Sina sy Hong Kong: Raikitra Ny Adin'ny Mpiray Sisintany Tao Anaty Fiarandàlamby

Lahatsary iray ao amin'ny YouTube mampiseho fifamaliana tao anatinà fiarandàlamby tany Hong Kong, teo aminà mpizaha tany iray avy any amin'ny tanibe Sina izay nokianin'ireo mpandeha noho ny fihinanany sakafo niaraka tamin'ny zanany tao anatin'ny fiara, no niteraka adihevitra goavana teo amin'ny Sinoa avy any amin'ny tanibe sy ny mponina ao Hong Kong. Ary satria tsy mbola tafakatra ambony tsara ny maripana, dia mpampianatra iray ao amin'ny Anjerimanontolon'i Pékin, Kong Qingdong, no nanampy trotraka ilay ady tamin'ny fanamarihany tao amin'ny fahitalavitra iray tany amin'ny tanibe izay tena arahan'ny mponina ao Hong Kong tahaka ireny “alika kely” ireny [lapdogs].

Ireto ambany ireto dia ny tatitry ny vaovao ao an-toerana mikasika ny fifamaliana tao anaty fiarandàlamby ny 15 janoary 2011. Mpampiasa ny Youtube, “Languagelover7″, no nanampy dikanteny tamin'ny fiteny anglisy tery ambony amin'ny fàfana :

Ny kinova mbola tsy navoaka dia afaka jerena eto [zh]. Nahasarika olona maherin'ny dimy tapitrisa izany tao anatin'ny efatra andro. Eto ambany eto dia ahitàna fanazavàna ity raharaha ity avy amin'ny fomba fijery ao Hong Kong:

當天與女友在紅磡站上車,上車後近我的兩排位都坐滿人,一邊一個­­大人三個小孩,一邊即是三個大人以及他們的行李。當時都不以為­然­;後來看到那個媽咪張一包童星點心麵倒進她旁的小孩手中,而­另外­兩個女孩則有一個拿著糖包。及後雙手捧著一堆點心麵的小孩­不小心­將一些灑到身上及地上。看到這個程況,我便以我有限的普­通話,指­著不准飲食的牌向他們說:不好意思,這裡不能吃東西。­之後…..­換來一輪啾呼叫。那媽咪說只是小孩子吃,以及正在收­起,問我為何­要多事…..我向他說剛才我都有見你放進自己口中­,你也有吃….­.其實講左幾句我都知冇結果,誰知這時他們對面­的友伴邊笑邊出聲­:佢地說得真是很差!我很火用廣東話同佢地講­:我係講得差!呢度­係香港人的地方,你同我講返廣東話。這時他­們有一句沒一句繼續講­,這時有位見義勇為的男仕出聲:收聲啦!­好嘈呀!繼續食呀好唔好­?自己做錯野仲嘈,要唔要叫職員呀?當­那班人還在嘈時,男仕在旺­角東站按著車門,等職員過來。而我亦­第一時間下車向職員揮手叫他­們過來。之後你地都響YTUBE度­見到晒

Tamin'iny andro iny, aho dia niaraka tamin'ny sipako tany amin'ny Hung Hom Station. Efa feno daholo ny toerana tao anatin'ilay fiara. Tery ampita, nisy olon-dehibe niaraka tamin'ny zanany telo, ary teo amin'ny ilany kosa, nisy olon-dehibe miisa telo niaraka tamin'ny entany. Nony afaka kelikely dia, hitako ilay renim-pianakaviana nandraraka “nouilles” teo amin'ny tànan'ny iray tamin'ireo ankizy, raha nitazona “bonbons” vitsivitsy kosa ny roa tamin'izy ireo. Ilay zaza iray niaraka tamin'ny “nouilles” dia, nanary ny sasany teo amin'ny akanjony  ary ny sasany teny amin'ny tany. Nampiasaiko ny teny Mandarin kely mba haiko [fiteny Sinoa avy any amin'ny Tanibe Sinoa], nanondro ny soratra hoe “No eating allowed” na “Tsy azo hihinan-kanina” izay misoratra tao anatin'ilay fiara, ary niteny azy ireo hoe: ‘Azafady, tsy afaka misakafo ato ianareo’. Izay nitranga taorian'izay dia fiarovan-tena fotsiny. Niteny ilay renim-pianakaviana fa ireo ankizy ihany no nihinana, ary andeha halainy hiala teo ireny, ka tsy misy tokony hidirako izany… Niteny azy aho fa nahita azy nihinana soa aman-tsara… Fantatro fa tsy hovoaovako ny fombany ary efa saika nangina mihitsy aza aho, kanefa avy teo ilay namany nipetraka teo ampita dia, nihomehy sy naneso ahy hoe: “Tena ratsy be ny Mandarin-dry zareo”. Tonga aho dia tezitra be ka navadiko tamin'ny “Cantonais” ny resako: ‘Tena ratsy be ny Mandarin-ko!. Hong Kong ange ity e, tokony hiresaka amin'ny fiteny “Cantonais” ianao!’ Mbola niaro tena tamin'ny fampikaram-peo ihany izy ireo. Nijoro teo anilako ny lehilahy iray tao anaty fiara ary niteny mihitsy hoe: “Mangina! Tena mitabataba be ato izany! Ny hanina hohanina OK? Inona no mampikikiaka anao eo rehefa hita fa diso ianao? Tianao hiantso ny tompon'andraikitry ny fiarandalamby aho?” Satria mbola nanohy ny fampiakaram-peo izy ireo dia, notsindrin'ity lehilahy ity ilay bokotra kely mba hiantsoana ny tompon'andraikitry ny lamasinina nony tonga teo amin'ny fiantsonana manaraka ny lamasinina. Ary nomeko marika ny tompon'andraikitry ny lamisinina mba handray an-tanana ity raharaha ity. Inona no nitranga avy taorian'izay, azonao jerena ao amin'ny YouTube ny lahatsary.

