Okraina: Ny Tantaram-Piainan'i Anna Boiko

Te-hilaza aminao ny momba ny renibeko aho – Boiko Anna. Teraka sy niaina tany an-tanàna ambanivohitr'i Yaglush any amin'ny distrikan'i Rogatyn any Ivano-Frankivsk Oblast izy. Sariaka, manantalenta, ary manana ny maha-izy azy izy. Olona sahy sedra, feno fahalalàna sy fitadidiana.

Izany no nanombohan'ny [uk] zafikelin'i Anna Boiko, antsoina hoe Olya Suprun, ny bolongana antsoina hoe “Ny Tantaram-Piainan'i Anna Boiko.” Zarain ‘i Olya an-tserasera ny tsiaron'ny [diary] renibeny izay ahitana ny tantaran'ny fianakaviany sy ny mponina hafa ao Yaglush.

Ny ambanivohitry ny renibeny, ao Yaglush, dia miorina ao amin'ny Faritra Ivano-Frankivsk andrefan'i Okraina amin'izao fotoana izao. Io faritra io dia zaratanin'ny Ampira Aostro-Hongroà nanomboka ny 1772, tao anatin'ny Repoblika Entim-Bahoakan'ny Okrainiana Tandrefana nandritra ny fotoana fohy taorian'ny ady lehibe voalohany, tao anatin'i Polonina tantelanelan'ny taompolo 1920 ka hatramin'ny faran'ny taompolo 1930, tao anatin'ny Sovietika dia lasan'ny tafika Nazi nandritra ny ady lehibe faharoa, dia tao anatin'i Sovietika indray nanomboka ny taona 1944 mandra-pahatongan'ny fahaleovantenan'i Okraina tamin'ny 1991.

Anna Boiko sy ny vadiny Mykhailo. Sary noskanen i Olya Suprun, nahazoana alalana.

Ny tsiaro raiketin'ny zafikelin'i Anna Boiko dia mamerina antsika ny tany amin'ny fanombohan'ny taona 1939 any ary mitantara antsipiriany ny zava-niainan'ny mponina tao Yaglush nandritra ny fotoana namindrana ny faritra Poloney hafindra ho ambany fitantanan'ny Sovietika, ny fotoanan'ny ady lehibe faharoa, ary ny fiverenan'ny fitondrana sovietika hitantana azy indray. Mahakasika indrindra ny lohahevitra manohina indrindra teo amin'ny tantaran'i Okraina toy ny fanjakazakan'ny Nazi, ny tsindrihazolena sy ny famindrana faobe ny mponina tao an-toerana nandritra ny fanombohan'ny vanim-potoanan'ny komonisma, ny nahazo ny mpanohana ny Tafika Okrainiana Mpioko.

Toy izao no nitantaran'i [uk] Anna ny fiainana tao an-tanàna rehefa nananontanona ny ady lehibe faharoa:

Mampangovitra ihany koa ny resaka politika, nanantena fiainana tsara kokoa noho ny tamin'ny fotoana naha-poloney ny olona saingy tsy nisy ny zavatra nihatsara. Nanomboka ny fisamborana sy ny fanenjehana. Maro ny fianakaviana nafindra toerana ho any Siberia: Zakhariy Zliukovsky, Dutka sy ny hafa izay vao niverina avy tany Polonina. Nozaraina ny tany manantompo, ary nahazo zato [metatra toradroa] i neny. Saingy tanimena izany sady tsy azo andehanana amin'ny fotoanan'ny orana – tsy misy lalana tsara.

[…]

Nandritra izany fotoana izany efa akaiky ny ady amin'ny Alemana. Tsaroako fa alahady izay fotoana izay, tsara ny andro. Niresaka tamin'ny mpifanolo-bodirindrindra tao an-trano i nenibe. Nivoaka tany an-tokontany aho hamoaka ny akoho […]. Tampoka teo naheno kotro-baratra – dia mbola nisy hafa koa. Nihazakazaka nankany an-trano aho niteny tamin'ny renibeko, “Bebe a, avelao hiditra ny akoho fa ho avy ny orana!” Na dia nazava aza ny lanitra, tsy nisy rahona na tadio tazamaso. Avy eo tonga avy any an-tanàna i neny ary nilaza raikitra ny ady! Tsy kotroka ilay teo fa feona zera baomba. Mailo fatratra ny olona nanomboka hatreo. Taona 1941 izay taona izay.

Na dia sarotra aza ny fahazazan'ny renibeny, dia lazain'i Olya ho vehivavy 75 taona liana sy manam-pahalalàna, manoratra poezia sy tsiaro, mahavita amboradara mahafinaritra, tia ny lalao an-tsolosaina ary mankafy mahandro sakafo. Mizara matetika ny tononkalon'i Anna sy ny fomba fahandroan-tsakafo ary ny fiainana andavanandro ambanivohitra izy, ary mifantoka manokana amin'ny riba sy fomba tazonin'ny mponina ao aminy.

Sary sakafo nentin-drazana nataon i Anna Boiko ho an olona 12 mandritra ny krismasy. Saripika Olya Suprun, nahazoana alalana.

Tao amin'ny hafatra iray, dia nanaiky [uk] i Olya fa sady zazavao amin'ny famahanam-bolongana izy no tsy dia mahazatra ihany koa ny bolongana ataony:

Fantatro fa somary hafahafa sady tsy amin'ny endrika mahazatra ity bolongana ity: hafahafa, trano tsy fantatra eo an-tokotaniny, tantara tsy fantatr'olona izay tsy dia azo loatra ny dikany, ary ankoatra izay, ny mpanoratra azy – ny renibeko – dia tsy mpanoratra amin'ity bolongana ity… sady tsy natao itaterana izy ity no tsy natao hahazoam-bola; ary raha tianao ny hahazo ny dikany dia tsy maintsy mamaky azy isan'andalana ianao…

Anna Boiko miaraka amin ny vadiny mamaky ny bolongana momba ny tenany. Saripika Olya Suprun, nahazoana alalana.

Hita kosa anefa fa nihoatra noho izay nantenain'ny mpanoratra ny lazan’ Ny Tantaram-Piainan'i Anna Boiko. Tamin'ny 2011 dia nekena ho bolongan'olo-tsotra nahazo ny Lokan'ny Bolongana Okraniana Tsara Indrindra [uk], izy ary mitombo hatrany hatrany ny mpamaky sy ny mpankafy azy.

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.