Hongria : veloma i Malév!

Malév, kaompaniam-pitanterana an'habakabaka Hongroà, niorina tamin'ny taona 1946, no nikatona tamin'ny 03 febroary satria bankirompitra. Araka ny  vaovao an-gazety [hu], tsy nahalala ny hanakatonana ity kaompania ity ireo mpiasa tao raha tsy adiny y iray alohan'ny fanakatonana. Tamin'ny alàlan'ny saika hisoratana anarana handeha tao amin'ny seranam-piaramanidina Listz Ferenc ao Budapest kosa no nahalalan'ireo mpandeha ny vaovao.

Taitra tamin'ny vaovao ny Hongroà, satria na dia ratsy be aza ny toe-bolan'ny kaompaniam-pitanterana,  dia efa an-dàlana ny paikady hanavotana azy efa ho herinandro maromaro izao. Ho an'ny maro, vokatry ny faharatsian'ny fitantanam-bola tao amin'ny kaompania izao fikatonana izao. Tamin'ny janoary, dia notsarain'ny vaomiera eoropeana ho  tsy manara-dàlana ny fanampiana nomen'ny fanjakana ho an'ny kaompania nanomboka ny taona 2007 ka hatramin'ny 2010. Ny niafarany, tsy natoky ny kaompania intsony ireo mpiara-miombon'antoka taminy, ary ny tena namehezana azy dia izay niseho tamin'ny zoma tany amin'ireo seranam-piaramanidina any Dublin sy Tel Aviv izay tsy nanome alàlana fahazoana miainga ho an'ny sidina Malév rehetra .


Dokambarotra  Malév iray, Hira notendren'i Gábor Presser

Araka ny blaogy A REPÜLÉS Szakmai blog (blaogy matihanina momba NY SIDINA) [hu], nijanona tao Budapest ny sidina farany notanterahan'i Malév tamin'ny zoma tamin'ny 08:46 (09:46 any Hongria), sidina avy any Helsinki izy io. Voarain'ny mpiserasera ny zavatra noresahan'ny mpanamory tamin'ireo mpanara-maso ny sidina tamin'io fotoana io ary hita any amin'ny tranonkala maro:

Mpanamory: Amin'ny anaran'ny mpanamory ny sidina farany tanterahan'i Malév, misaotra anareo izahay tamin'ny fiaraha-miasa nasehonareo nandritra ny taona maro. Mandra-pihaona.
Mpanara-maso ny sidina: Misaotra anareo koa izahay ary mirary anareo hanao fialan-tsasatra mahafinaritra, maniry ny mbola hifankahita aminareo indray.

Araka an'i AIRportal.hu [hu], tamin'ny zoma hariva, fiaramanidina 14 an'ny kaompania Malév no naverina tamin'ny tompony ILFC tany amin'ny seranam-piaramanidina iray any Irelandy. (Jereo eto ny sarin'ny fiaramanidina nampiasain'i Malév tany amin'ny seranana Shannon anyIrelandy, sary nalain'i Malcolm Nelson.)

Csaba Demeter, mpanamory iray nanatrika ny fanaterana ireo fiaramanidina ireo, no nitantara ny zava-nitranga ao amin'ny Facebook [hu]:

[…] Tokony ho tamin'ny misasak'alina, tonga tao EINN (anarana hahafantarana ny seranam-piaramanidina Shannon, Irlandy) izahay, nipetraka tsirairay ary nitambatra avy eo, ho fanajanay ny lasa. Nijanona tsirairay, teny amin'ny làlan'ny fiaramanidina, teny amin'ny toeram-pijanonana, najanona ny môtera, nesorina ny tao anatiny, novonoina ny jiro rehetra, ary maizina tanteraka izahay. Tena nampatahotra,  AVELANAY EO IREO FIRAMANIDINA IREO. Nanatena izahay fa hisy feo hiantso mafy hoe MIVERENA MIARAKA AMIN'NY FIARAMANIDINAREO, kanefa nofy ihany izany na sangy ratsy. Tsy nisy na inona na inona. NIJANONA ANY IREO FIARAMANIDINA IREO. Izy rehetra. 🙁 […]

Nanaraka avy eo ny eritreritra mikasika ny vitan-dratsy nahazo ny kaompania. Ny fahatsiarovan'i Csaba ao amin'ny blaoginy Fékszárny blog [hu] no milaza mihoatra ny rehetra ny dikan'ny kaompania Malév ho an'ny mponina any amin'ity firenena kely any Eoropa afovoany ity:

Nandeha niaraka tamin'io kaompania io aho imbetsaka, misy ny fahatsiarovana ratsy sy tsara hitako. Tsy nolazaiko anefa ireny satria tsy dia nisy nampiavaka azy loatra. Ny nisafidianako ny handeha amin'ny kaompania Malév sy nanaovako azy ho laharam-pahamehana mihoatra noho ny sasany, dia satria io NY ANTSIKA. Aorian'ny tsy nahateo an-tanindrazana ny tena mandritra ny fotoana ela, dia izy ireny no marika voalohany amin'ny fiverenana mody. Ny sary famantarana manga sy fotsy miaraka amin'ny sainam-pirenena hogroà, ny fiarahabana eo am-baravarana miaraka amin'ny gazety hongroa. Mandeha any ivelany mandritra ny 2 na 3 herinandro matetika aho, tsy any amin'ny tanàna sy hôtely tsara anefa, fa any an'efitra sy toerana mahafinaritra hafa. Noho izany dia fifaliana ho ahy foana ny mandeha mody, ary ny olona hitako voalohany dia ny mpanamory ny sidina Malév. Aorian'ny dia lava sy mandreraka, dia milatsaka ny ranomasoko rehefa hipetraka ao amin'ny seranam-piaramanidina Ferihegy izahay. Tena maharary ny mahita ireto sary sy mamaky ny vaovao amin'ny interneto. Maniry aho fa tsy ho rava tanteraka anefa izany, hahafinaritra indray ny hahita fiaramanidina mena-fotsy-maitso amin'ny ho avy.

Csaba

Ho an'ny blaogy Véleményvezér  [hu], “miditra ao anatin'ny tadio fanaperana” ny toe-karena mihetsiketsik'i Hongria:

[…] Tena tafiditra anaty rivo-mahery indrindra i Malév raha jerena: tokony ho velona ihany izy kanefa tsy misy fiovana ny olana ekonomika efa ho taona maro izao ary koa ny faharatsian'ny fitantanana azy efa an-taona maro koa izao; kanefa mifameno ireo zavatra roa ireo. Tsy nahatohitra izany izy ary fantsika anankiray fanampiny hanidiana ny vatampatin'ny nofinofintsika hoe mpitari-dalana eto amin'ny faritra i Budapest sy i Hongria.

Mandra-pananganana kaompaniam-pitanterana vaovao any Hongria, araka ny notaterin'ny tranonkala Origo azy, dia manohy ny “sidina” ataony ihany ireo mpanamorin'i  [hu]  “Malév Hungarian Airlines Virtual” miaraka amin'ny toromarika  “hanidina” avy amin'i Malév.

Sary mampiseho ny fiaramanidina Malév , avy amin'ny Flickr mampiasa hugovk (CC BY-NC-SA 2.0).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.