Yemen: Miarahaba An'i Saleh Amin'ny Kiraro Ireo Yemenita Mpanohitra Any New York

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana Yemen 2011 ity lahatsoratra ity.

Nanoraka kiraro nanandrify ny filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh vao niala teo ireo Yemenita ao New York, izay lazain'izy ireo fa tokony hijoro manoloana ny Lapam-pitsarana Iraisam-pirenena natao ho an'ireo Mpamono olona (ICC) fa tsy tokony hijanona any amin'ny Trano Fandraisam-bahinin'ny Luxury Ritz Carlton any Manhattan. Tsy nahavoa an'i Saleh ity kiraro ity fa nampita ny hafatra hoe tezitra mafy ny Yemenita satria ampiantaina izy raha tokony hiatrika ny fahamarinana tamin'ny heloka vitany manoloana ny vahoaka Yemenita.

Ny Alakamisy (2 Feb), nisy tafatafa ho an'ny mpanao gazety natao teo anoloan'ny Ritz Carlton, izay nijoroan'ireo Yemenita sy ireo Yemenita Amerikana teo amin'ny sisin-dalana ampitan'ny manoloana ny trano fandraisam-bahiny izay nanehoan'izy ireo ny hatezerany tamin'ny alàlan'ny fanandràtana takelaka milaza hoe “tsy tokony hampiantrano ireo mpanao didy jadona ny demokrasia,” sy ny sarin'ireo olona maty nandritra ny fanovàna tany Yemen tamin'ny taon-dasa.

Amel Ahmed @iiamelii, mpanoratra malalaka mipetraka any NYC, mpianatra lalàna sy mpikambana ao amin'ny Yemeni American Coalition for Change dia miteny ho an'ny Demokrasia Ankehitriny (manomboka ao amin'ny “10:45 ny lahatsary ) ka nilaza hoe:

Mipetraka any amin'ity trano fandraisam-bahiny ity ny mpanao didy jadona Ali Abdullah, ka ho fanombohana dia tonga izahay hanohitra ny famelan'ny governemantantsika azy ho ato anatin'ity firenena ity. Tsy tsapanay hoe tokony ho eto Etazonian'i Amerika izy. Mihevitra izahay fa hafatra diso alefa ho any Afovoany Atsinanana izany, raha milaza ianao fa manohana ny demokrasia any Afovoany Atsinanana, sy manohitra ny ‘extremistes’ any Afovoany Atsinanana, dia tsy tokony hanohana ireo mpanao didy jadona . Tokony hanohana ny vahoaka eny an-toerana izay mitady ny demokrasia ianao. Ny tiako ho tenenina, efa an-taonany izao, nitsikera ny tontolo Silamo isika, noho ny fivadihany ho extremistes sy tsy nizarany ny soatoavin'ny demokrasia mitovy amintsika, mandritra izany dia manana taranaka iray manontolo izay misandratra isika ary mitaky ny demokrasia, ary mandritra izany, mampiantrano mpanao didy jadona anatina trano fandraisam-bahiny manana kintana dimy ianao. Mifanipaka ny hafatra, ary tokony hisy hafatra mivaingana avy any amin'ny Trano Fotsy.”

Nisy hetsi-panoherana iray hafa natao ny Alahady (5 Feb), rehefa niala ny Ritz Carlton i Saleh tenany, manamarina ny fipetrahany izay azo iadian-kevitra tao amin'io trano fandraisam-bahiny io. Nikiaka taminy ireo mpanohitra, “O'Afash (anarana manafintohina nomen'ny Yemenita an'i Saleh) ho enjehana ianao noho ny namonoanao olona tsy manan-tsiny,” rehefa niantsy azy ireo i Saleh tamin'ny fikopakopahany azy ireo sy fanomezany oroka tahaka ny hita ao amin'ity lahatsary ity (navoakan'i : ahmedfathinyc) dia nitarika fitorahana kiraro azy avy amina mpanohitra iray izany. Nisy iray hafa niezaka nihoatra ny sakan'ny mpitandro filaminana nefa voasambotra.

@SummerNasser, izay nanatrika ilay hetsi-panoherana, nibitsika hoe :

@SummerNasser: NIVOAKA NY RITZ I SALEH, mitoraka oroka antsika. Nisy mpanohitra iray niezaka hiazakazaka hanapaka ny sakan'ny mpitandro filaminana sy hanenjika azy. Voasambotra izy!!!!!

