Malezia: Sakan'ny Temiar Sy Ny Zon'Ireo Vazimba Teratany

Ity lahatsoratra ity dia isan'nhy fandrakofanay manokana ny  Vahoaka Vazimba.

Olona zanatany Temiar valo (fantatra koa amin'ny hoe Orang Asli)  any Malezia no voasambotry ny polisy noho ny fanandraman-dry zareo hametraka sakana sy handràra ireo mpitevy ala tsy hiditra ny tanànan-dry zareo ao Gua Musang, Kelantan.

Toherin'ireo mponina ao an-tanàna ny tetikasam-pambolena noraisin'ny governemanta ao an-toerana izay ilàna fanapahana hazo ala ao amin'ny tany navelan'ny razamben-dry zareo. Ilay sakana, andrana fanindroany nataon-dry zareo, dia natao taorian'ny nampandamoaka ireo andrana fifampiraharahana niarahana tamin'ny governamantam-panjakana. Nandà tsy hifampiraharaha ihany koa ny polisy ka nanàla ireo sakana sy nisambotra ireo mponina ary i Siti Kasim, mpisolovava azy ireo. Navotsotra iny andro iny ry zareo ireo nony efa alim-be.

Ny vondrom-piarahamonina Temiar nametraka sakana hisakanana ireo mpitevy ala tsy hiditra. Sary avy amin'iSITI KASIM, navoaka tao amin'ny Center for Orang Asli Concerns

Ilay mpisolovava, Edmund Bon,  dia nanao lisitra ireo fanosihosena nataon'ny polisy nandritra ny fisamborana :

@edmundbon: #TemiarBlockade Ny fisamborana an'i  @sitikasim dia mba hanakanana ireo mpisolovava tsy hiaro ny OA voasambotra noho ny zo omen'ny lalàna s28A. Nosarahana tamin'izy ireo ihany koa izy

@edmundbon: Manamarika fa nofoanana ny Didy avy amin'ny polisy ary ny #PAA2011 dia miandry fankatoavana, koa teo ambanin'ny lalàna toy inona no niasan'ny polisy ? #TemiarBlockade

@edmundbon: #TemiarBlockade miaraka amin'ny fanafoanana ny didy avy amin'ny polisy dia voamarika fa tsy voararan'ny lalàna ny fivorivoriana izay tsy mirotsaka marina amin'ny famoriam-bahoaka.

@edmundbon: #TemiarBlockade @alisonghani Fanamarihana: nofoanana ny s113. Tsy manana zo handray fanambaràna avy amin'olona ahiahiana amin'ny alalan'izany na ny s112 ny @PDRMsia. Avotsory

Ny sasany nitatatata ny tsy fisian'ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpanao politika avy amin'ny antoko mitondra, Barisan Nasional (Mandantehezam-Pirenena), na ny mpanohitra Pakatan Rakyat (Fiaraha-mientan'ny Vahoaka) izay manara-maso ireo governemantam-panjakana maro, isan'izany i Kelantan:

@MamuNakHabaq: Raha isika mijery baolina kitra, ireo  Orang Asli sasany dia mandray izany ho toy ny tay. Woi! Fa dia inona loatra re ry lanitra no mitranga eto e????? #TemiarBlockade

@shakirameer: indraindray miaraka aminà toe-javatra mandrirotra ny #kuin5 sy ny #TemiarBlockade dia manontany tena aho raha toa ka mety hitondra fahasamihafana ny vato narotsatsika… #mahasorena

@edmundbon: #TemiarBlockade Anontanio ny tenanareo raha toa ka nandeha ny rafitra “democratie representative” ampiharintsika? Firy ny MP  OA  ao amin'ny parlemanta ? Firy ny ADUNs?

@lilunumlock: wakil2 rakyat diam saja? Mana ni geng @NajibRazak @anwaribrahim. kata memperjuangkan Hak rakyat? Rakyat diutamakan? #TemiarBlockade

@lilunumlock: Ireo solotenam-bahoaka ve hijanona hipetrapetra-potsiny ? Aiza ny tarik'i @NajibRazak sy @anwaribrahim ? Tsy niteny moa ry zareo hoe hiady ho an'ny zon'ny vahoaka? ny vahoaka no laharam-pahamehana?

