Syria: Damaskaosy “Fanaovana Vy Very Ny Aina” Sy Fanamboamboarana Ataon'ny Fahitalavi-Panjakàna

Ity lahatsoratra dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Syria 2011.

Raha hetsi-bahoaka goavana no mitranga manerana ny faritra maro eo amin'ny firenena mitaky ny hifaranan'ny fitondran'i filoha Siriana  Bashar Al Assad, ny fahitalavi-panjakana Siriana kosa nitatitra fanapoahana baomba nataonà mpanao vy very ny ainy tany amin'ny manodidina an'i Midan any Damaskaosy tamin'ny Zoma 6 Janoary.

Ireo mpampahalala vaovao iraisam-pirenena dia namerina nitanisa ny fitantaran'ny fahitalavi-panjakana Siriana manao hoe “ireo vaovao mivantana dia milaza fa nisy mpampihorohoro iray nanapoaka ny tenany teo aminà jiro telo soratra fandrindrana fifamoivoizana tao amin'ny manodidina an'i Midan,” saingy tsy ijerena izay iza na iza tompon'andraikitra tamin'ilay fanafihana, fa ny sary sasany mivezivezy any anaty aterineto dia mampiseho mazava tsara ny fisian'ny fanamboamboarana.

Ao anatin'ity lahatsary ity izay manondro ny voalaza ho toerana nisehoan'ny heloka, misy olona iray mitondra micro mipoitra tampoka avy any hita eo amin'ny kamera mametraka harona plastika eo akaikin'ilay faritra mihoson-drà amin'ny tany. Fa inona moa no hidiran'ilay mpanangom-baovaon'ny fahitalavitra Siriana amin'ny famindràn-toerana eny amin'ny toerana nisehoan-doza toy izany? Tsy misy vidiny izay fomba nahatonga ilay mpanolotra tao amin'ny fahitalavitra ho tsy nahaloa-peo rehefa nahatsikaritra izany izy:

Ity lahatsary manaraka ity dia maneho ilay lazaina ho sary voalohany avy amin'ilay fanafihana. Ny andalanteny manaraka eo ambanin'ilay sary dia miteny hoe “Ialanay tsiny ny sary mahatsiravina” satria ny kamera dia mampiseho vatana mangatsiaka, olona mihiakiaka ary lehilahy iray miteny hoe “Hita? Io ny fahalalahana tadiavin-dry zareo”. Saingy ny tena manohina mikasika ilay lahatsary dia any amin'ny segondra farany no miseho : lehilahy roa avy amin'ny mpitandro ny filaminana mifamihina, ny iray toa maratra, rehefa nisaraka tampoka ry zareo taminà fihetsika sahala amin'ny midika hoe “vita ny fandraketantsika an-tsary, sa tsy izany?”.

Tsy zava-baovao ny fanamboamboarana anatinà firenena iray ahitàna governemanta tomponà fampahalalam-baovao sy manidy varavarana amin'ny mpanao gazety iraisam-pirenena. Tapa-bolana lasa izay ny governemanta Siriana dia nanakiana fanapoahana baomba tahaka io ho nataon'ny Al-Qaeda, nahitàna hatramin'ny fanambaràna sy vohikala sandoka izay tany amboalohany dia nitarika ireo mpampahalala vaovao iraisam-pirenena hitatitra ny tantaran'ny fitakian'ireo Rahalahy Silamo milaza ho tompon'antoka tamin'ilay fanapoahana baomba. Ilay Siriana mpitoraka bilaogy, Anas Qtiesh, dia nanoratra lahatsoratra iray mikasika ireo zavatra hita izay maneho mazava tsara fa mora ny mijery miakatra mikaroka an'ireo mpiray tsikombakomba ao amin'ny fitondràna amin'ny alalan'ireo fanambaràna sy vohikala sandoka ireo .

@Farrouha91 mibitsika hoe:

Mahatsikaiky ny fomba nataon'ireo Libane mpomba an'i Assad nihazakazaka hitatitra nony injay nitranga ilay fipoahana ( niampanga ireo mpanohitra), saingy tsy miresaka velively ireo famonoana miseho isanandro. Nahoana? #syria

@arwamenla manampy hoe :

#300DaysLater sy ny fahitalavitra Addounia TV aloha hatreto tsy mbola nahavita namorona lainga mikasika an'i #Syria

Raha very tsikelikely ny maha-tiam-bahoaka azy ny fitondràna, dia mety hitohy ho vavolombelona manatri-maso ireo tsipaky ny miala aina isika mba hamiliany ny sain'ny olona tsy hibanjina ny tolon'ny vahoaka Siriana ho amin'ny fahalalahany sy ny rariny.

Ity lahatsoratra dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Syria 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.