Tonizia: ”Aza Sivanina Ny Votoaty Vetaveta”

Indray mandeha indray, taorian'ny fotoam-pitondran'i Ben Ali, miverina eo anivon'ny fifanakalozan-dresaka indray izao ny sivana sy ny fahalalahana miteny. Ny antony tamin'ity indray mitoraka ity dia ny fitarainana napetraky ny mpisolovava telo manohitra ny Masoivoho Toniziana misahana ny Aterineto [Ang] ( fantatra amin'ny hoe  ATI raha ny fanafohezana azy amin'ny teny Frantsay) izay mandidy ny hanivanana ireo vohikala mandefa votoaty vetaveta.

Vao miandoha io volana ho avy io, ny ATI dia hanao fampakarana eny amin'ny Fitsarana Ambony (ny fitsarana faratampony fanaovana fangatahana fandravàna didy) ny didy navoaka tamin'ny 26 May 2011, avy amin'ny fitsarana iray ao Tunis mandidy ny masoivoho mba hanakana ny fidirana amin'ny votoaty miresaka vetaveta eny anivon'ny aterineto.

Ny ATI, izay efa resy tamin'ny fampakarana natao ny 15 Aogositra 2011, dia milaza fa “tsy azon'ireo mpanome tolotra aterineto miisa dimy nataon'ny Smart Filter anaty lisitra atao ny manatanteraka ilay fanivànana vohikala.” Etsy andaniny, ireo mpisolovava izay nametraka ny fitarainana dia miteny fa ny fanivànana ny votoaty miresa-betaveta dia hiaro ny ankizy mpitsidika ny aterineto.

Tsy alaolana ny sivana :

Ny Masoivoho Toniziana misahana ny Aterineto, vonona amin'ny fomba rehetra hamaràna ny sary nomena azy ho toy ny mpanivana ny Aterineto nandritra ny fitondran'i Ben Ali, dia misafidy ny hanaitra ny fahatsiarovantenan'ny mpampiasa aterineto, sy indrindra indrindra fa ny ray aman-dreny amin'ny fanomezana azy ireny toro-hevitra tonga dia azo ampiharina amin'ny fampiasàna rindrambaiko fanarahamason'ny ray aman-dreny, fa tsy fanakànana vohikala.

Ilay masoivoho dia nibitsika tamin'ny 13 Janoary hoe [Fr]:

La #Censure d’ #Internet n'est pas la solution, informez-vous sur comment protéger vos enfants sur: http://www.ati.tn/fr/index.php?id=125

Tsy alaolana ny sivana atao amin'ny aterineto, ianaro ny fomba hiarovana ny zanakareo amin'ny fampiasàna ity rohy ity: http://www.ati.tn/fr/index.php?id=125 [Fr]

Mehdi Lamloum dia nanoratra tamin'ny 3 Aogositra 2011 hoe: [Fr]

Les tunisiens ont depuis longtemps eu accès aux contenus pour adultes et ce à travers les récepteurs satellites(…)

Une solution simple : le contenu pour adulte était là, disponible mais non accessible sauf si on avait le mot de passe (…)

L'exposition à un contenu pour adulte n'est donc pas “un danger” nouveau pour la société tunisienne ou “une menace” inédite comme le laissait supposer la plainte mais bel et bien d'une situation “habituelle” depuis plus d'une dizaine d'années à laquelle nombre de foyers tunisiens avait trouvé une solution simple.

Il suffirait donc de demander aux FSI d'ajouter une case à leur formulaire d'adhésion à une ligne ADSL “Limiter l'accès au contenu pour adulte”.
On appelle cela le contrôle parental

Efa hatry ny ela ny Toniziana no tafiditra tamin'ny votoaty natao ho an'ny olon-dehibe, tamin'ny alàlan'ny fitaovam-pandraisana mampiasa zanabolana.
Vahaolana tsotra: azo asiana votoaty ho an'ny olon-dehibe saingy fomba tokana no hidirana aminy: rehefa manana tenimiafina isika (…).
Noho izany, tsy “loza”, na “horohoro” ho an'ny fiarahamonina Toniziana ny fisian'ny votoaty ho an'olon-dehibe, araka izay nambara ao anatin'ny fitarainana (mamely ny ATI). Ho solon'izay, ary nandritra ny am-polotaona, efa toe-javatra iray ”nahazatra” izany, izay fomba tsotra sy alaolana efa nampiasain'ireo tokantrano Toniziana.
Tokony ho ampy ny fangatahana ny ISP (orinasa mpanome tolotra aterineto) mba hanampy fepetra ao anaty taratasy fifamatorana ho an'ny DSL hoe ”Famerana ny fidirana amin'ny votoaty natao ho an'olon-dehibe.” Izay ilay fanarahamason'ny ray aman-dreny.

