Panama: Nosakanan'ireo Mponina Teratany ny Làla-migodana Pan-Amerikana Ho Fanoherana Ny Fitrandrahana

Todo lo acordado con los indígenas ha sido cumplido. Ahora elementos foráneos desean que no haya hidroeléctricas. Eso hará triplicar la luz

Notontosaina tsara izay nifanarahana tamin'ireo mponina teratany. Ankehitriny tsy mila herinaratra ny olona hafa ao an-tanàna. Hampitombo avo telo heny ny jiro fanazavana izany.

Toy izany no fomba nanehoan'ny Filoha Ricardo Martinelli ny fialan-tsininy tamin'ny alalan'ny kaonty Twitter (@rmartinelli) mikasika ny fanakatonana ny lalana naharitra dimy andro tamin'ny 3 Febroary teo. Nakaton'ny zanatany ao amin'ny faritra Ngäbes Buglés ny lalà-migodàna Pan-Amerikana mankany amin'ny faritany Chiriqui hitakiany amin'ny governemanta hanaja ny fifanekena natao amin'ny taon-dasa mikasika ny  fitrandrahana ao amin'ny faritra.

Niteraka fatiantoka an-tapitrisany ny fanakanana ny làlana satria io no toeram-pifamezivezen'entana lehibe indrindra ao amin'ny firenena. Tafahitsoka tao tsy nahazo sakafo sy rano ny olona an-jatony. Araka ny voalazan'ny gazety La Prensa:

Cientos de viajeros y conductores de vehículos de carga atrapados por el tranque de la vía Interamericana, en el distrito de La Mesa, clamaron por ayuda de las autoridades de la provincia de Veraguas, debido a que después de cuatro días de protesta se han quedado sin agua y comida.

Tratran'ny sakana tao amin'ny lalana Pan-Amerikana ao amin'ny distrikan'ny La Mesa ihany koa ireo mpandeha an-jatony sy mpitondra fiara, ka niantso vonjy tamin'ny manampahefana tao amin'ny faritany Veraguas Province, satria taorian'ny efatra andro nisian'ny fihetsiketsehana, tsy manana rano sy sakafo intsony izy ireo
 
Hatramin'izao, tsy raharahian'ny governemanta ny fihetsiketsehana ka mitady làlana hafa ahafahan'ireo olona sy ny entana hivezivezy izy, toy ilay làlana antsoina hoe “Air Bridge” (tetezana an-habakabaka) itondrana olona sy entana amin'ny alalan'ny fitaterana an-habakabaka.

Ramatoa miakanjo nagua, akanjo fanaovan'ny olona ao Ngöbe-Buglé ao Chiriqui, Panamá

Hita fa mahatsiravina kokoa ny mijery ny sary mipendrapendran'ny governemantan'i Ricardo Martinelli eny amin'ny valantserasera, izay tsy eken'ny vahoaka ny tsy fihetsehana sy ny avonavon'ny governemanta sy ny ekipany amin'ny fitondrana ny raharaha, na izany aza misy ireo mahita fa tia tena ary tsy mijery izay mahazo ny fireneny ny fihetsiky ny vahoaka teratany.

Roberto Troncos B. (@tronky22) [es] nanoratra tany amin'ny filoha:

@rmartinelli Es inadmisible q un sector de la población nos tenga de rodillas, pero tmbn es inconcebible que no se tenga vías de solución

@rmartinelli Tsy azo ekena raha sombina vahoaka toy izao no manakorontana anay tahaka izao, saingy tsy azo eritreretina ihany koa hoe tsy misy hevitra hafa ahafahana mandravina izany olana izany.

