Iran: Mihamafy Ny Sazy, Ary Mitotongana Ny Lanjan'ny Vola Iraniana

Miatrika safodrano ara-toekarena ry zareo Iraniana satria very lanja isanandro ny vola nasionaly (Rial) noho ny fahamafisan’ireo sazy mihatra amin'ny solika Iraniana sy ny rafitra ara-bola. Natakalo eo ho eo amin'ny 20,000 Rial ny dollar Amerikana iray ny Sabotsy teny amin'ny varo-mazina, raha 18,000  izany andro iray talohan'izany.

Manome tsiny an'i Mahmoud Ahmadinejad ireo mpitoraka bilaogy sasany noho ny tsy nahatanterahany ireo fampanantenana ara-toekarena. Milaza [fa] i Fasl tazeh:

Ankehitriny dia atakalo eo amin'ny manodidina ny 2,200 tomans (22,000 Rial) eo ny dollar iray ary nitsidika an'i Mashhad i Mahmoud Ahmadinejad mba hiresaka momba ny Taziyeh [taokanto ara-pinoana].

Nikahang Kowsar, Image from Roozonline

Nikahang Kowsar, Sary avy ao amin'ny Roozonline

Milaza i Harfayi az Tahe Del:

 

Nanao  an'i Iran sy ny vahoaka ny ho takalon'aina ny fitondrana Iraniana [Velyate Faghieh] noho ny angovo nokleariny tsy misy ilàna azy…. mitotongana ny toekarena… miandry antsika ireo andro maizina… na mivavaka aza tsy misy zavatra hiova… Fahantrana sy Fahoriana no hany mba omen'ity fitondrana ity sy ny angovo nokleariny ho an'ny vahoaka Iraniana.

Manoratra am-panesoana ny mpitoraka bilaogy Sight [fa], fa zavatra ratsy ny “mahatonga ny ankamaroan'ny vahoakantsika ho mpanana an-tapitrisa. Mila manana vola vita volamena iray ianao raha te-hahazo tomans iray tapitrisa”.

Manoratra i  Hamdel [fa]:

… Raisin'ny vahoaka ho tsy marin-toerana ny raharaha ara-toekarena sy politikan'ny Repoblika Islamika ka mamadika ny Rial ho Dollar, Euro ary volamena izy ireo. Mirona mankany amin'ny làlana izay tsy ahitana fanafany ho an'ny fandrosoan'ny raharaha ara-toekarena sy ara-politika ny Repoblika Islamika. Raha ny mahakasika ny raharaha ara-toekarena, afaka mampitaha an'i Iran amina orinasa maty antoka isika. Raha jerena indray ny lafiny politika ivelany, tafalatsaka anatina toerana ratsy indrindra nandritra ireo 30 taona lasa i Iran ary teo ambany fahefan'ny mptarika Iraniana Ayatollah Seyed Ali Khamenei. Betsaka dia betsaka ireo mpiasa no very asa ary nitotongana ny fahefa-mividin'ny vahoaka.

Naminavina ny fianjeran'ny Rial efa ho tapa-bolana lasa izay i Dara2011. Miteny[fa] io mpitoraka bilaogy io hoe :

… hatramin'ny Fanovàna / Revolisiona Islamika, tsy miraharaha ny toekarena ireo mpitondra ary te-hijanona fotsiny eo amin'ny fahefana ihany. Nandritra ny fitondran'i Ahmadinejad dia mbola very lanja lavitra noho io ny raharaha ara-toekarena. Teo ho eo amin'ny 70 Rial teo ny dollar iray tamin'ny taona 1979 ary amin'izao fotoana isika dia mividy izany aminà 14,000 rial satria efa ho lasa 2,000 tomans ny lanjan'ny dollar iray. Lasa Zimbaboen'ny Afovoany Antsinanana ve i Iran, miaraka amina vola nasionaly tsy misy lanjany?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.