Arzantina: Namoy ny Ainy Ilay Mpanakanto Luis Alberto Spinetta

Luis Alberto Spinetta, “El Flaco“, iray amin'ireo mpiangaly rock malaza ao Arzantina, namoy ny ainy tamin'ny 8 Febroary 2012, noho ny tsy fahasalamany; tratran'ny homamiadan'ny havokavoka i Spinetta, natao fizahana tamin'ny volana Jolay 2011 izy. Nanjary fanta-bahoaka ny nahazo azy, tany amin'ny faramparan'ny taona iny, nandefa taratasy  mampientam-po tamin'ireo mpankafy azy izy izay toy izao ny fanombohany:

Buenos Aires. Diciembre 23, 2011. Mi nombre es Luis Alberto Spinetta. Tengo 61 años y soy músico. Desde el mes de julio sé que tengo cáncer de pulmón. Estoy muy cuidado por una familia amorosa, por los amigos del alma, y por los mejores médicos que tenemos en el país. Ante el aluvión de información inexacta, quiero aclarar públicamente las condiciones de mi estado de salud. Me encuentro muy bien, en pleno tratamiento hacia una curación definitiva. […]

Buenos Aires. 23 Desambra 2011. Luis Alberto Spinetta ny anarako. 61 taona aho ary mpanao mozika. Nanomboka fanta-daza aho tamin'ny volana Jolay raha tratran'ny homamiadana. Nahazo fitsaboana tsara avy amin'ny fianakaviana mamiko aho, avy amin'ny namako akaiky, sy ny dokotera mendrika indrindra eto amin'ny firenena. Noho ireo vaovao tsy marina navoaka, tiako ny mampahafantatra ny be sy ny maro ny amin'ny fahasalamako. Salama tsara aho, eo am-pitsaboana tena ho amin'ny fahasitranana tanteraka. […]
Luis Alberto Spinetta, by Facundo M. Nívolo. Image licensed by Creative Commons license Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-NC-ND 2.0)

Luis Alberto Spinetta, sary avy amin'i Facundo M. Nívolo. Sary nahazoana alalana, Creative Commons license Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic (CC BY-NC-ND 2.0)

Tamin'ny volana Janoary, nampidirina tao amin'ny toeram-pitsaboana Cemic i Spinetta mba hodidiana ny tsinainy noho ny fisiana kambon-doaka (diverticulite), fizahana tsy misy ifandraisany amin'ny homamiadana mahazo azy. Tamin'ny 30 Janoary, 25 andro taoriana ny nidirany hopitaly, afaka nivoaka ny hopitaly izy ka afaka nody tany an-tranony.

Tamin'ny 8 Febroary, herinandro mahery kely, namoy ny ainy tao an-tranony i “El Flaco” , ary nohodidinin'ireo zanany: Dante, Catarina, Valentino ary Vera,  araka ny filazan'ny gazety Arzantina Telám. Ary ireo zanany ireo ihany no  nanomboka nandefa hafatra feno fanjoretra, alahelo ary fintaintainana, tao amin'ny valantserasera  Twitter. [es]

Dante (@dantespinetta), tweet fohikely tao amin'ny twitter saingy manohina ny fo, hoy izy nilaza:

Te amo por siempre Papá.

Tiako mandrakizay ianao, Dada.
 Valentino (@Leeva_) kosa nandefa toy izao tao amin'ny kaontiny:

T amo papá, siempre vas a estar en mi alma y mi corazón.

Tiako ianao Dada, ao an-tsaiko sy am-poko mandrakariva ianao.

Nanatsonga ny andalan-kiran'ny dadany i Catarina (@Cataspinetta) ni-tweet toy izao:

‘No habrá un destino incierto, ni habrá distancia que pueda alejarme de ti…’ Amor eterno a mi Padre♥

‘Tsy misy ny anjara tsy fantatra, na elanelan-tany manasaraka ahy aminareo…’ Fitiavana mandrakizay ho an'ny raiko ♥

Fihetseham-po tao amin'ny valantserasera

Tenifototra #chauflaco [veloma Flaco] nanjary lohahevitra malaza vetivety,  nanangona ny tweet an'ireo mpisera maniry hizara ny fihetseham-pony manoloana ny vaovao nahafatesan'ilay mpanao mozika, iray amin'ireo naharitra ela indrindra tamin'ny fiangaliana rock tao Arzantina:

Mpisera Paula Castro (@_paucastro) nanasongadina hoe:

La tristeza de decir #chauflaco .. Gracias x tanta poesia!

Malahelo miteny hoe #chauflaco… misaotra tamin'ireo tononkalo betsaka!

Mpanoratra Teknolojia Federico Wiemeyer (@wiemeyer) nampahatsiahy andinin-kiran”i Spinetta:

“Si no canto lo que siento me voy a morir por dentro” #ChauFlaco

“Raha tsy mihira aho dia mahatsapa ny anatiko ho mihamaty” #ChauFlaco

Pablo Ferreyra (@PabloRFerreyra) nitomany:

Murió el mejor músico argentino. El que más voy a extrañar. Barro tal vez, flaco. #ChauFlaco

Namoy ny ainy ny mpiangaly mozika Arzantina mendrika indrindra. Ny Iray halahelovako indrindra . Barro tal vez, flaco [andalan-kiran'i Spinetta midika hoe “Fotaka, angamba, Flaco.”]. #ChauFlaco

Mpisera Bruno Vaccotti (@peztresojos) nanatsonga an'i  Spinetta ka nanazava ny fientanam-pon'ny olona:

“La gente está incluida en el alma. Yo soy toda la gente” #elflaco dixit. Por eso hoy, todos morimos un poco. #chauflaco

“Anisan'ny fanahinao ny olona. Izaho ny olona rehetra.”hoy i #elflaco. Ka androany, misy fahafatesana kely avokoa amintsika rehetra. #chauflaco

Paula Zuviría (@pau_apichela) niitantara tranga fohy:

Mama entra llorando a mi cuarto y me dice: Porque no me contaste que murió Spinetta ? #chauflaco

Nitomany ny mamako tonga tao amin'ny efitranoko ary nilaza hoe: Fa nahoana no tsy nolazainao tamiko fa maty i Spinetta? # chauflaco

Mpisera Cecilia Ann Tosh (@_CeciliaAnn) nanasongadina hoe:

Por qué se puede estar acongojado por la muerte de alguien que no conociste? Porque su obra enriqueció tu ser. #ChauFlaco

Nahoana no malahelo mafy amin'ny fahafatesan'olona tsy fantatrao akory ianao? Satria nampanakarena ny fanahianao ny  nataony. #ChauFlaco

Nihabetsaka ny hafatra avy amin'ny mpisera Twitter ary mety mbola tsy hiato izany rahampitso na amin'ny herinandro, izay rariny tokoa satria noraisin'ny maro ho toy ny mpiangaly mozika lehibe indrindra ao Arzantina izy. Ary raha avy amin'ny tsirairay mihitsy ny filazana tahaka izany, tsy azo lavina fa nisy fiantraikany teo amin'ireo mpanakanto maro ny talentany, ary ny lova navelany kosa dia hiraikitra ao am-pon'ny Arzantina sy ny kolontsain'i Amerika Latina.

“Ary marina foana izany, na mipetraka ianao na mandeha.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.