Kolombia: Hira Amin'ny Gadona Salsa Manakiana Ny Rafi-Pitaterana Aotobisy Haingam-pandeha

Hira amin'ny gadona salsa sy lahatsary iray no mitantara ny mafy iaretana izay ahafantaran'ireo mpampiasa azy ny fandehanana lavitra amin'ireo rafi-pitateram-bahoaka Transmilenio ao Bogota.

biarticulated bus in Bogota's transmilenio system

CC avy amin'i Carlos Felipe Pardo


Miaraka aminà hanihany sy teny tsotra arahan-tsary maneho ireo fitohanana sy fanararaotana isanandro iaretan'ireo mpandeha, ilay hira amin'ny gadona salsa “Ny tsy ananantsika dia ny seza” dia manohy ny diany any anaty aterineto any. Na dia tsy misy mpanakanto milaza ho tompony aza, izy io dia nakarin'ilay mpampiasa YouTube, emmamikor eo ambany lisansa Creative Commons Attribution. Ao amin'ny seha-pifanakalozan-dresaka Kolombiana, Skyscrapercity, toerana iresahan-dry zareo ny foto-drafitra momba ny fitaterana, efa nametraka sahady ny tonon'ilay hira i transmillen3mundista, izay manoritsoritra ny zavatra iainana raha miakatra anatin'ny Transmilenio efa feno hipoka.

Incómodo voy en Transmilenio, que incómodo voy,
cuidado con las lozas rotas, pilas con los huecos.
Una vieja se subió, de muy mal genio y con mala cara
¿Qué es lo que pasa aquí, que hay tantas damas paradas?
¿Quién me cede un asiento? ¡aquí parece que no hay caballeros!
y yo me sentí indignado, pero con mucho respeto le dije:
Aquí hay caballeros señora, lo que no hay son asientos.
Aquí hay caballeros señora, lo que no hay son asientos. ¡Lo siento!

Tsy mahazo aina aho ato anatin'ny Transmilenio, faran'izay tsy mahazo aina
Mitandrena amin'ireo kapila vaky, jereo tsara ny lavaka.
Miditra ny ramatoa iray, amin'ny endrika vinitra sy marikivy:
Fa inona no mitranga eto e, no toa betsaka izany vehivavy mitsangana ato izany?
Iza amin-dry zareo ireo no hanome ny sezany ho ahy, sahala amin'ny tsy manana lehilahy mahay mitsetra intsony isika eto!
ary dia nahatsiaro leo aho saingy tamim-panajàna no namaliako azy:
Manana lehilahy mahay mitsetra tokoa isika eto, Ma'ama, ny tsy ananantsika dia ny seza.
Manana lehilahy mahay mitsetra tokoa isika eto, Ma'ama, ny tsy ananantsika dia ny seza. Azafady aminao aho!

Ny manaraka dia lahatsary nasiana dikany amin'ny teny Espaniola sy Anglisy:

Na dia ny rafi-pitaterana Transmilenio ao Bogota aza no noraisina ho toy ny ohatra amin'ny fivoarana tsara an-tanan-dehibe tanaty taona maro, dia toa tahaka ny nilaozan'ny fotoana ihany ilay rafitry ny tanàna. Ohatra, raiso ity lahatsary nataon'i Streetfilms ity, izay miantso ny Transmilenio ho “ny rafi-pitaterana aotobisy haingam-pandeha indrindra eto an-tany”. Ao anatin'ilay lahatsary, ny ekipa dia nentin'ny rahalahin'ilay ben'ny tanàna taloha nihondinkodina ary nentin'ireo mpiasa ao nijery ilay rafitra, ary dia sahala amin'ny rafitra iray hafa tanteraka mihitsy izany miohatra amin'ilay naseho tao anatin'ny “Ny tsy ananantsika dia ny seza“. Any amin'ny farany, tena nomarihan-dry zareo fa tsikariny ny fisian'ny fitohanana mandritra ny tontolo andro, ary rehefa jerena ilay izy, dia tsy nisy noraketina tao anatin'izany ny mandritra ireo ora tena mahabetsaka ny mpandeha…

Tsy ireo mpandeha irery no miaritra ny mafy amin'ny olan'ny  transmilenio: rehefa nandefa mpanao gazety iray handrakotra ny ady atrehan'ireo mpandeha rehefa handeha lavitra amin'ny alalan'ny Transmilenio ny news channel Caracol… nisy nangalatra ny paoketrany. Tsy ny tsy fitoniana ihany no olana, araka izay nambaran'ilay mpampiasa Youtube, Punkie54, amin'ny alàlan'ilay fanafangaroana manambatra sary sy lahatsary avy amin'ny fandehanana lavitra amin'ny transmilenio miaraka amin'ilay hira reggaeton “Miray tsy miala fitafy”:

Farany, transmillen3mundista dia mamintina ny toa olana mahazo  ny rafitra Transmilenio : tsy nisy fivoarany.

La ciudad cambia continuamente, todo evoluciona. En 12 años seguimos con lo mismo de años atras, los mismos puentes, las mismas estaciones, el espacio publico. Han habido pocos cambios como el remplazo del piso de las estaciones y puentes por lozas de concreto, y otros detalles menores.
Los cambios son necesarios o caemos en la rutina, por otra parte no falta los que digan que si hacemos algo nuevo son mas costos.
El transmilenio se lleno todo de ese gris maluco; las lozas, estaciones, puentes, portales, humo, etc. Seria bueno un cambio que disminuya tanto gris, como integrando cubiertas verdes, pero ademas con un cambio profundo en el diseño de las dichosas troncales en pro de las zonas verdes…

Tsy mitsahatra ny miova ny tanàna, miova ny zavatra rehetra. Tanaty 12 taona dia zavatra mitovy foana no ananantsika taona maro aty aoriana : ny tetezana teo ihany, ny toby fiantsonana, ny toerana natao ho an'ny daholobe. Zara raha nisy fiovàna kely toy ny fanoloana ny faritra itsahana ao amin'ny toby fiantsonana ary ireo tetezana ho takela-bato ary antsipirihan-javatra kely hafa madinika.
Ilaina ny fiovàna fa raha tsy izany dia hilatsaka anatin'ny fahazarana fotsiny isika, amin'ny lafiny iray hafa dia misy eto amintsika ireo sasany miteny fa raha manao zavatra vaovao isika dia mety ho lafobe izany.  Tototr'izany loko volombatolalaka mandreraka izany ny Transmilenio ; ireo takela-bato, ny toby fiantsonana, ny tetezana, ny fidirana, ny setroka, sns… Mety mba ho tsara ihany ny mahita fiovàna mba hanalefaka izay loko mivolom-batolalaka izay, toy ny fametrahana tafo maitso, saingy koa miaraka aminà fiovàna lalina eo amin'ny fanomezana endrika ireo tsipika fototra manome toerana ny habaka maitso.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.