@SummerNasser: Ny hira izay nohirainay dia milaza: “ICC fa tsy NYC” ; “Henatra ho an'ny Ritz amin'ny nampiantranoany Mpamono olona” ; Tsy maintsy misafidy i Obama, na ny Zon'olombelona na ny famonoana feno habibiana”

@SummerNasser: Tsy azoko an'eritreritra ny fahitako ilay lehilahy namono olona an'arivony miverina an-tanindrazana. Tsy misy teny ahazoako mamaritra ny fihetseham-poko tamin'izany. Tsy misy teny..

Nibitsika sarinà takelaka nolanjain'ny namana iray mafàna fo, Ahlam Said, milanja sora-baventy izy :

@SummerNasser: Ny sora-baventin'i @AhlamS ho an'ny diabe androany. pic.twitter.com/elI9JIU7

Sora-baventy iray nolanjain'i Ahlam Said tamin'ny hetsi-panoherana teo anoloan'ny trano fandraisam-bahiny Ritz Carlton any New York

@AhlamS, mpikarakara anaty aterineto sy zanakavavinà mpifindra monina Yemenita, nibitsika hoe:

Raha ampijaliana tsy misy fitsaràna ireo Yemenita any Guantanamo, Saleh kosa dia miaina tsy misy izany ao amin'ny ritz carlton. AO AMIN'NY RITZ! #yemen

Nanampy i @AhlamS:

lahatsarin'i#Saleh ao NY mikopakopaka & mitoraka oroka any amin'ireo #Yemeni mpanohitra. Fitsaboana medikaly ny @$$-ko. Salama tsara izy amiko ht.ly/8Tb7e

Ary amin'ny farany dia nampiany hoe :

@monaeltahawy sarinay miaraka amin'ilay kiraro izay kely vitsy monja no tsy niantefany tany amin'ilay Mpanao didy jadona mahery setra ao #Yemen #Saleh ow.ly/i/rHHG

Naneho ny zavatra tsapan'ny ankamaroan'ireo Yemenita i @SamWaddah:

@SummerNasser @AhlamS Ireharehàko ianareo ry zalahy! Niatrika fanalam-baraka tsy nisy ohatra izany i Saleh androany!

@wsaqaf nibitsika tamim-panarabiana hoe:

mpanao hetsi-panoherana nitoraka kiraro an'i #Saleh tao #NYC nosamborin'ny polisy raha i Saleh kosa nandefa baomba tany amin'ny vahoakany, nomena fankasitrahana izy !

Nisy fanambaràna avy amin'ny Yemeni American Coalition for Change, ireo mpikarakara ity diabe ity, milaza hoe:

“tezitra sy kiriko [izahay] amin'ny fanapahan-kevitry ny governemantanay hamela ity mpanao didy jadona ity hanao sesitany ny tenany mandritra ny fotoana tsy voafaritra sy ny nanomezana ny mahja-tsimatimanota  ara-diplomatika azy….Mangataka aminà feo tokana izahay   ny hamalian'ireo trano fandraisam-bahiny ireo mikasika ny nokilasian”ny fikambanambe iraisam-pirenena ho asan'ireo mpamono olona an'ady.”

Ireo Yemenita, indrindra ny vondrom-piarahamonina Yemenita Amerikana izay mipetraka any Etazonia dia nanohitra ny fitsidihan'i Saleh any Etazonia, izay voalaza ho noho ny fitsaboana ara-pahasalamana. Maro no mino fa tonga any Etazonia hanao fifanarahana i Saleh fa tsy noho ny fitsaboana ara-pahasalaman izany. Rehefa nanapa-kevitra ny fitondran'i Obama tamin'ny Desambra fa hamela an'i Saleh hitsidika ny firenena, nisy olona ambony iray ao amin'ny fitondrana niteny fa hikarakara ny fitsaboana azy ny Trano Fitsaboana ho an'ireo Olona tsy mahita akaiky ao NewYork, nefa tsy nanamarina izany tatitra izany io Trano Fitsaboana io.

Vaovao farany: Raha tena antony ara-pahasalamana marina no nandehanana ho any Etazonia dia nanome tolo-kevitra i @GregoryDJohnsen :

Azo nosorohana izany rahona rehetra izany http://nyti.ms/zjvMjA Ho solon'ny fitondrana an'i Saleh ho any Etazonia dia azo natao ny nandefa ireo dokotera avy any Etazonia ho an'ny amin'i Saleh any Arabia Saodita

 

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana Yemen 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.