Zambia: Guy Scott Filoha Lefitra Fotsy Hoditra Sy Ny Ambaran'ny Lalampanorenana

Manontany ny maha ara-dalàna ny fanendrena ilay Zambiana fotsy hoditra notendrena ho filoha lefitra voalohany hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany,dia ny Dr Guy Scott, ny antoko nitondra teo alohaMMD, ka mandrahona ny hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana  mba hamaritana ny maha-ara-dalàna azy eo anatrehan'ny Lalampanorenanana.

Nanambara vao tsy ela akory izay ny filoha nasionalin'ny MMD misahana ny raharaham-pitsarana, mpanolontsainam-panjakana  sady lehiben'ny fampanoavana ary filoha lefitra vao farany indrindra sady minisitry ny fitsarana, toerana nosahaniny mifanindran-dalana amina toerana ambony hafa maha-faharoa ambony indrindra teo amin'ny fitondrana azy, George Kunda anjakana izany, nanambara izy vao haingana fa tsy mahafeno ny fepetra ilaina ny Dr Scott handray izany andraikitra ambony izany satria mbola tsy nisahana asa amin'ny maha filoha izany izy indroa miantoana raha tsy maintsy nandao ny firenena ny filoha Michael Sata.

 

Filoha lefitra Zambiana Guy Scott. Sary tao amin'ny tranokalan'ny antokon'ny fitondrana Patriotic Front .

Nanamafy kosa ny mpamaham-bolongana iray, Munshyawamunshya, fa ampy ny fepetra ahafahan'ny Dr Scott mandray ny toerana maha-filohan'ny repoblika:

 

Voalaza ao amin'ny andininy faha-34 ao amin'ny lalam-panorenana Zambiana tamin'ny 1991 (izay nasiam-panovana tamin'ny1996) ny fepetra mazava tsara momba ny “fiavian'izay ho filoham-pirenena”, izay misy fanamarihana fa tokony ho  “teratany Zambiana eo am-pahaterahana sady Zambiana avokoa ny ray sy reny niteraka azy” ary mizaka ny zom-pirenena Zambiana izay olona hirotsaka hofidiana ho filoha an'i Zambia[…] Mampiseho izany fandalinana izany fa raha vakiana miaraka amin'ny fanapaha-kevitry ny Fitsarana Faratampony teo hatrany nandritra ny fitondran'i Lewanika sy ny hafa toa an'i Frederick Chiluba, dia afa-misahana ny andraikitra maha-filoham-pirenena araka io andininy faha 34 io tsara i Guy Scott sy ny maro hafa.

Nampitaha ny raharaham-pitsarana mitovy tamin'ity tranga ity toy ny raharaha mikasika ny filoha voalohany Dr Kenneth Kaunda izay nanana fiaviana Malawita , ilay nandimby azy farany Frederick Chiluba, nolazaina fa teraka tao tamin'ny sisintany manakaiky an'i Repoblika Demokratika Congo ary filoha fahaefatra, Rupiah Banda izay nolavin'ny antoko ny fitondrana Patriotic Front ihany koa ny firotsahany ho fidiana filoham-pirenena satria noheverina fa manana fiaviana avy any Malawi i Munshyawamunshya :

Ny fomba famahavahana ny lalàna ananatsika eto Zambia dia avy amin-javatra maro. Voalohany indrindra, avy amin'ilay atonta-taratasy nosorata-tanana ny lalampanorenantsika, izay nolanian'ny antenimiera tamin'ny taona 1991 ary nasiam-panitsiana tamin'ny  1996. Ny votoatin'izany antonta-tartasy izany dia ny Lalampanorenantsika. Na dia izany aza, tsy io antonta-taratasy io ihany no mandrafitra ny lalampanorenana Zambiana. Ny fomba fijery mahitsin'ny lalampanorenan'ny repoblika sy ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Fitsarana Avo sy ny Fitsarana Tampony ny andininy sasantsasany ao amin'io Lalapanorenana io ihany koa.

