Syria: Mpiondana Aterineto Tezitra Noho Ny Kabarin'i Assad

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011.

Nanao kabary lavabe nivaralila ny Filoha Siriana Bashar Al Assad omaly (10/01/2012), izay nahatezitra mafy an'ireo Siriana mihetsika manohitra ny fitondrana jadony.

Niresaka momba ny tsikombakomban'ireo avy any ivelany izy, na ny maro amin'izy ireny, ny fitsabahan'ny Ligy Arabo amin'ny raharaham-pireneny sy ny halehiben'ny fanohanan'ny Siriana ny fitondràny. Tao anatin'ny kabariny, nampanantena fa sady hitondra fanovàna, araka izay nampanantenainy tamin'ireo kabariny tany aloha izy, no koa hamaly faty ireo mpanohitra – maherin'ny 5.000 tamin'ireo no maty hatramin'ny nanombohan'ny hetsi-panoherana tao Syria tamin'ny Martsa.

Rehefa miteny ireo mpitondra Arabo, dia mandray ny fitendry ireo Arabo mpiondana aterineto ka mandray anjara anaty resaka mikasika ireo filoham-panjakana izay voan'ny nataony ihany ka tonga amin'izao toerana misy azy izao. Ity misy fanaovana bango tokana ireo fanehoan-kevitra avy tao amin'ny Twitter tamin'i Al Assad niresaka tamin'ny vahoakany – dia tsy iza fa ireo vahoaka ireo ihany izay novonoina noho ny fihetsehany ho an'ny zony ara-demaokratika.

Mohammed Al Dahshan, avy any Ejipta, nibitsika hoe [ar]:

‏ واضح أن بيبو الأسد مش فاهم معنى كلمة معارضة إيه أساسا. بجد مش معقول إعادة التعريف الللغوي اللي بيعمله حكام العرب

@eldahshan: Mazava fa tsy fantatr'i Assad ny kely indrindra amin'izay dikan'ny hoe fanoherana. Mba marina, tena zava-miafina saro-takarina ny fomba fandikàn'ny mpitondra Arabo ny teny Arabo.

Ary dia mitondra fanamarihana momba ilay fampisehoana izy, izay matetika no hita amin'ny kabarin'i Assad, izay tapahana amin'ny tehaka, milaza hoe :

@eldahshan: Ka heverinareo izany fa efa noraisim-peo nialoha ilay tehaka an, toy ny any anaty sitcoms keda? 🙂 #assadspeech RT @maimoghli @eldahshan Izaho aloha tsy mino akory hoe nisy mpanatrika izany tao e!

Arakaraky ny nanohizan'i Assad ny teniny, no niakaran'ny ahiahin'ireo mpiondana aterineto ihany koa.

Ilay Siriana, Muhammed Basheer, manontany hoe [ar]:

قبل شوي قال مافي معارضة قبل الانتخابات ولازم يكون في معارضة لها قاعدة شعبية! هلأ قال بعض قوى المعارضة حاورت! شو يعني؟ ‎#Syria‏
@MBAA: Minitra vitsy lasa izay dia niteny izy fa tsy nisy izany fanoherana izany talohan'ny fifidianana ary hoe tokony no niainga ifotony avy any amin'ny vahoaka ny fanoherana! Izao izy miteny fa miditra amin'ny fifampiraharahàna ny mpanohitra. Fa inona ity lazainy e?

Ilay Libane, Antoun Issa, manamarika hoe :


@antissa
: #AssadSpeech feno fahatokisan-tena tanteraka tao anatin'ny kabariny. Tsy misy tandindonà fifanatonana mihitsy na kely aza.

Raha ny LibyanStateTV kosa mivazivazy hoe:

@LibyanStateTV: Tokony ho nanontany tena i Bashar  “Inona no mety nataon'i Gaddafi ?”, ary angamba mba mety ho nanampy azy namokatra kabary tsaratsara kokoa izay #AssadSpeech

Ilay Jordaniana, Nadine Toukan,  mibitsika hoe :

@nadinetoukan: Mazava fa resy lahatra i Assad hoe miaina anaty nofinofy. #Syria

Ary ilay Siriana, Wissam Tarif, manampy hoe :

@wissamtarif: Al Assad dia miteny sahala amin'ny hoe olona hitoetra mandrakizay ireny mihitsy ao #Syria

Marobe ireo mpampiasa Twitter no nandika sy nampakatra fitanisàna avy amin'ny kabarin'i Assad ho ao anaty aterineto arakaraky ny nitenenany. Isan'izy ireny ny Sultan Al Qasseemi, avy any Emira Arabo Mitambatra, izay leo. Hoy izy :

@SultanAlQassemi:  Tsy vitako ny hijery ela ity olona gaigy ity. Aleo vonoina ny TV.

Ary hamehezana ny rehetra, ilay Saodiana Ahmed Al Omran, mpanampy amin'ny famokarana ao amin'ny NPR, dia nibitsika hoe :

@ahmed: Ny andro nikabarian'i Bashar al-Assad, farafahakeliny dia olona 28 no maty tao Syria araka ny fanisàna farany an'ireo namoy ny ainy nomen'ny LCC.

Ny LCC dia ny Kaomity Mpandrindra Anatiny ao Syria.

Anatinà bitsika iray, dia manoratra izy hoe :

@ahmed: Afaka mahazo T-shirt iray ve aho misy soratra hoe “Nivoaka velona tamin'ny kabary manontolon'i  Bashar al-Assad ihany aho”?

Aza misaraka aminay raha te-hahazo tatitra misimisy kokoa avy any Syria.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.