Venezoela: Niteraka Adihevitra Be ny Sarin'ireo Ankizy Milanja Fitaovam-piadiana

Nipoaka ny adihevitra tao amin'ny valantserasra Venezoeliana taorian'ny fivoahan'ilay sarina vondron'ankizy mpianatra miaraka amin'ny basy tao amin'ny fari-bohitra iray be olona  indrindra ao Caracas, nivadika tanteraka ny Barrio 23 de Enero. Niparitaka haingana dia haingana ny sary nalaina sy navoakan'ny fikambanana “La Piedrita” tao amin'ny  pejiny Facebook ary niteraka fanehoan-kevitra marobe, ka nanjaka ny fanoherana izany.

Tao amin'ny lahatsoratra navoakany “En Venezuela Intentamos Construir Paz” [es] (“Miezaka ny Hanorina ny Fandriampahalemana izahay eto Venezoelà”), Luis Carlos Díaz nizara rohy hafa manampy amin'ny fahazoana ny tantara izay nampiany hoe :

Sary avy amin'i Eduardo Ponte @acaballoregalao tao amin'ny yfrog

Un grupo de niños de una parroquia caraqueña fue usado para un acto político, portando armas de guerra y violando más de una ley bajo la mirada complaciente de autoridades y cuerpos de seguridad. Más allá de la obvia desviación ideológica-religiosa en las paredes, se cometieron hechos punibles con un grupo de niños. El Gobierno hoy manifestó su rechazo, pero es una medida estética en tanto permita su impunidad.

 Natao fitaovana politika, nasaina nitondra basy ireo vondron’ ankizy avy ao amin'ny fiangonana paroasy ao Caracas ka lalàna marobe no voahitsakitsaka teo imason'ireo manampahefana sy ny mpitandro ny filaminana. Ankoatra ny fiviliana ara-poto-kevitra ara-pinoana mibaribary, dia nahavita heloka azo melohina izy ireo noho ny nataony tamin'ny ankizy. Nampiseho ny tsy firaharahiany ny governemanta amin'izao fotoana, saingy mijanona ho fepetra fanamboamboaran-tena fotsiny izany raha tsy mahavoasazy azy ireo.

Tao anatin'izany, Ludmila Vinogradoff naneho hevitra tao amin'ny hafatra nosoratany “Los Niños de la Revolución” [es] (“Ankizin'ny Revolisiona”):

En la parroquia caraqueña donde fueron fotografiados los niños existen varios grupos radicales que dicen defender al gobierno de Chávez, amenazando con tomar las armas en caso de que el mandatario salga del poder. La pregunta que se hacen todos es;  ¿quién financia a los grupos radicales y les suministra las armas de guerra?.

Vondrona mahery fihetsika isan-karazany no misy ao amin'ny paroasy ao Caracas izay ahitana ankizy nalaina sary miaro ny governemanta Chávez, norahonana izy ireo mba handray fitaovam-piadiana raha sanatria miala eo amin'ny fahefany ny filoha. Ny fanontanian'ny tsirairay dia ny hoe, iza no mamatsy vola ireto vondrona ifotony ireto sy mamatsy azy ireo fitaovam-piadiana?

Andro vitsy taty aoriana, nanatontosa lahatsary ny fikambanana nanazavany fa tsy mikendry hampianatra ireo ankizy hampiasa fitaovam-piadiana velively izy ireo. Na dia izany aza, misy ny mpisera YouTube hafa nanasongadina fa nahatazana mpikambana niserana miaraka amina fitaovam-piadiana nafenina tao an-damosiny, sy ny fahitana ilay vehivavy mpitondra teny fahita amin'ny sary.

Niadian-kevitra teny anivon'ny haino aman-jery ihany koa ny sary no sady niteraka fikarakarana diabe ataon'ny fikambanana, La Piedrita, tamin'izany no nitakian'izy ireo ny hanajana ny zon'ny ankizy tamin'ilay sary. Araka ny afisy nasehon'ny fikambanana tao amin'ilay sary naparitaka tao amin'ny kaontiny Twitter, “…ny zavatra tokana nolanjain'ny ankizy dia ny làlampanorenana.”

Toy izany ihany koa, namaly ny haino aman-jery izy ireo ka nilaza hoe tsy nilanja fitaovam-piadiana tena izy ny ankizy fa karazana “kilalao amina tantara tsangana” fotsiny ihany.” Nanala baraka izany fomba filazana izany ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter.

Ytzel Pérez (@ytzelpérez), iray tamin'ireo mpisera nitsikera ny filazana nataon'ny fikambanana, ary Eduardo Ponte (@acaballoregalao) namoaka ny heviny tamin'ny alalan'ny tenifototra #insólito:

Buenos días a todo mi TL, sorprendida ahora según y q los Niños d la Piedrita estaban haciendo una “obra d Teatro” eso no se los cree nadie!

Miarahaba ny TL namako rehetra, gaga aho ankehitriny fa, araka ny voalazan'ny la Piedtrita, nampanaovina “kilalao” fotsiny ireo ankizy.” Tsy misy mino izany ny olona!

INSÓLITO: La Piedrita asegura que los fusiles M-16 eran de plástico y que los niños hacian una obra de teatro #FAIL

FANALAM-BARAKA:  La Piedrita mandresy lahatra ny tsirairay fa kilalao plastika ireo basy  M-16 nentin'ny ankizy tamin'ny sary.  #FAIL

Solontena ministerialy sy olona ambony, toy ny mpikambana ao amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanana tsy miankina no tsy nankasitraka ny famporisihina ny ankizy amina ady mitam-piadiana. Na izany aza, mety hifarana tsy ho ela ihany ity adihevitra ity.

Ho an'ny maro hafa, natao izany sary izany mba hanodikodinana ny saim-bahoaka hanohitra ny governemanta. Ho an'ny sasany kosa, mampiseho fampitandremana ireo sary manoloana ny fananana sy ny fetra eo am-pelantanan'ny vondrona mpomba an'i Chàvez izay mety ho ampiasain'ny governemanta anatin'ny mpitandro ny filaminana. Mbola hojerena izay atao amin'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny fikambanana La Piedrita eo anatrehan'ny manampahefa ao amin'ny vaomiera mpanatanteraka amin'ny fanaraha-mason'ny fitaovam-piadiana, bala ary koa ny fanalana ny fitaovam-piadiana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.