Yemen: Tsy Azo Samborina i Saleh

Nankatoavin'ny antenimiera ihany omaly ny lalàna manome alalana an'i Ali Abdullah Saleh tsy ho azo samborina sy gadraina famelan-tsazy tanteraka ho an'ny filohan'i Yemen teo aloha Ali Abdullah Saleh rehefa nahemotra in-dimy miantoana ny adihevitra mikasika izany.  Tsimatimanota i Saleh araka izany lalàna izany tamin'ireo heloka vitany nandritra ny fitondrany, tafiditra amin'izany ny famonoana ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny voalohandohan'ny fihetseham-bahoaka manohitra ny fitondrana tamin'ny volana Febroary.

Ny lalàna tany am-boalohany alohan'ny nanovana azy dia efa nanome zo tsy ampiharana ny lalàna ireo rehetra niasa tao amin'ny governemanta Saleh nandritra ny fotoam-pitondrany, novaina anefa izany tamin'ny Alakamisy mba hanomezana famelan-tsazy ho an'ireo voampanga noho ny “antony ara-politika ihany”, tsy tafiditra amin'izany kosa ny fiampangana noho ny kolikoly.

Mpitolona efa taloha be @alguneid ni-tweet hoe:

#Vaovao farany an-taroby avy ao amin'ny antenimieram-pirenena #Sanaa . Mampihetsi-po ny zavamisy, Falyamin'ny fanesorana an'i Saleh avokoa na ny solombavahoaka mpomba na ny mpanohitra azy#Yemen

@alguneid nanampy hoe

#Vaovao farany an-taroby avy ao amin'ny antenimiera #Sanaa solombavahoaka marobe, nitomany, ao anatin'izany ny PM. Tapitra. Vita ny amin'ny Saleh na resaka fitsarana na resaka lalampanorenana #Saleh. #Yemen

Mpamaham-bolongana Yemenita @Afrahnasser ni-tweet toy izao:

#Mitomany ao amin'ny antenimiera ny Praiminisitra Yemenita; mangataka famelan-tsazy ho an'i #Saleh youtu.be/P4xNls91pRc

Lahatsary misy ny  PM mitomany nalefan'i KareemoS izay niteraka fanehoan-kevitra isan-karazany:

Mpanao gazety nahita maso @mohammedalqadhi ni-tweet ny fihetseham-pony:

Te hikikiaka mafy be aho mahita ny praiminisitra mitomany ao amin'ny antenimiera mangataka a'i Yemen handray fanapahan-kevitra ao anatin'ity olana saro-bahana ity!

@ichamza ni-tweet feno vazivazy hoe:

Mila mamolavola lalàna ianao amin'izao tranga ara-politika izao? tsy mila antony tsara na lojika na karazan-javatra mahadikidiky! fa mitomany fotsiny eo anoloan'ny parlemanta! #Yemen #Waa

Mpanao gazety Yemenita, nandrombaka ny loka iraisam-pirenena tamin'ny Fahalalan'ny Fampahalalam-baovao 2011 @KhaledHammadi ni-tweet:

#PM Yemen #Basundowa mitomany ao amin'ny antenimiera mangataka ireo solombavahoaka mba hijery ny volavolan-dalàna mikasika ny tsimatimanota ho fitaovana hialana amin'ny krizy.

Nampiany hoe:

@KhalidHammadi: Nankatoavan'ny antenimiera ao #Yemen ny fanendrena ho filoha lefitra an'i Abdu Raboo Hadi ho kandida tokana ho an'ny antoko rehetra amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 21 Febroary izao

Mpanao gazety tsy miankina @ionacraig, ao Yemen, nanampy hoe:

Nanaiky hankato ny lalàna nasiam-panovana momba ny tsimatimanota ny antenimiera androany. Mila ny sonian'ny filoha lefitra Hadi fotsiny sisa dia mihatra ny lalàna. #Yemen

Nanasongadina ny heloka bevava izay tsy tokony ahazoan'i Saleh famelana malalaka tsy ho azo samborina izy:

@ionacraig: Ireo heloka tsy tafiditra anatin'ny ny famelan-tsazy hita ao amin'ny lisitry ONU: Famonoana olona, vono moka, Vono olona noho ny ady, fanitsakitsahana ny zon'olombelona & herisetra ara-pananahana.