Ireo Toniziana mpiondana aterineto sy mpiaro ny fahalalahana miteny, izay manohana ny fahalalahana tanteraky ny aterineto, dia mino fa ny fanivànana ny resa-betaveta amin'ny aterineto, dia ho azo ampiasaina hameperana ny fahalalahana miteny, ary izany dia hanamboatra làlana ho an'ny fiverenan'ny sivana.

Dhouha Ben Youssef, bilaogera ao amin'ny bilaogy itambaram-be  Nawaat, dia maneho ny ahiahiny momba ny fiverenan'ny  Ammar404 (anaram-petaka ampiasain'ny Toniziana mpiondana aterineto hilazana ny sivana):

Herintaona taorian'ny fanambaràna ny fahafatesan'ny Ammar404, dia mitatao indray ny fiverenana tsy azo ivalozany ankehitriny. Raha toa amin'ny Febroary 2012, mandritra ny fifanatrehan'ny Maosoivoho Toniziana misahana ny Aterineto, sy ny vondron'olona iray, ny fitsarana mpandrava didy ka hamoaka didy manome baiko ny hanivànana ny votoaty miresaka vetaveta eny anivon'ny aterineto, ny sivana, hatanjaka kokoa noho ny tany aloha, dia hahita masoandro indray.

Nanova ny fisainany Ing Filoha :

Moncef Marzouki, ny filoha Toniziana vaovao, dia niteny tao anaty tafatafa iray navoaka tao amin'ny YouTube [fr] niarahana tamin'i Taieb Moalla (@moalla) hoe :

Tokony hisy tsipika mena mametra ny fahalalahana miteny…ireny tsipika mena ireny dia tsy tokony hampiasaina ho antony hanaovana sivana…tokony hiarahan'ny rehetra mifandinika sy mifanaiky ireo tsipika

Tanatinà tafatafa iray hafa talohan'ny naha-voafidy azy, ary nandritra ny fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidianana, i Marzouki dia naneho fomba fijery hafa tanteraka, raha niteny izy hoe :

Mankasitraka ny fahalalahana miteny aho, miaraka amin'ny lafiny ratsy rehetra, ary manohitra ny sivana, eny fa na dia misy lafiny tsara aza izany…Tokony havela hanan-tsafidy malalaka ireo mpiondana aterineto, sady tokony ho ampianarina sy ampahalalàna… Laviko ny hanokanan'ny governemanta vola mba hividianana fitaovana hanaovana sivana…

Dhouha Ben Youssef dia mametraka fanontaniana iray goavana [Fr}:

Et si nous n’étions qu’une minorité à se soucier du retour de Ammar404 ?

Ary raha zara fa misy isika no miasa saina amin'ny ho fiverenan'ny  Ammar404?

Manampy izy:

peut-être que le tunisien n’a pas en tête la « NetFreedom » comme priorité, mais nous sommes tout de même presque 3 millions d’internautes ! Qu’attendons-nous ? Alors que partout dans le monde les défenseurs de la liberté d’expression scandent leurs refus de différents projets de censure comme Hadopi en France ou SOPA aux états unis, nous autres Tunisiens avons « oublié » que le danger nous guettait encore, rappelez-vous de ce que vous avez vécu sous ZABA, du rôle qu’a joué Internet pour le dégager, du fabuleux sentiment de liberté retrouvée mais hélas qui pourrait disparaitre au mois de février.

Angamba tsy mihevitra akory izany “Fahalalahan'ny Aterineto” izany ho laharam-pahamehana ny Toniziana, saingy na izany aza dia 3 tapitrisa isika no mpampiasa aterineto! Fa miandry inona isika e? Raha ny olona rehetra erantany mpiaro ny fahalalahana miteny manao fampielezan-kevitra anoherana ny karazan-tetikasan-tsivana rehetra, tahaka ny Hadopi ao Frantsa, sy ny SOPA ao Etazonia, isika Toniziana kosa “manadino” fa hoe tandindonin-doza isika. Tadidio fa, nandritra ny fitondran'i Ben Ali, ianao dia efa niaina ny anjara toerana notànan'ny aterineto tamin'ny fanesorana ny fitondràna, ary ny fahatsapana mahatretrika nahita indray ny fahalalahana, izay indrisy fa mety hanjavona amin'ny volana Febroary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.