Porto Rico: Fiainana Sary Iray Isan'andro

Nanapika sary iray isan'andro ny mpanakanto sy mpamokatra Jose Marti (@Jose_Marti) nandritra ny roa taona farany ao amin'ny tetikasa an-tserasera “Fotos de Hoy” (Sarin'ny Anio).

Manazava izy:

Dentro de los temas que publico en su mayoría son fotos casuales donde la foto me encuentra a mí en vez de yo buscarla y bien pueden ser fotos de la ciudad, de mi casa o donde quiera que me encuentre por que en realidad lo importante es expresar algo sobre el momento, donde estoy, que estoy haciendo, etc. Ese es el elemento que me ha llevado ha constantemente publicar en Fotos de Hoy, el poder visualmente resumir semanas y diversas experiencias en un compilado accesible por internet.

Sary kisendrasendra ny ankamaroan'izy ireo, ka ny sary no mahita ahy fa tsy izaho no mahita ny sary, ary mety ho sarin'ny tanàna izy ireo, ny tranoko na eo amin'izay misy ahy satria ny zava-dehibe dia ny hanehoana zavatra amin'io fotoana io, aiza no misy ahy, inona no ataoko, sns.. Izay no singa mahatonga ahy hamoaka tsy tapaka ao amin'ny “Sarin'ny Anio,” mba ahafahako mamehy an-tsary ny herinandro sy izay efa niainana ka azo an-tserasera.

Nifantina ny sasany amin'ireo sarin'i San Juan taloha, ny tanàna fony fanjanahantany tao an-drenivohitra San Juan, Porto Rico aho (nahazoana alalana avokoa ny sary navoaka etoana). Azonao arahina moa ny fiainany an-tsary ao amin'ny Fotos de Hoy.

Topimaso ny Tanàna.

 

Fiangonana San José.

Varavarankely.

Morondranomasina El Escambrón.

Manda El Morro.

Bar El Batey.

Lalana Luna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.