Misy fanehoan-kevitra roa lehibe momba ilay lahatsary tao Hong Kong. Ny sasany manao fanakianana hoe tsy ampy fanajàna ny Sinoa avy any amin'ny tanibe; ary ny sasany mieritreritra fa tsy misy antony tokony hanaovana ady be toy izany. Ny fanehoan-kevitra tena nalaza indrindra dia ny tao amin'ny YouTube nataon'i suilaam321:

@MrDrxchannel 請問你有看part1了嗎 你有聽到片主被嘲笑嗎? 中國大陸沒這麼糟糕?也許是小部份人吧 暑假最多中國大陸人來香港的時候 我分別去了香港迪士尼和海洋公園 但情況是 無論去到那一個主題公園 都會有大陸人插隊 當然我沒有說全部大陸人都這樣 也許你會說香港人也一樣 但香港人一般被指責後 都會乖乖排隊 我遇到的卻是 我只說叫他們不要插隊 同行插隊的那個女人便開始發爛 說前面有人幫排隊之類 試想想如果每個人都這樣 會有秩序嗎? 最後我只好找職員 那個人卻理直氣壯說 邊隻眼見到佢有插隊? 最後卻鬧多事 以粗口相對 請問這還又是否需要容忍?

@MrDrxchannel Hitanao ve ny tapany voalohany? Tsy hitanao ve fa nanalàn'ny olona ilay lehilahy? Tsy ratsy toy izany ve ny tanibe  Sina e? Fa mety ho ny vitsy an'isa amin'izy ireo ihany. Nandritry ny fialan-tsasatra lehibe rehefa nandeha nizaha tany any amin'ny tendrombohitr'i Hong Kong ny mpizaha tany avy amin'ny tanibe Sina, dia nankany Disneyland sy Ocean Park aho. Na taiza na taiza nalehako, dia nahita Sinoa avy any amin'ny tanibe hatrany aho mangalatra laharana rehefa misy filaharam-be. Eny e, tsy ny rehetra avy any amin'ny tanibe akory no toy izany. Mety hiteny angamba ianao hoe mitovy amin'izany koa ny olona. avy any Hong Kong. Kanefa kosa raha ny mponina ao Hong Kong, rehefa ilazanao izay tsy mety ataony, dia miverina avy hatrany amin'ny laharany izy. Raha nangataka taminà Sinoa iray avy amin'ny tanibe aho mba tsy handingana laharana, avy hatrany ilay vehivavy dia nitapitapy sady nilaza fa ny sasany ihany koa aza nandingana laharana. Raha hanao toy izany avokoa ny rehetra, dia mba hisy filaminana ve ny fiaraha-monina? Niantso ny tompon'andraikitra aho. Kanefa ilay vehivavy dia nilaza fa tsy nisy porofo akory ny fandinganany laharana, sady nanozona ahy no nilaza fa tsy nisy hidirako, hono, izany. Tsy maitsy mandefitra amin'izany ve isika?