Mpanao gazety Jane Novak nanakiana ny tetikasan'ny Filan-kevim-piaraha-miasan'ny Helodrano [Gulf Cooperation Council (GCC)] tao amin'ny bilaoginy Armies of Liberation :

Mahavariana fa ny drafitra napetraky ny GCC dia manaiky ny antenimiera ho ara-dalàna, nefa efa tapitra tamin'ny taona 2009 ny fe-potoana iasan'izy ireo , ka mampanao an'i Saleh ho tsimatimanota kanefa tsy mangataka ny natao ho tsimatimanota hiala. Fandaniam-potoana sy vola fotsiny izany fifidianana tsy azo lavina raha manohintohina ny petra-kevitry ny Yemenita amin'ny tsy firaharahiana ny fitakiany ny firaisamonina iraisampirenena. Demokrasia ankosotra ao anatina fampiharana ny mifanohitra amin'ny demokrasia tanteraka. Mametraka drafitra manome tanjaka ireo antoko politika efa miorina sy ny vato nasondrotry ny tany amin'ny toerana mihoatra noho izay ametrahan'ny vahoaka azy ny GCC.

Ni-tweet ny hadisoam-panantenako koa aho:

@NoonArabia: Ahoana ny fiovana vaovao ao #Yemen no natomboka tamin'ny tsy fanasaziana?! Diso fanantenana izaho sy ny Yemenita maromaro, toy izany koa ny fianakavian'ireo maritiora.

@Amal_Nasser namaly hoe:

@NoonArabia fiovana vaovao ho an'i saleh fa tsy ho an'i yemen. mbola tsy tafarina amin'ny fahantrana nafitsok'i #Saleh ny firenena !

Namaly i @HatemRushdi sady nampitaha ny tranga nahazo ny filoha Ejypsiana teo aloha Hosni Mubarak:

Tsara ve sa ratsy ny vazivazy misy eo amin'ny fitsarana eto amintsika? Tsy mino aho, angamba tsara raha miova, angamba tsia

@abdullaht ni-tweet araka ny zava-misy:

Nankatoavin'ny antenimiera androany ny lalàna tsy fahazoa-manasazy an'i Saleh, andro mainty ho an'ny tantaran'ny fitsarana, kanefa fotoana izao handrosoana izao sy hananerana ny firenena!

@SummerNasser namarana somary lavalava hoe:

Tsy saziana i Saleh, fa tsy ahiako izany satria mbola ho avy ny fanasazian'Andriamanitra azy. Na eto an-tany izany na aoriana.

Nilaza i Malcom X fa “manohana ny fahamarinana aho, na iza na iza miteny azy. manohana ny rariny aho, na izay manohana na iza manohitra.”

Vavolombelona tamin'izay zava-nitranga nahazo ireo mpanao didy jadona namoy ny ainy izahay nandritra ny Lohataona Arabo . Tao Tonizia, nitsoaka haingana tany Arabia Saodita i Zine Al Abedeen Ben Ali, Ilay Libyana Muammar Gaddafi kosa niharan'ny fahafatesana feno herisetra, Mubarak indray voaheloky ny fitsarana ary Saleh kosa ankehitriny mahazo ny loka tsara indrindra izay mbola tsy azon'ny mpanao didy jadona mpandatsa-drà- dia ny tsy fahazoa-manasazy azy.

An-tapitrisany ireo Yemenita nidina an-dalambe nandritra ny volana maromaro ho fanoherana ny fanaovana an'i Saleh ho tsimatimanota sy ny fitondrany noho ny fifampiraharahana natao tamin'ny GCC, ka efa nankatoavin'ny antenimierana izay manitsakitsaka tanteraka ny zo iraisam-pirenena sy ny fitakiam-bahoaka. Andro mainty ho an'ny fitsarana ny fampiharana izany lalàna izany izay mitondra mankany amin'ny fiafaran'ny fitondran'i Saleh nandritra ny 33 taona, na izany aza pejy vaovao izao no hizoran'ny tantaran'i Yemen, na manaiky isika na tsy manaiky ny fomba namolavolana izany lalàna izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.