Anil Netto, mpanao gazety tsy miankina, dia mihevitra fa tsy maneho tsara ny Pakatan Rakyat io raha resaka fandrisihana ho fametrahana politika mitodika kokoa amin'ny fandrosoana :

Nihevitra aho fa ny mpiandraiki-draharaham-panjakana ao Pakatan dia haneho fomba fijery maranitra, mivelatra kokoa manoloana ny zon'ireo tanim-bazimba. Tadidio tsara ny fomba nankalazàna ny fanjakana Pakatan tao Selangor – ary mendrika azy tamin'izany fotoana – noho ny fanohanany ny Orang Asli tamin'ny adin-dry zareo any.

Raha izany dia inona ary no nitranga tao Kelantan, Nik Aziz? Toa fotoana fohy monja taorian'ny fanohanana mahavaka saina nataon'i Kedah MB Azizan amin'ny fampiasana ny UUCA taminà mpianatra dimy avy aminà kolejy no nahatongavan'io. Tsy dia mampazoto loatra.

Ny tenifototra #TemiarBlockade koa dia niteraka fifanakalozan-dresaka mikasika ny fomba fandraisana an-tànana atao amin'ireo vahoaka vazimba ireo sy ny tsy fahampian'ny fahatsiarovantena mikasika ny zon'izy ireo amin'ny tany nahaterahany

@edmundbon: #TemiarBlockade dia ohatra iray amin'ny tsy fisian-dikan'ireo habobo mikasika ny fahalalahana sy ny habaka fanehoan-kevitra mandalo amin'ny  #PA2011

@fifarahman: Eo am-pamakiana ireo bitsika momba ny  #temiarblockade – mahatsiravina fa natao faran'izay tsinontsinona ny Orang Asli manao hetsika manohitra ny tevy ala.

@vangeyzel: Soa ihany fa izay nitranga tamin'ny  #TemiarBlockade dia naseho vahoaka. Ny fahatsiarovantena no olana. Raha tsy izany, amin'ny herinandro ambony dia ho adino daholo ny zavatra rehetra.

@Ambiga_S: Ampy izay ny fanaovana tsinontsinona ny  OA. Mety ny nataonao ry Siti Kassim, mpisolovava miaro ny zon'olombelona izay nijoro niaraka tamin'ny OA tamin'ny fitakiana ara-drariny izay azy ireo. #TemiarBlockade

@ladymissazira: Rehefa manala ny Orang Asli hiala amin'ny tany navelan'ny razany ianareo, dia mamongotra kolontsaina iray manontolo, rafi-pinoana & fahendrena. #temiarblockade

@VersedAnggerik: Tsy anganon'ny lasa fotsiny ny OAs, na lavenon'ny ala mikitroka. Vahoaka manan-jo ary maniry ny hanajàna ny zony izy ireo #temiarblockade

@MalaysiaforAll: Mandra-pamerina mandinika&mampihatra indray ny lalampanorenana, na lalàna inona no ho anpiharina eo, dia ho ny an'ny maro an'isa foana izay hamela ny vitsy an'isa hiaro samy irery ny tenany.

Ity lahatsoratra ity dia isan'nhy fandrakofanay manokana ny  Vahoaka Vazimba.

2 hevitra

  • Melayu

    Misaotra amin’izao vaovao izao.Nitsidika ireo vahoaka Orang Asli ireo izahay mianakavy t@ 2010,tsy tonga hatrany Temiar fa faritry Kuala Gandah tao Negri Sembilan.
    Tena maro tokoa ny tolona rehetra eran-tany.
    Fa tena faly tokoa ny tenako mahita vaovao @ teny malagasy avy amin’ireo firenena Nusantara mirahavavy.
    Misaotra anareo dia tohizo hatrany e.

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.