Iran: Islamika Mpitondra Fivavahana Sady Mpitoraka Bilaogy Mitokona Tsy Mihinan-Kanina

Tanatin'ireo 33 taona hatramin'ny nisian'ilay Fiovàna Islamika, lasa karazana paradisa ho an'ireo mpitarika fivavahana Islamika izay nahazo fahefana sy mitondra ny firenena i Iran. Nefa tsy ho azy rehetra. Mohammad Sadegh (Arash) Honarvar Shojayi, mpitarika fivavahana sy mpitoraka bilaogy iray dia iray amin'ireo mizara ny alahelon'ny figadràna noho ny heviny sy ny asa sorany tahaka ireo gadra maro hafa. Nampalalaka ny famoretana ve ny Repoblika Islamika? Ny Oktobra 2011, efa herintaona nigadràna, voampanga hihidy an-tranomaizina efa-taona miampy fikaravasiana ilay mpitoraka bilaogy.

Nanana ny kaontiny tao amin'ny Facebook, Twitter, ary bilaogy iray i Arash Honarvar Shojayi. Mpitsikera ny fomba fijery hoe  Fiambenan'ireo Mpitsara (Vlayat Faqih), izay midika fitondrana eo ambany fiahian'ny mpitarika fivavahana iray, toerana izay tànan'ny Ayatollah Ali Khamenei amin'izao fotoana. Voapanga ho nanao fampielezan-kevitra sy hetsika manohintohina ny filaminan'ny firenena izy, ary koa ny fanalàna baraka ny fitondrana sy ny fitariham-pivavahana. Navotsotra vao haingana izy noho ny olana ara-pahasalamana, nefa nosamborina indray taorianà tafatafa iray. Nanao fitokonana tsy hinan-kanina izy hatramin'ny Alatsinainy lasa teo.

Miteny ny bilaogy Youth for Human Rights [fa] – Tanora miaro ny zon'olombelona :

Anisan'ireo gadra politika any amin'ny fizaràna faha-350 ao amin'ny Fonjan'i Evin i Arash Honarvar Shojayi nefa nafindra tany amin'ny fizarana faha-325 izy, miaraka amin'ireo mpitarika fivavahana voagadra izay tsy mitovy hevitra amin'ny tsikerany. Nampitandrina ireo manam-pahefana ao anatin'ity fizarana ity fa raha mitohy ny fitokonany tsy hihinan-kanina, tsy misy mahazo mandray antso avy any ivelany ny rehetra ao amin'io ampahany io. Ny fandrahonana tahaka izany dia natao hampirongatra ireo voafonja hafa mba hamoritra an'i Mohammad Sadegh Honarvar Shojayi.

Ny taona 2010, namoaka lahatsoratra maro momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona any Iran atao amin'ireo mpitondra fivavahana Shi'a i Mohamad Sadegh Honarvar Shojayi. Ilay bilaogera dia nanisy resaka ny tatitry ny Amnesty International tamin'ny taona 1998 tany Iran:

Hatramin'ny fananganana ny Repoblika Islamikan'i Iran tamin'ny 1979, nitohy ny fanimbazimbana goavana ny zon'olombelona. Anisan'ireo niharan'izany ny mpanao politika mpanohitra maro mpikambana avy any amin'ireo vondron'ny elatra ankavia ka hatrany amin'ireo monarka, anatin'izany ihany koa ireo tompon-tany sy mpino anatin'ny vitsy an'isa. Nisy ihany koa endri-pamoretana nisy tamin'ireo mpitarika fivavahana Shi’a izay nanohitra ny foto-pinoana ‘fondamentaliste’ an'ny rafitra politika Iraniana tahaka ny velayat-e faqih.

Anatin'ny Repoblika Islamika, na ireo mpitondra fivavahana sasany aza, dia tsy miandany amin'ny fitondràna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.