Topimaso Maimaika Amin'ireo Tolotra Famatsiana Tetikasa Madinika Ataon'ny Rising Voices

Manomboka any Afghanistan hatrany Zimbabwe, Rising Voices dia nahazo tolotra miisa 1175 avy any amin'ny firenena 124 maneran-tany. Ity fisondrotan'ny isan'ny fisoratana ity, raha miohatra amin'ny taon-dasa, dia mampiseho ny fahalinana sy ny filàna mitondra ny fampielezam-baovaon'olontsotra ho any amin'ireo vondrom-piarahamonina madinika zara raha hita sy re. Raha teo am-pamakiana ireo tolotra tetikasa ireo izahay dia nieritreritra fa mety hahaliana ireo mpamaky ny valiny ara-demografika fototra azo tamin'ity antso misokatra ho an'ny tolotra tetikasa ity.

Nitari-dalana izany i Oganda sy Kenia, firenena any Afrika Atsinanana, izay nahitàna fisoratana be indrindra. Mba hijerena akaiky ireo fisoratana natolotry ny firenen-kafa, jereo ny tangoron-teny noforonin'ny vohikala Wordle. Ny haben'ny anaran'ny firenena dia mifandraika amin'ny isan'ny fisoratana voaray avy amin'io firenena io.

Tangoron-teny mampiseho Firenena – Potsero raha hanalehibe ny sary.

95 isanjaton'ireo no sambany vao nandefa tolotra tetikasa, izany hoe ireo 5 isanjato ambiny dia efa nandray anjara tamina fifaninanana famatsian-tetikasa madinika Rising Voices  nanomboka tamin'ny  2007. Nangataka ireo mpandray anjara ihany koa izahay mba hilazalaza tsara momba ny tanjona banjinin'ny tetikasany tsirairay, ny Fampianarana, ny Vehivavy sy ny Miralenta, Fiaraha-monina zanatany, ary ny Fampandrosoana no sokajy voatonona miverimberina indrindra.

Nahaliana ihany koa ny nametraka ny teny avy tamin'ny fanoritsoritana ireo tetikasa natolotra rehetra. Nampiasana tangoron-teny indray, azo fantarina hoe teny inona sy foto-kevitra inona no nampiasaina matetika indrindra.

Tangoron-teny avy amin'ireo Tetikasa – Potsero raha hanalehibe ny sary

Misy antsipiriany ara-demografika vonjimaika vitsivitsy fotsiny voaangona avy tamin'ny topimaso voalohany tamin'ireo tolotra miisa 1175. Atsy ho atsy, hanao saritany izahay hanampy hijerena ny toerana niavian'ireo tolotra tetikasa. Hanampy amin'ny fampisehoana ireo toerana maneran-tany izay mitovy fijery amin'ny foto-dresak'ireo tetikasa fampielezam-baovaon'olontsotra ataony ihany koa izahay. Ireo tetikasa nanome alalana ny Rising Voices hamoaka am-pahibemaso izany mombamomba azy izany ihany no hipoitra ao anatin'ny saritany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.