Tanora Mpangalatra Tao Indonezia Ary ‘Tantara Ratsin'ny Kapakapa’

Ny polisy tao Sulawesi renivohitr'i Palu, ao Indonezia dia nidaroka ankizy lahy kely iray vao dimy ambiny folo taona antsoina hoe A.A.L ary nandrahona ny hanagadra azy dimy taona taorian'ny filazana azy ho  nangalatra kapakapa misanda 1$ an'ny polisy iray. Nahatezitra olona maro izany tranga izany ka nanomboka nanao ny ‘Hetsi-panoheran'ny Kapakapa’ tamin'ny fametrahana kapakapa teny anoloan'ny paositry ny polisy manerana ny firenena izy ireo.

Araky ny nambaran'ireo mpanao hetsi-panoherana, ilay ‘Hetsi-panoheran'ny kapakapa’ dia nanasongadina ny tsindry hazolena mahazo ireo mahantra raha toa ny mpanan-karena sy ny matanjaka izay tratra manao kolikoly ka mahazo fikarakara manokana avy amin'ireo polisy

Io no tranga farany niseho tamin'ireo zava-niseho mateti-pitranga tato ho ato avy ao Aceh  hatrany Bima ary avy ao Lampung hatrany Cilacap izay nahitàna ireo polisy namely ireo zanantsika ary ny fanampàran'izy ireo ny fahefany. Kanefa leo ny mponina ka nanomboka nanao ‘tondraka kapakapa’ mba hanehoan'izy ireo ny tsy fankasitrahany. Ankehitriny, nitankemotra ny polisy ary tsapan'ny governemanta ny hafanana. Raha afaka nanao fanangonan-tsonia goavana iray isika halefa ho an'ny Filoha Yudhoyono, dia mety hahavita hanery azy hibaiko ireo polisy ireo ary hanomboka hanao ny fanavaozana lalim-paka.

Tanaty aterineto,  fanangonan-sonia iray no natao mba handrisihana ny filoha hametraka fanavaozana amin'ny fomba fanatanterahan'ireo polisy  ny andraikiny

Ho an'i Filoha Susilo Bambang Yudhoyono :

Tahin'ilay tantaranà kapakapan'i A.A.L, mangataka aminao izahay mba hampitsahatra ny herisetra amin'ny ankizy, hanao fizahana ifotony ao amin'ny polisy, ary hametraka drafitr'asa fanavaozana mba hanatanterahan'ireo polisintsika ny andraikitr'izy ireo ara-dalàna manoloana ny sivily. Fotoana ho anao izao hijoroana miaraka amin'ny vahoaka Indoneziana — matoky anao izahay amin'ny fandraisana ny fanapahan-kevitra rehetra mba hahatongavana amin'ny hoe polisy miasa ho an'ny vahoaka fa tsy hoe manohitra vahoaka.

Kanefa i Jakartass dia manamarika ny fetran'ireo fanentanana ho fanangonan-tsonia

Avelao ny tsindry hiakatra avy any anatiny, izany no sosokevitra atolotro. Tsy hahavita na inona na inona izany fanentanana izany, fa ny fanaovana ny polisy ho toy ny gidro amin'ny fanolorana azy ireo akondro dia fanarabiana tsy antony hisamborana. Handray  kanefa dia ho raisin'izy ireo an-tanana izany, kanefa dia handray lesona ry zareo. Ny fanehoan-kevitra tsy misy herisetra eo aloha dia mety hisy fiantraikany sady tranga mendrika ho an'ny filazam-baovao.

''Kapakapa ho an'ny Rariny'. Sary avy ao amin'ny pejin'ilay fanangonan-tsonia tao amin'ny avaaz.org

Donny Syofyan dia manolotra fanafàna vitsivitsy hiarovana ny zon'ny ankizy

Vokatr'izany no ilàna tribonaly ho an'ny ankizy izay misy dikany tokoa, izay hisoroka ny fitanana am-ponja ny ankizy. Tokony hisy ny trano fanarenana, toy ny kilasy mandry na efitrano fatoriana manokana, ho an'ireo ankizy izay manana olana ara-pitsarana.