Ho toy ny valinteny azo avy amin'ny Sinoa avy any amin'ny tanibe, mba nisy ihany ireo tonitony na dia manakiana aza, toy ny iray izay nataon'i Wen Yunchao tao amin'ny Facebook [zh]:

港人很讨厌在地铁上吃东西的大陆人,因为地铁规定说不能在地铁上吃东西且吃东西的是大陆人;但港人不会讨厌在公车上大声讲电话一讲一路的港人,一则是因为没有规定禁止,二是因为讲电话的是港人。这些都与素质和文明无关。

Ny vahoaka ao Hong Kong dia mankahala ny avy amin'ny tanibe izay misakafo ao anaty lamasinina satria araka ny fitsipika misy amin'ny fiarandàlamby, dia voarara izany. Ambonin'izany koa, ireo avy any amin'ny tanibe no tsy manara-dalàna. Kanefa ny vahoaka ao Hong Kong tsy mankahala olona mampiaka-peo anaty fitateram-bahoaka, satria tsy misy fitsipika manakana an'izany, ary izay ny vahoaka ao Hong Kong miresaka. Tsy misy idiran'ny fitondran-tena mendrika na ny fandrosoana amin'izany.

Ny fanehoan-kevitra tena nahabe resaka avy any amin'ny tanibe Sina dia nalaza be tamin'ny 19 Janoary izay nandeha mivantana tamin'ny fahitalavitra, ary tamin'izany dia nanambara ny Profesora Kong Qingdong avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Beijing fa ny ankamaroan'ny olona ao Hong Kong dia voakaraman'ireo mpanjanaka azy avokoa hany ka toy ny alika kely manjohy ny tompony ihany.

Nanampy dikanteny amin'ny teny Anglisy teo amin'ity lahatsary ity ihany koa ihany koa i Languagelover7 ary nakariny tao amin'ny YouTube:

http://www.youtube.com/watch?v=a2uINfAKOxc

Ny fihenjanana misoko misy amin'izao fotoana eo amin'ny Hong Kong sy tanibe Sina dia misy ifandraisany amin'ny tandindon'ny governemantan'i Beijing  any Hong Kong – araka ny hita tamin'ny fitsidihana tamin'ny fomba ofisialy nataon'ny Praiminisitra lefitra, Li Keqiang tamin'ny Aogositra 2011. Nanomboka niseho ny fihenjanana ara-politika ary tsikaritra izany tamin'ny fifanolanana ara-kolontsaina sy sosialy maro tato ho ato, toy ny zavatra manafintohina momba ny tsy fahampian'ny fangaron'ny vovo-dronono ho an'ny zazakely; ritin'ireo vehivavy bevohoka avy any amin'ny tanibe ny tahirin'ny hopitaly ao an-toerana; ny “fidirana ankerin'ireo” mpizaha tany Sinoa avy any amin'ny tanibe;  ary ny foto-kevitra ofisialy ijoroan'ny fiteny Cantonais ao Hong Kong.

Ireto ambany ireto dia misy valinteny mafanafana kokoa tamin'ny fanadihadiana teo amin'ny Kong's TV izay tafatafa nataon'i Tinykylei tao amin'ny vovonana misy azy [zh] (sic) ny 20 Janoary, nahitàna fanontaniana mivelatra kokoa:

WOW … Misy dikanteny amin'ny fiteny Anglisy izy ity ary mazava tsara ihany ny dikanteny… tsy mampino hoe ny  Sinoa Avara-pianarana avy any amin'ny tanibe no nahateny zavatra toy izany – Nahoana ny olon-drehetra no voatery hiteny Mandarin ? Zon'ny olona ny ho afaka miteny amin'ny fitenin-drazany kanefa kosa raha miteny ianao hoe ireo olona avy any amin'ny tanibe dia mitabataba fotsiny ao Hong Kong, fa ireo olom-pirenena avy ao HK miresaka amin'ny fiteny Cantonais ambara ho  “alika” fa tsy olo-mandroso… azonao averina ve ny zavatra nolazainao teo? Ny olona ao Hong Kong ihany koa ange ka mba  miresaka amin'ny fitenin-drazany e… Leo anareo CCP (antoko kaominista Sinoa) sy ireo voasasa atidoha avy any amin'ny tanibe aho – tohizo ihany, tohizo ny fandefasana ny Sinoa avy any amin'ny tanibe hifangaro amin'ny olona ary avelao ireo mpanankarena avy any amin'ny tanibe hividy trano sy hipetraka aty, ireo mahantra avy any amin'ny tanibe mba hiteraka sy hahazo tombony ara-pahasalamana, ary hanenika ny tànana, tokony hovonoinareo any avokoa ireo avy any HK teraka talohan'ny 1997.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.