ny fisian'ny setroka tamin'izany. Hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny: Omeo medaly ny mpanamory noho ny nahavitany nanajanona ny fiaramanidina

Vitsy ireo olona ni-tweet indray na namaly ny vaovao nalefan'i Howitt, na izany aza,  naneho ny fanohanany sy ny famonjeny izy ireo. Mallen Baker nanoratra hoe:

Faly izahay rehefa tsy nisy aina nafoy na naratra – Toe-javatra tian'ny mpandeha zotra an-habakabaka idifiana! Soa fa avotra avokoa ny rehetra

Anisan'ny fifanekena tamin'ny orinasa Tiorka TAV ny fanalavana ny lalam-piantsonana, izay nanavao sy nandrindra ny seranam-piaramanidina ao Makedonia tamin'ny alalan'ny fifanekem-panofana maharitra 20 taona.

Mety tsy misy ifandraisany amin'ny toetr'andro ny fahasimban'ny lelan'elatry ny voromby, nefa mety hiantraika amin'ny fifamoivozana an-habakabaka ao amin'ny faritra ihany koa ny firotsahan'ny ranomandry Balkan atsy ho atsy. Andro vitsy lasa izay, tsy afaka niainga ny angidimbin'ny Tafika  Makedoniana izay tokony zavatra ilaina andavanandro ho an'ny tanàna an-tendrombohitra tapaka herinaratra noho ny firotsahan'ny ranomandry tsy an-kijanona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.