Hong Kong, Shina: Noesoesoin'ny Mpiserasera ny Oniversiten'i Hong Kong

Nahavita ny tatitra jeritodika ny Oniversiten’ ny Hong Kong momba ny  fivahinianan'ny filoha lefitra Li Keqiang tao amin'ny oniversité tamin'ny herintaona noho ny fankalazana ny faha-zato taonan'ny oniversite, na ilay antsoina hoe Hong Kong loza 818 koa.

Nandritra ny lanonana, nosakanan'ny mpitandro ny filaminana maro dia maro anivon'ny mpianatra sy ny mpianatra maintimolaly nanatrika teo ny sekoly, ary niteraka fanafintohinana ny nahitana ny polisy nanosika an-kerisetra ilay mpianatra iray saika hamonjy ny mpanao fihetsiketseham-panoherana.

Nanambara ny tatitra navoaka farany fa natao mihitsy ny fankalazana mba hitontona amin'ny fitsidihana ataon'ny praiminisitra lefitra , nanaporofo ny siosiondresaka nataon'ny olona fa natao ho toy ny “fampisehoana” politika ny fankalazana mba hamalifaliana ny governemanta ao Beijing.

Ity tantara an-tsary manaraka ity dia famoronana indray niainga avy tamin'ny sary famantarana ny oniversite ka niparitaka be tao amin'ny Facebook tamin'ity herinandro ity. Nosoloana saina sinoa ny saina famantaran'ny sekoly dragona-liona sy ny teny filamatra, “Sapientia Et Virtus” nosoloina “fankatoavana ny Antoko sy ny Fitondrana – Oniversitem-bahoaka voalohany ao an-tànanan'i Hong Kong, faritra Guangdong” (忠黨愛國﹣廣東省香港市第一人民大學), ny tantara an-tsary dia fanesoana ny fitsontsoriky ny oniversite iraisam-pirenena ankehitriny  hivarina ho ambaratonga fahatelo (lenta mifanentana amin'ny tanàna) amin'ny Anjerimanontolon'i Shina. (Nozaraiko ao amin'ny rindrin'ny Facebook ny sary).

 

Tantara an-tsary manevateva nivezivezy tamin'ny aterineto mikasika ny Hong Kong loza 818

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.