Jaime Correa (@JCorrea1293) sahiran-tsaina noho ny fomba fitondran'olo-tokana ataon'ny filoha ary nanambara fa manafangaro izany matetika amin'ny fanaraha-maso ny magazainy izy (Super 99):

Martinelli todavìa sigue pensando y creyendo que Panamá se administra como un Super 99 y que al ser presidente, es dueño de los recursos

Martinelli nihevitra foana ary nino fa afaka tanterahina ho toy ny Super 99 i Panama ary amin'ny maha-filoha azy, izy no mahazo ny harena rehetra.

Fermin Osorio (@MeisterBrake) kosa tetsy andaniny, nihevitra fa tafahoatra ny fanaratsiana ataon'ny olona an'i Martinelli ho tompon'andraikitra tamin'ny zava-dratsy rehetra nitranga:

Todo lo que hace martinelli ta mal, fren en mi opinión el a echo muchas cosas y buenas, también sus defecadas pero bueno.

Ratsy avokoa izay zavatra rehetra nataon'i Martinelli, saingy raha ny hevitro manokana dia  nahavita zavatra maro sy zavatra tsara izy, na misy aza ny fahadisoana, saingy efa tsara.

Maria Moreno (@ascadelia1986) [es] Maria mampitaha ny governemanta ankehitriny amin'ny fitondrana jadon'i Manuel Antonio Noriega mpanao didy jadona:

est gobierno esta peor q el gobiern o d noriega nadamas falta q martinelli salga planeando y alzando el machete

Ratsy kokoa noho i Noriega ny governemanta, navela ho an'i Martinelli avokoa ny fanomakomanana sy ny fanaingana ny machette.

Daniel Acosta (@Daar05) nanambara fa tompon'andraikitra amin'izao krizy mianjady amin'ny firenena izao ny mpanao politika rehetra:

Yo siento que toodos los de la politica en Panamá son culpables de lo que ocurre! Martinelli debe buscar rapido alguna solucion!!!!!

Mino aho fa tokony bedesina noho ny zavamisy ankehitriny avokoa ny mpanao politika rehetra! Mila mitady valinteny haingana i Martinelli!!!!!

Mpamahana bolongana Erick Simpson Aguilera nizara ny vinavinany tao amin'ny bilaoginy Pma507pty:

Finalizo solidarizándome con la lucha de los hermanos Ngäbes por la defensa del territorio nacional, el cual el gobierno autócrata de turno pretende vender a las mineras canadienses y coreanas, para depredar y saquear nuestra riqueza natural. Y, haciéndole un llamado al gobierno en el sentido que, no insista en mantener al país al borde de la ingobernabilidad y el caos, dando al traste con la imagen de Panamá, afectando las inversiones, el turismo, y el crecimiento económico que experimenta la nación; lo cual evitarán si dialogan con las autoridades Ngäbes Buglés y aceptan formalizar legalmente, la no exploración, ni explotación minera, ni hídrica en la Comarca.

Niafara tamin'ny fanohanana ny tolona miaraka amin'ireo rahalahy Ngabes amin'ny fiarovana  ny sisintaniny, izay kasain'ny governemanta karazany amidy amina orinasa fitrandrahana Kanadiana sy Koreana amin'ny ankapobeny, ka hangalarana sy handrobana ny harena voajanahary ananantsika aho. Ka namoaka antso fanairana ny governemanta momba izany toy ny hoe, aza mikiry hihazona ny firenena ho eo ambavan'ny tsy fahafaha-mitantana azy sy fikorontanana, manimba ny lazan'i Panama, ka hampisy fiantraikany amin'ny ny fampiasam-bola, ny fizahantany, ary fitomboan-karena, izay azo idifiana raha raha miresaka amin'ny mpitarika ny ao Ngäbes Buglés sy manaiky hametraka an-taratasy ara-dalàna ny amin'ny tsy fanomezana fampiasana ny tany sy tetikasa fitrandrahana, na fampiasan-drano ao amin'ny faritra.

Na dia mbola tsy mahita vahaolana foana aza hatramin'izao, tsy very fanantenana ny Panameana amin'ny fahitana vahaolana mahasoa ny rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.