Ny governemanta sy ny Antenimiera dia mila miteny “eny” mba handaniana ilay volavolan-dalàna tsy misy hatak'andro. Ilay volavolan-dalàna dia tokony hihaino ny fametrahana fitsarana manarina miaraka amin'ny fomba fijery manome vahana ny fanelanelanana sy ny famerenana ho anaty fiaraha-monina miohatra amin'ny fanasaziana.

Ny tsy fisian'ny rafitra ara-pitsarana eto amin'ny firenena misahana ny fomba fitondrana ny tanora mania dia matetika mandrisika ireo mpampihatra lalàna handray fanapahan-kevitra hanasazy.

Armando Siahaan dia manoratra mikasika ny ‘Fanarabiana mirongatra’ ao amin'ny rafitra ara-pitsarana ao Indonezia.

Raha toa ireo mpampihatra lalàna ireo ka handeha hanenjika ny kolikoly avo lenta amin'izany fomba nanaovany ilay ankizy lahy nangalatra kapa iray izany, dia mba alaivo sary an-tsaina kely amin'izany ange ny mety ho fanadiovana ity firenena ity e.

Nefa azo antoka fa misy fanafàna iray tsy hitondràna azy ireo eny amin'ny fitsarana ihany. Ny fanamelohana azy ireo dia mety hametraka ireo ankizy ireo eo amin'ny toeran'ny mpanao heloka be vava ary hitarika olana ara-tsaina izay mety hisy fiantraikany amin'ny ho aviny.

Indrisy anefa, ilay raharahan'ny kapakapa dia ohatra iray hafa amin'ny fanabarabarana misy eto amin'ny rafitra ara-pitsarantsika. Mora ny misambotra ireo ankizy nanao hadisoana, fa kosa sarotra be ny misambotra ireo tena trondro be.

Protrait Indonesia dia mamaritra ny fihetsik'ireo mponina taorian'ny nampahafantarana ampahibemaso ilay fidarohana ankizy nataon'ny polisy

Nisy fampiakaram-peo nasionaly kely ihany ; ary mazava ho azy fa na ireo mpitsara mpitarika fivavahana aza dia nanohitra ny maha henjana io fanasaziana io. Haingana dia haingana ny filazam-baovao namoaka ny maharatsy ilay fanapahan-kevitra navoaka milahatra amin'ny fomba fitondràna ireo politisiana sy ireo mpandraharaha izay voalaza fa nanao kolikoly. Ireo olona enjehana noho ny halatra dolara an-tapitrisany dia volana vitsivitsy monja no mijanona any am-ponja misy fanaovana fanatanjahan-tena, “spa” ary efitrano fisakafoana manokana. Ary farany, voampanga ihany ilay zazalahy kely kanefa nalefa nody mba hanasitrana ny fery noho ny nataon'ny polisy azy, tsy nisy afa-tsy fampitandremana lehibe no solon'ny fanasaziana.

Nomadlife dia manohana ilay ‘Hetsi-panoheran'ny kapakapa’

Mahafinaritra ny mahita fa mihamafy ny hetsika avy en,y ifotony eto Indonezia. Aman-taoniny ny zava-tsy manjary iainantsika izay mila aseho an-karihary.

Colson dia miantso ilay hetsika ho toy ny hoe ‘miady amin'ny fanabarabarana marikivy amin'ny alalan'ny fanabarabarana mahafinaritra’

Hetsika iray- “kapakapa 1000 ho an'ny Komandàn'ny polisy nasionaly” – no natao tao amin'ny trano fandroan'ireo lehilahy manao fanamiana miaraka amin'ny kapa. Toy ny tendrombohitra ireo kapa naterina teny amin'ny paositry ny polisy.

Toy ny tokony ho fitrangany no nitranga : miady amin'ny fanabarabarana marikivy amin'ny alalan'ny fanabarabarana mahafinaritra.

Heveriko fa ny fomba tsara indrindra amelezana ny avona ara-pahefan'izy ireo dia ny fiatrehana ireo olona ireo aminn-kafetsena. Toy iny hetsika am-pilaminana izay nanehoan'ny olona fa tsy misy hadalain'ireo instony.

Fankatelemana ho an'ny hevitry ny vahoaka izay mialoha làlana ny an'ny Polisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.