Malezia: Fikambanana Miaro ny Zon'Olombelona Amin'ny Alalan'ny Lahatsary

freedom film fest KOMAS Malaysia logo

Horonantsary momba ny Fahalalahana Fest notontosain'ny KOMAS

Tafatafa ao amin'ny EngageMedia mampiseho ny KOMAS, fikambanana iray any Malezia izay mampiasa ny famokaran-dahatsary ho fitaovana hanabeazana sy hiarovana ny zon'olombelona hatramin'ny 1993.

Anna Har no talen'ny Ivotoeram-Pifandraisan'ny Vondrona Pusat KOMAS (Pusat Komunikasi Masyarakat), ka nanazava ny anjara toeran'ny lahatsary amin'ny fandaharan'asa mirotsaka an-tsehatra hamokarana fitaovana, hanamorana ny fombafomba, handrindrana ny fiaraha-monina ary hanazarana ny haino aman-jery amin'ny lohahevitra tsy manavakavaka, ny maha-olompirenena sy ny fitaizana hifidy mbamin'ny fiarovana ny (fikambanana) ifotony:

Tsy toeram-pamokarana lahatsary na manan-talenta manokana amin'ny famokarana sarimihetsika ny KOMAS; na izany aza dia hitanay fa anisan'ny tetipanorona izany sady fomba vaovao ampiasaina ny fitaovam-pampitam-baovao hiarovana ny zon'olombelona.

Ny Between Love and Race [Alenalenan'ny Fitiavana sy ny (fifaninanana) Hazakazaka] dia sarmihetsika fohy miompana amin'ny fanavakavahana ara-poko, novokarin'ny KOMAS tamin'ny 2006. Ao anatin'io dia niatahan'ny namana sy ny fianakaviana i Angela sy i Rashid noho ny fanapahan-kevitr'izy ireo hiaraka. Nitsivalana ny ray aman-drenin'i Angela satria zazalahy Shinoa no irin'izy ireo hiaraka aminy, ny renin'i Rashid kosa maniry mba ho zazavavy Maleziana no miaraka aminy, tahaka izany koa ny naman'i Rashid. Mba nisy farafaharatsiny naman'i Angela antsoina hoe Yati miteny Mandarin satria sekoly Shinoa no ianarany, ka amin'ny naman'i Yati, dia manivaka i Angela amin'ny tsy itenenany ny fitenin'ny fianakaviany. Hitan'i Angela fa ambadik'ireny marika sy fihetsi-pamantarana mampiavaka, fanavakavahana sy fanantenana anatin'ny hazakazaka sy ny fitiavana, ny zavadehibe dia ny fahatsapana misy eo aminy sy amin'i Rashid.

Ankoatra izany dia mandray anjara amin'ny fetiben'ny lahatsarin-tahirin-kevitra momba ny zon'olombelona karakarain'ny FreedomFilmFest any Malezia hatramin'ny 2003 ny KOMAS.  Tafiditra ao anatin'ny fetibe ny fifaninanana lahatsarin-tahirin-kevitra mety ahazon'izay sambany nanatontosa lahatsary fifanarahana ahafahan-dry zareo manangana tahirin-kevitra raha mandresy ry zareo, ao koa ny atrikasan-dahatsary sy fandefasana sarimihetsika; ary dia lasa sehatra fampisehoana tarihin-kevitra momba ny zon'olombelona izay tsy mahita toerana loatra ahafahany miranty eo amin'ny gazety mahazatra sy/na ny sehatra ara-barotra.  Ny lohahevitry ny FFF 2012 dia momba ny Demokrasia, amin'ny tarigetra manao hoe “Demokrasia – Iza no mibaiko?”

Ny Sombim-pety 2011 no manome antsika ny ambangovangon'ny lohahevitra sy ny adihevitra tian'ny fetiben'ny sarimihetsika asongadina:


Iray tamin'ny nahazo ny loka tamin'ny tahirin-kevitra tamin'ny taona 2011 ny an'i Afiq Deen izay miandraikitra ny Huruf J, tahirn-kevitra fohy miresaka ny fiainana sarotra sy ny fahavakavahana atrehin'ireo nisara-panambadiana any Malezia. Fiaraha-monina izay manilikilika azy ireo amin'ny toerana misy azy, mizaka ny trosa, ny fahantrana ary ny rafitra izay tsy mahavita manery ny ray handoa ny adidiny amin'ny zanaka no anisan'ny vesatra zakain'ny vehivavy raha vao mitady hiala ao miaraka amin'ny [menaky ny] ainy izy ireo. Ahitana dika antsoratra na feo amin'ny teny anglisy eny antsefatsefany eny ny sarimihetsika.

Ao anatin'ny vavahadin-tseraseran'ny tahirin-kevitra, no iangavin'ny FreedomFilmFestival anao hamerimberina hijery antontan-kevitra mba ahafahany mabampy ny hevitra eo amin'ny vohikalany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.