India: Ny Tranga Hafahafan'ny Fandrakofana Lamba Ireo Sarivongana Mba Hiantohana Fifidianana Mangarahara

[Rohy amin'ny teny Anglisy raha tsy asiana fanamarihana manokana ] Hifidy ny fari-piadidiam-panjakana Indiana ao Uttar Pradesh (UP)  amin'ny Febroary 2012, mba hifidy ny Antenimieram-pirenena vaovao. Tonga amin'ny faratampon'ny hafanàny ankehitriny ny fanentanan'ireo antoko politika samihafa. Kanefa, ny tena nahasarika ny sain'ny firenena iray manontolo dia ny fanapahan-kevitry ny Kaomisionam-pifidinana hoe saronana lamba daholo ireo sarivongana ao UP maneho an'i Ms. Mayawati (Praiminisitra amin'izao fotoana sy mpitarika ny Antoko Bahujan Samaj) sy ny mari-pamantarana ny antokony – ny elefanta – tamin'ny Alarobia  11 Janoary 2012.

Ny Filohan'ny Kaomisionam-pifidianana, SY Qureishi, dia niteny fa ilay fanapahan-kevitra dia noraisina niainga avy amin'ny Lasi-pitondrantena (Avy amin'ny mpandika : lalàm-pifidianana), mba hiantohana ny hisian'ny fitoviana sy hisorohana ny fahazoan'ny antoko politika sasany tombon-dahiny noho ny fahafahany manàloka ireo mpifidy.

Mayawati eny amin'ny toeram-pivarotana gazety. Sary avy amin'i Flickr-n'i Counterclockwise. CC BY

Nandritra ny naha-praiminisitra azy, matetika no sendra resabe momba ny fahazaran-dratsiny manao fandanianiam-poana ny volam-bahoaka i Mayawati amin'ny fananganany sarivongana maneho ny sariny, ary ny sasany dia i Dalit, hatramin'ny elefanta mari-pamantarana ny antokony, manerana ny firenena – indrindra fa ao anatiny sy manodidina an'i Lucknow – renivohitry ny fari-panjakàna, ka hatrany Greater Noida.

Somary goavana araka izany ny asa natomboky ny Kaomisionam-pifidianana. Ilay fanapahan-kevitra sy ireo ezaka naterany (lahatsary nakarin'i ao amin'ny YouTube) dia niteraka fanehoan-kevitra marobe, tsy hoe fotsiny avy amin'ireo antoko politika fa koa hatramin'ireo avy amin'ny mpiondana aterineto :

Tondraky ny fanehoan-kevitra avy hatrany ny Twitter. Nanontany tena ny sasany raha toa ka mba hitondra zavatra mivaingana tokoa ity asa fandrafokana lamba ity na ho lefy miandàlana amin'ny hafanam-pony ny Kaomisionam-pifidianana. Ny hafa manontany tena raha tsy vao mainka aza hanome vàhana an'i Mayawati, raha ny marina,  ny fandrakofana ireny sarivongany ireny.

@SwatySMalik: Na tsy tia an'i #Mayawati aza aho. Heveriko fa lasa lavitra loatra ilay fanapahan-kevitry ny EC handrakotra ny sarivongany sns! #unfair (tsy milamina)

@calamur: isak'izay mba mihevitra ianao fa tsy hisary gaigy ny rafitra, dia porofoin-dry zareo aminao fa diso ianao asaina mirako-boaly ny vehivavy, ny elefanta, ny heloka bevava…

@AbhinandanSekhr: ity fandrakofana ny sarivongan'i #mayawati ity dia hiasa ho amin'ny tombontsoany, azo antoka ny amin'izay. Na dia ireo izay tsy taitra tamin'izany aza dia hahamarika fa “voatampina ny vavany”

@AnupamPkher: Ny sarivongana iray an'i Mayawati voarako-damba dia hanintona kokoa ny maso, noho ny iray izay tsy norakofana. Hiteny ny vahoaka hoe,” Oadrayyy, io ny sarivongan'i Mayawati voarakotra lamba.”

@tavleen_singh: Sarotra be ny hahatakatra hoe manampy amin'ny fomba ahoana mba hisian'ny fifdianana malalaka sy madio ny fandrakofana lamba ny sarivongan'i Mayawati sy ny elefantany ao Uttar Pradesh!

@ankit_me: Misaotra ny EC, nahazo fampihenana ny tetibola amin'ny dokam-barotra sy fampielezan-keviny i Mayawati.

@riya0001: Illvika Saikia: Izaho mihevitra hoe ny #EC dia miasa manampy an'i Mayawati amin'ny fandrakofana lamba ny Elefanta sy ny sarivongany, satria mitondra mankamin'ny fifantohan'ny saina sy ny fahalinan'ny mpifidy kokoa izany, mba hahafantatra azy.

