Singapore: Mampiparitaka Ireo Meme Ao Amin'ny Aterineto Ny Tsikeran'ny Minisitra

Anatin'ity fanambaràna manaraka ity, ny Minisi-panjakana Misahana ny Tontolo Iainana sy ny Rano, Grace Fu, dia nahatonga resaka be tao amin'ny aterineto teo amin'ireo Singaporeana :

Rehefa nanapa-kevitra ny handray anjara amin'ny politika aho tamin'ny 2006, tsy ny karama no zava-dehibe. Fahaverezan'ny fiainana manokana, ny fitsaràn'ny vahoaka ahy sy ny fianakaviako sy ny fahaverezan'ny fotoana atokako ho ahy no nisy tamin'izany. Ny fikorontanana nisy tao amin'ny asako koa no singa iray  goavana. Nanana antony kely nahazoko toky aho fa tsy hiaritra fiovàna henjana tamin'ny fomba fiaina ny fianakaviako na dia nisedra fihenana vola niditra tamiko aza aho. Tamin'ity fahatapahan'ny karama ity izany. Raha mitohy mitanila io mizana io amin'ny hoavy, ho sarotra ny manjo ny tsirairay izay mihevitra ny hitàna toerana politika.

Minister Grace Fu. Image from Wikipedia.

Ny Minisitra Grace Fu. Sary avy amin'ny Wikipedia.

Taorian'ilay fanambarana mikasika ny fahatapahan'ny karaman'ireo minisitra – izay tsapan'ny ankamaroan'ireo Singaporeana ho mbola tsy ampy – Nahatezitra ny maro, izay nahatsapa fa tsy tokony hiandry fankasitrahana goavana avy amin'ny vahoaka ny mpiasam-panjakana, ireo tsikeran'i Ramatoa Fu.

Hatramin'izay dia niteny i Ramatoa Fu fa diso ny fandraisana ny fanambaràny, zavatra izay tsinjoko hitranga matetika amin'ireo mpikambana ao anatin'ilay People’s Action Party (PAP) :

Tsy tokony hiditra amin'izany ireo tanora, ny goths sy ireo emos. Ireo mpikambana ao amin'ny People’s Action Party (PAP) no vondron'olona saro-takarina indrindra eto an-tany hatreto. Toa tsy misy zavatra ataon-dry zareo  na lazainy ka tsy diso ny fandraisana azy. Raha mankany amina MacDonald mba hividy Big Mac izay miaraka amina laisoa amboniny ry zareo, tsy nasiana “cornichons” dia mety ho “Fillet o’ Fish” no ho azon-dry zalahy.

Tsy nahomby tamin'ny fanatoniana ireo Singaporeana tezitra ny fanazavan'i Ramatoa Fu ny fanambaràny, satria maro no nahatsikaritra fa mbola tsara karama izy miohatra amin'ny Singaporeana antonony.

Manoratra, sady arahany hanihany, momba ny fomba mety nahatonga ny fandisoana ny tian'i Ramatoa Fu ho tenenina i Mollymeek :

Noho ny tsy fahaizanareo maminaviana ny fomba fiaina izay mety ho tadindonin-doza noho ny karama aman-tapitrisa dollars, mora ho antsika ny mihevitra fa mijery ny endrika ivelany izy. Isika no diso. Tsy mpijery ny endrika ivelany izy. Tsy mangataka karama ambony izy. Fa fotsiny avo loatra ny fari-piainany ka mety hisedra olana amin'ny fifehezana izany izy raha omena ny karama antonony ho anà minisitra iray any amin'ny firenena mandroso.

Tsy ela akory dia nivadika ho “meme” (zavatra ifandovàna) ao amin'ny Aterineto ny tsikeran'i Ramatoa Fu, miaraka amin'ireo olona izay samy mamoaka ny azy avy.

Manoratra ny safidiny ho lasa “rain'ny fitorahana bilaogy” any Singapore, mrbrown, i Lee Kin Mun:

Rehefa nanapa-kevitra ny ho mrbrown aho tamin'ny 1997, tsy ny karama zava-dehibe. Kena lim kopi avy amin'ny ISD, nenjehan'ireo minisitra hatrany amin'ny tng kor i kena ary naato ny tsanganan-dahatsoratra an-gazetiko. Ny fahatapatapahan'ny fotoana filalaovako eo amin'ny solosainako ihany koa dia antony iray goavana. Nanana antony kely aho nahazoako toky fa tsy hiaritra fiovàna henjana tamin'ny fomba fiaina ny fianakaviako saingy tsy maintsy namidinay ny fiara ka ankehitriny dia bisikileta no voiziko. Matahotra aho raha sanatria ka mitanila ny karama amin'ny hoavy, hianjera avy eny ambonin'ny bisikiletako aho.

Joshua Chiang mikasika ny fanapahan-keviny hiditra ao amin'ny vohikala ara-politika sy sosialy The Online Citizen:

Rehefa nanapa-kevitra ny hiditra ao amin'ny TOC aho tamin'ny 2009, tsy ny karama zava-dehibe (satria koa tsy nisy izany). Ny fahaverezan'ny fahalalahana manoloana ny ISA , famotehana ny maha izy azy ny olona nataon'ny gazety mahazatra momba ahy sy ny fianakaviako ary ny fahaverezan'ny fananako rehetra noho io fanalàm-baraka io no nisy. Antony iray goavana ihany koa ny fahasimban'ny fahasalamako. Nanana antony vitsivitsy aho nahazoako toky fa hanana efitrano malaladalaka kokoa ny fianakaviako raha sanatria aho voagadra. Indrindra rehefa voasokajy ny TOC. Raha mitanila mihoatra izao ny karama amin'ny hoavy, ho sarotra ny manjo ny tsirairay izay mihevitra ny hitàna fanaovan-gazety/ hafanàm-po.

Na i Danny the Democracy Bear aza, sary famantaran'ny antoko politika mpanelanelana,  Antoko Demokratika ao Singapour, tafarotsaka anatin'izany:

Rehefa nanapa-kevitra ny hiditra tao amin'ny SDP aho, tsy ny karama zava-dehibe. Very ny fiainana manokana, mitsikera ahy ny vahoaka ary very ny fotoana mba natokako ho ahy. Ny antony mety nahatonga ahy ho sary famantarana an'io antoko io dia satria izaho irery no “ours” manana lanja goavana . Nanana antoka mafy aho ninoako fa tsy hiaritra fiovàna tampoka ny fianakaviako na dia tia manenjika ireo mpikambana ao amin'ny SDP foana aza ny PAP . Raha mitanila mihoatra noho izao ny mizàna ary raha voarara tsy hiditra anatin'ireo vondrona politika ny biby amin'ny hoavy, ho sarotra ho an'ny “ours” taranako ny hanohana, ary mbola sarotra noho izany ny fidirana ao amin'ny SDP.

Efa natsangana ilay bilaogy “Tumblr” ‘When I made the decision…na Rehefa nanapa-kevitra..‘ mba hizaràna ireo dika samihafan'ilay tsikeran'i Ramatoa Fu.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.