Nizeria2011: Taonan'ireo Fandresena Bitika Sy Ireo Sedra Goavana

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana tao Nizeria 2011 ity lahatsoratra ity.

Voarakitra anatin'ny tantaran'i Nizeria ny taona 2011 amin'ny maha-taonan'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena fahatelon'io fanjakana io izany taona izany taorian'ny nahazoany ny fahaleovantena. Ho an'ny tapany voalohan'ny taona, hipoky ny resadresaka momba ny fifidianana ny tontolon'ny bilaogy: hetsi-panoherana, fampielezan-kevitra, fifanakalozan-kevitra, ny anjara toeran'ny teknolojia, fanomanana ireo fandatsaham-bato, ary ny andron'ny fifidianana.

Taorian'ny fifidianana, nipoitra ny herisetra tany avaratr'i Nizeria, nampihena ny fanantenana amin'ny hisiana vanim-potoana vaovao. Na eo aza ireo fandresena vitsy tanatin'ireo sehatra politika sy ara-kolontsaina, nomalohan'ny herisetra ara-pinoana ny ampahany faharoan'izany taona izany tany amin'ny faritra avaratry ny firenena.

Fifidianana voarakitra anaty tantara

Manana fomba nentin-drazana i Nizeria amin'ny fanodinana ny fitondrana eo amin'ireo mpirotsaka avy ao amin'ny Silamo maro an'isa any Avaratra sy ny Kristiana maro an'isa any Atsimo. Nikorontana izany fandaminana izany rehefa maty nandritra ny fe-potoana niasàny ny Filoha teo aloha Umaru Yar'Adua tamin'ny 2010, nametraka ny fitondrana teo ambany fahefan'ny lefiny, ilay teratany avy any Atsimo Goodluck Jonathan.

Nahatezitra ireo teratany maro avy any avaratra ny firotsahan'i Jonathan ho fidiana tamin'ny 2011, izay nahatsapa fa notsoahana teo am-pela-tànan'ny avaratra anjara fahefany.

A broad-based national movement, Reclaim Naija, used Ushahidi-based platform to monitor elections. Image source: Reclaim Naina website.

Hetsika manerana ny firenena, Reclaim Naija, nampiasa ny sehatry ny Ushahidi mba hanaraha-maso ireo fifidianana. Loharanon'ny sary: vohikalan'ny Reclaim Naija.

Noharabain'ny maro ho “malalaka sy tsy mitanila” io fifidianana io  na dia teo aza ireo tsy fetezana sy ny hosoka kely sasantsasany. Nankalaza ity fahombiazana tsy nanam-paharoa ity ireo Nizeriana manerana ny firenena sy ireo zanaka am-pielezana. Mamintina izany fihetseham-po ankapobeny izany i Kunle Durojaiye:

 

Tsy afaka lavina ny fisiana rivo-piovàna. Nifidy ny vahoaka, ary niandry tao aoriana mba ho vavolombelon'ny fanisana sy ny fametahana ireo vato; nanao fandrakofana mivantana io fifidianan io ireo foibem-pampahalalam-baovao raha  vao nifarana izany, ary ny tena goavana, nànana ny lazany ihany koa ny tanora tanatin'io raharaha io tamin'ny fameloman'izy ireo ny fampahalalam-baovao mitafotafo avy amin'ny alàlan'ny fandefasana hafatra tamin'ny twitter, facebook sy ny blackberry. Tsy ilàko mamadika lela im-pito ny milaza fa tsy azo iodivirana ny fiovàna, nefa ny zavatra iray mampieritreritra ny tsirairay dia ny hoe efa manomboka tokoa ve io dingana io.

Herisetra ara-pinoana

Na izany aza, niseho ho fandresena kely manoloana ny herisetra izay nanaraka an'io ny fahombiazan'ilay fifidianana. Nanampy ny raharaha efa mavesatra any Nizeria Avaratra ireo ady misy eo amin'ny Avaratra sy Atsimo, izay nitombo be ny fanafihana maherisetra sy ny fanapoahana baomba hatramin'ny nifandonan'ireo mpitandro filaminana sy ny antokom-pinoana Islamista Boko Haram tamin'ny 2009.

Tsy ela taorian'ny fandresen'i Jonathan, nipoaka indray ny herisetra tany Avaratra, miaraka amin'ireo fipoahana mitohitohy tany Abuja sy any an-koatra nataon'ny Boko Haram. Nitombo niaraka tamin'ny taona ny herisetra , namela maty an-jatony sy nanery an'arivony handao ny fonenany.

Manoritsoritra ny zava-misy i @jongambrellAP:

@jongambrellAP: Mbola mijanona ho mafana foana ny toe-javatra any amin'ny fanjakana ambanivohitr'i Kaduna satria mandositra miaraka amin'ny fananany ireo mponina an-tanan-dehibe eny amin'ny manodidina. #nigeriadecides

Fandresena bitika

Na eo aza ny herisetra, nitondra fivoarana tsara ihany koa iny tapany faharoan'ny taona iny. Nizeriana maro no nihotakotaka momba ny fahalanian'i Ngozi Okonjo-Iweala, tale mpiandraikitra ny Banky Iraisam-pirenena teo aloha, ho minisitry ny vola vaovao any Nizeria.

Anatina lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe, Nigeria: Adrift, Awaiting the Arrival of a Woman, nanangona ireo fihetseham-po tamin'ny fahalanian'i Okonjo-Iweala i Nwachukwu Egbunike, anisan'izany ity iray ity avy amin'i Nmachi Jidenma:

Ho an'ireo mpiasan'ny governemanta voatsindry vola sy tsy manara-dalana: ‘wahala dey’. Tahaka ny hoe miverina an-tanàna indray ilay ‘vehivavy mpanary lamba'! Ity dia mazava ho azy fa vaovao tsara ho an'ireo Nizeriana ary maro amintsika no mety ho faly amin'ny fiverenany.

Omoyele Sowore, the publisher of SaharaReporters. Photo credit: chatafrikarticles.

Omoyele Sowore, mpamoaka ao amin'ny SaharaReporters. Tompon'ny sary: chatafrikarticles.

Anatina lahatsoratra iray hafa, nanondro ny Sahara Reporters, antsoina hoe “Wikileaks-n'i Nizeria”, ho ivon'ny fahalalahana miteny anatinà tontolo mikorontana ho an'ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety i Egbunike .

Nanangona fandalinana tahaka itony ny Tetikasa 419 Positive ary nisedra ny olona mba hiteny zavatra tsara momba an'i Nizeria amin'ny fanantenana ny hanovàna ny endrika ratsin'ny firenena.

Nanoratra tao amin'io tetikasa io i @gbengasesan:

Nandeha namakivaky an'i Nizeria aho, nihaona tamin'ireo Nizeriana manerana izao tontolo izao ary nanamarika  karazana ‘Hery Nizeriana’ momba azy ireo aho — ny fahaizana mamita zavatra eo ambany toe-draharaha tsy mampino. Mety misy ifandraisany amin'ny olana nosedrain'izy ireo izany, nefa tsy misy afaka mandà fa rehefa milofo aminà tanjona iray ny Nizeriana iray, kely ny zavatra mahasakana azy ireo tsy hanao izany.

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifidianana any Nizeria 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.