Ny mpampiasa Twitter sasany dia nahatsapa fa ireo sarivongana dia tokony havela hihanjahanja sy ho hitam-bahoaka eo, mba fotsiny hampahatsiarovana ireo mpifidy ny volabem-bahoaka nampiasaina hamatsiana azy ireny :

@acorn: Nitin Pai: ny zava-dehibe mibaribary vitan'i  Mayawati dia tsy tokony hafenina velively ny mpifidy.  Marina mafy, ny fanapahan-kevitry ny EC handrakotra lamba ireo sarivongany dia tsy misy fototra  & diso.

@sanjukaul: Sanjay Kaul: @pragmatic_d Lasa mariky ny fahefan'i Mayawati ireny sarivongana ireny. Ny fandrakofana azy dia mampahafantatra ny mpifidy mikasika ny fampiasàna tamin'ny tsy tokony ho izy ny volam-bahoaka. Aleo ny mpifidy no hitsara.

Betsaka ny valinteny toa sangy zary tenany teto, miaraka amin'ireo mpiondana aterineto mivazivazy raha toa ny fitsipika ka tokony hitarina hatrany amin'ny fandrakofana an'i Mayawati izy tenany mihitsy ary koa ny elefanta velona, hatramin'ireo zavatra izay mari-pamantarana ny antoko politika sy mety “hanàloka ny fisainan”‘ny mpifidy rehefa mitambatambatra :

@rangats: Dia manontany tena aho hoe inona no mety ho nataon'ny EC raha toa i Mayawati nisafidy – Masoandro Miposaka – ho toy ny mari-pamantarany ? Hanome baiko ny olona tsy hivoaka ny trano amin'ny marain'andro ve?

@amit_lakhotia: Maniry handrakotra ireo sarivonganà elefanta ny EC ho an'ny fifidianana ao UP. Handeha handrakotra lamba ny tempoly ‘lotus’ koa ve zareo mandritra ny fifidianana ao Dehli ?

@pragmatic_d: Tsara, azonareo rakofam-boaly ny sarivongan'i Ms. Mayawati. Saingy manakory ny momba an'i Ms. Mayawati izy tenany. Hoterena hirako-boaly koa va re izy mandra-pahatongan'ny androm-pifidianana e ?

@rajeshkalra: Manontany tena raha toa ka manao fampielezan-kevitra ho an'ny Kaongresy ireo polisy mpandamina fifamoivoizana. Manainga ny tànany ry zareo ary mampiseho ahy ny fela-tanany mba hanajanonana ahy ! Tsy maintsy hitaraina amin'ny EC ihany

@sameermufti: mihevitra ny hifindra any Frantsa i  Mayawati. Tsy misy iray akory ho afaka handrakotra ny sarivongany any !!!

Ny marina dia ilay bilaogera “Being Cynical” dia nanoratra taratasy misokatra iray ho an'ny Kaomisionam-pifidianana, nanipihany fa hoe tsy dia mitondra mankaiza ilay fanapahan-kevitra ary manontany ny amin'izay antony nanosika ny hetsika toy izany :

Andriamatoa S.Y. Quraishi sy ny Tariny, Mamelà ahy hisaotra anareo tamin'ny nanomezanareo fotoana mahatsikaiky betsaka nandritra ny faran'ny herinandro manjombona toy iny omaly iny.

[…]

Elefanta? Fa maninona no handrakotra elefanta? Tsy mitafy izany ny elefanta? Sa tsy izany? Fa satria fotsiny ny elefanta dia marika amantarana ny antoko, dia tsy azonao atao ny mibaiko azy hitafy lamba. Ary nahoana moa ny hafa no avahana? Ndeha koa homentsika baiko  ny handrakofana ny ‘lotus’ rehetra (raha toa tena trambo mandady misoko tokoa ry zareo), angataho ny olona mba hanidy ny bisikiletiny any anaty garaziny any, ary baikoy ny hafa mba hitondra aro-tànana satria tsy ho vitantsika ny hanapaka ny tànan-dry zareo satria tena ilain-dry zareo ny rantsan-tànany mba hanehoany ny safidiny (Avy amin'ny mpandika: ny bisikilety sy ny tànana resahana eto dia marika amantarana antoko politika roa hafa ao an-toerana).

Satria efa mihamanakaiky ny fetr'andro farany amin'ity hariva ity,  ny toro-làlan'ny Kaomisionam-pifidianana dia toa sahala amin'ny narahana ihany – nandaniana maherin'ny 1 crore (10 million) rupees teo ho eo araka ny vina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.