Jordania: Avia Avia Fanala ô!

Ela ny ela tonga ao Jordania ihany rehefa ela niandrasana ilay vahiny fotsy, rehefa nandalo indroa ny hatsiaka maina dia tonga izy saingy nitsonika vetivety. Mbola tsy niangona akory dia efa nitondra hafaliana sy haravoana ho an'ireo niandry azy.

Vantany vao nirotsaka tany amin'ny faritra be tendrombohitr'i Jordania ny ranomandry (arivo metatra ambonin'ny haavon-dranomasina) dia nandriaka tao amin'ny twitter sy facebook ny sary sy ny lahatsary. Manao ny asam-pitanteram-baovao tsara ny ao Jordania rehefa saiky manana finday ahafaha-miserasera aterineto tsy manam-pahataperana avokoa ny rehetra. Tsy miresaka ranomandry sy toetr'andro ihany ny mpiserasera fa manome vaovao farany momba ny toetry ny fifamoivoizana ateraky ny ranomandry mampitandrina ny lalana malama etsy sy eroa.

Hanin Abu-Shamat, @HaninSh, nisiokantsera ity sarim-panala nirotsaka  tany amin'ny faritr'i Amman ity:

Ranomandry ao Amman, Jordania. Sary: Hanin Abu Shamat, nozaraina ao @ Flickr

Elwan Bader, @kharooof nisiokantsera ity sary ity tao amin'ny Araben'ny mpanjakavavy Rania na ny Araben'ny Anjerimanontolo:

A photograph of snow on Queen Rania Street in Amman. Photo shared on Twitter by Alwan Bader

Sarin-dranomandry arabe anjerimanontolo ao Amman. Sary hita ao @ Twitter namoaka i Alwan Bader

@BaselAnabtawi dia monina ao lDubai, Emirà Arabo Mitambatra, ary  ni-tweet ity sary ity izay nalefan'ny anabaviny monina any Amman:

Ralehilahy, ny hita hatreo an-tranonay ao Amman! milatsaka ny ranomandry .. Vao nandefa azy ity ny anabaviko! Mashallah, ankafizo #amman

Snow from Basel Anabtawi sister's house in Amman, Jordan. Photo shared on Twitter

Ranomandry avy amin'ny anabavin'i Basel Anabtawi ao Amman, Jordania . Sary hita ao @ Twitter

Sary no-tweeten'i Dima Haddadin (@Haddadin) mampiseho zatovolahy mandrindra ny fifamoivoizana rehefa simba ny jiro telo soratra ka mampirehareha ny Jordaniana mpiserasera amin'ny famahan'ny olona ny olana tahaka ny fifamopivoizana. Miresaka momba ny sary ny olona ka mifampizara izay ao amin'ny tambajotra sosialy:

A young Jordanian directs traffic after the traffic sign broke down. Photo shared by Dima Haddadin on yfrog

Tovolahy mandrindra ny lalana rehefa maty ny jiro telosoratra. Nizara ny sary i Dima Haddadin hita ao @ yfrog

Lahatsary sary momba ny firotsahan'ny ranomandry no ifampizaran'ny mpiserasera manerana an'i Jordania. Indreto ny lahatsary nozaraiko YouTube ahitana firotsahan'ny ranomandry any amin'ny toerana roa ao Amman:

http://www.youtube.com/watch?v=jlX7_mEPf8Y

http://www.youtube.com/watch?v=d4m9D1oD24Y

Izany rehetra izay dia mampiseho fa mitondra hafaliana sy haravoana ho an'ny vahoakan'i Jordania ny ranomandry ary antenainy fa hitondra ranomandry bebe kokoa any amin'ny faritra iva ao Amman ny hatsiaka ho avy, izay mirotsaka ambanin'ny arivo metatra ambonin'ny haavon'ny ranomasina.

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.