Munshyawamunshya nanohy nanoratra hoe:

…Nahamarika olana goavana tamin'ny fitakiana fa tsy maintsy “teraka na taranaka” Zambiana ny ray aman-drenin'izay ho kandida hofidiana ho filoha”. Nanamarika ny Fitsarana Faratampony fa hametraka olana goavana any aoriana izany lalàna izany. Nametraka ry zareo fa tsy afaka ampiharina amin'ny Zambiana manana ray aman-dreny teraka talohan'ny 1964 izy io — izany hoe nialoha ny nijoroan'ny Repoblika Zambiana. Raha tsorina tsy azo ampiharina amin'ny olona tahaka an'i Chiluba (teraka 1944), Michael Sata (teraka 1944), Rupiah Banda (teraka 1943), Guy Scott (teraka c.1940) ary i Kenneth Kaunda (teraka 1924) io andinin-dalàna io. Ny antony izany dia satria tamin'ny fotoana nahaterahan'ny ray aman-drenin'izy ireo tany amin'ny taona 1800 any, mbola tsy nisy firenena manana lalàna na lalàmpanorenana fantatra amin'ny anarana hoe Zambia.

Nofaranan'i Munshyawamunshya tamin'ny hoe:

Raha jerena ireo fehin-kevitra voalaza ao ambony ireo, toy izao ny famehezako izany, na dia eo aza ny Andininy faha-34, mahafeno tsara ny fepetra takian'ny Andininy faha-34 i Hon Guy Lindsay Scott ka  afa-mitana ny andraikitry ny filohan'ny Repoblika ao Zambia. Afa-tsy noho ny tsy mampanankery intsony ny lalàna, dia efa mipetraka ho lalàna ny raharaha  Lewanika sy ny hafa tahaka an'i Frederick Chiluba ary tokony hampiharina amin'i Guy Lindsay Scott.

Maneho hevitra mamaly ny fijerin'i Munshyawamunshya, izay niseho tao amin'ny gazety Lusaka Times avy eo, Janet C nilaza fa tsy vonona hotarihana filoha fotsy hoditra i Afrika:

Eny –na dia manan-jò aza izy – tsy midika izany fa te hanavakavam-bolokoditra aho –SAINGY ao anatin'ny vanim-potoana moderina i Afrika ,  tsy ‘mendrika ara-politika’ izany hoe fotsy hoditra iray no mitondra ny firenena mainty hoditra. Tiako i ba Guy ary amiko tokony hijanona ho filoha-lefitra ihany izy, fa tsy ho lasa filoha kosa – mbola tsy vonona hanana filoha fotsy hoditra i Afrika!!!!

Setrin'ny tenin'i Janet C, Peter nanoratra hoe:

#3 MANANA OLANA AMIN NY FANAVAKAVAHAM-BOLOKODITRA IANAO. ZAMBIANA I GUY SCOTT ARY AFAKA MIZAKA NY HO FILOHAN'NY REPOBLIKA. AZA AVELA HAMITAKA ANAO NY VOLONKODITRA. FOTOANA IZAO HANENDREN'I SATA AN I GUY HIASA REHEFA VOADION'IZAY MAHALALA TSARA NY RIVOTRA. VONONA TSARA AHO NA DIA TSY MBOLA MATOKY AZA I SATA- TSY ISALASALANA FA MIANDRY FOTOANA IZY HISIAN'NY ADIHEVITRA.

Tao amin'ny Twitter, mpisera iray nilaza toy izao:

@CoolKanis: Mampiseho mazava tsara ny tsikera ataon'i George Kunda amin'ny filoha lefitra Guy Scott, fa [ity tsy valahara efa noesorina] ity dia (Mpanavakavam-bolokoditra) #Racist. #IHateRacists

Mpisera Twitter iray nanambara toy izao kosa:

>@missbwalya: Ahoana no naha Minisitry ny Fitsarana an'i George Kunda kanefa tsy azony akory ny fandehan'ny Lalampanorenana? Mba vendrana koa izany olona izany. href=”https://twitter.com/#%21/search?q=%23Zambia”>#Zambia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.