Slovakia: Hetsi-panoheran'ny Mpitsabo

Iray amin'ireo hetsika Slovaky isan'ny nanana ny lanjany tokoa tamin'ny 2011 ny hetsi-panoherana nataon'ireo mpitsabo maherin'ny 2000 avy amin'ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana ; 1.200 tamin'izy ireo (avy amin'ny efa ho 6.500) no nampiato vonjimaika ny fifanarahan'asan-dry zareo toarian'izay. Tsy vao sambany no nisy hetsika toy io. Efa nanao hetsi-panoherana ireo mpitsabo tamin'ny 2006, nangataka fisondrotan-karama 25% sy fanafoanana ny famadihana ny toeram-pitsaboana ho lasa orinasa toeram-panodinam-bola (tantanin'ny fanjakana).

Tamin'ny 2009, koa, dia tsy faly tamin'ny karamany ireo mpitsabo. Saingy ny filoha mpitarika ny sendikan-dry zareo dia nanambara fa satria tao anatin'ny fotoanan'ny krizy ka dia nifidy ny niaraka tamin'ny daholobe ry zareo. Tamin'ny fotoana nipoiran'ny krizim-bola Euro tamin'ny 2011, rava tsy nisy intsony io firaisankina io. Izany no nahatonga ny olona sasany nilaza fa namofona politika ilay hetsika, ary na dia ilay praiminisitra fahiny aza dia niantso azy ireo tsy hamela ny marariny ho irery.

Taham-pisondrotan-karama 1.5 hatramin'ny 3 avo heny amin'ny karama ankapobeny ao amin'ny firenena sy fampiharana ny lalàna mifehy ny asa mba hanafoanana ny asa atao anaty ora ambony ampanga no notakiana, ireo mpitsabo dia mbola nitaky indray ny hampiatoana ny famadihana ny toeram-pitsaboana :  amin'ny fomba fijerin-dry zareo, dia fanarontsaronana ny fanisàhana an-kolaka  ny toeram-pitsaboana ho any amin'ny tsy miankina ilay fanovàna. Natahotra ihany koa ry zareo fa mety hamotika ny fampiofanana arak'asa omena ireo mpianatra ho mpitsabo sy ireo tanora mpitsabo izy ity.

Nanolotra fisondrotan-karama kely ho azy ireo ny governemanta (300 euro isam-bolana amin'ny ankapobeny, izay azo ampitahaina amin'ny karama faran'ny ambany indrindra any an-toerana) sady nandà ny hampiatoana ny fanavaozana atao amin'ny toeram-pitsaboana, nilaza azy io ho dingana tsy maintsy atao mba hahatongavana amin'ny fahaiza-manao ambonimbony kokoa.

Katarína Ragáčová dia nanoratra lahatsoratra iray [sk] mikasika ny fomba namoizany ny zanany nandritra ny hetsi-panoherana tamin'ny 2006, noho ny tsy nihetsehan'ireo tompon'andraikitra tao amin'ny toeram-pitsaboana, tamin'ny fanamarihana fa ny azy no zaza fahatelo nafoy nandritra izay andro izay.

Araka ny loharanom-baovao sasany, maherin'ny 20 isan-jato amin'ireo mpitsabo manerana ny firenena no manana vadin'asa any amin'ny sehatra tsy miankina, izay manamaivana ny fitakian-dry zareo momba ny ora ambony ampanga, anton'ny hetsik'izy ireo. Sady koa, 25 isan-jato amin'ny tokantrano Slovaky no niaina kolikoly tamin'ny resa-pitsaboana, izay midika fa mazàna dia be lavitra ny vola miditra amin'ireo mpitsabo mitàha amin'ny vola tokony horaisiny amin'ny karama ofisialy. Mihoatra noho izay takatry ny saina ny fangatahana misimisy kokoa hatrany raha ampitahainao ny karama ara-dalàna 1500 Euro raisin'ny mpitsabo iray isam-bolana amin'ny 770 Euro raisin'ny mpampianatra ao Slaovakia isam-bolana.

Noho izany dia tsy mahagaga loatra ny fandikàn'ny ankamaroan'ny vahoaka ilay fangatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana ho noho ny tombontsoa manokana fotsiny ka tsy nanohana ny hetsik'ireo mpitsabo.

Tany am-piandohan'ny Desambra, ny dokotera 1.200 tamin'ny vondron'ireo mpitsabo tena tsy laitra dohika no efa nametra-pialàna marina tamin'ny asany. Nisy fepetra noho ny hamehana napetraka tany amin'ireo toeram-pitsaboana nisehoan'izany, izay nahafahana namerina vonjimaika ireo mpitsabo ireo hiverina hiasa, na tiany na tsy tiany.

Nanoro hevitra ireny mpitsabo ireny ireo sendika mba hanatona ny dokoteran-dry zareo manokana sy hanambara fa tsy afaka hiasa noho ny harerahana sy ny rarin-tsaina. Ny mpitantana ny sendika dia nampitaha ny fanampian'ireo 25 mpitsabon'ny tafika Czech tamin'ny fibodoana an'i Czechoslovakia nataon'ny hery nalefan'i Varsovia  tamin'ny 1968.

Andro vitsy taty aoriana dia tonga taminà marimaritra iraisana iray ny governemanta sy ny sendika, izay, ankoatry ny zavatra hafa, namela ireo mpitsabo nandao ny toeram-piasany – sy niverina ho salama avy hatrany tampotampoka eo indray – hiverina handray ny asany..

Nilaza ny mpitarika ny sendika fa ny fifampiraharahana hanondrotana kely ny karama (1.25 hatramin'ny 2.3 avo heny) dia nanaporofo fa tsy momba izay ara-bola fotsiny ny fitakian-dry zareo. Ny PM dia nanamafy, na izany aza, fa saiky ny fifampiraharahàna rehetra dia nihodina nanodidina ny resaka karama avokoa.

Ny Fikambanan'ireo Toeram-pitsaboana Slovaky dia naneho ny fijeriny fa ny fanomezana karama midangana dia hamono ireo toeram-pitsaboana madinika manerana ny firenena. Mino ry zareo fa mety hitranga izany herinandro vitsy aorian'ny fifidianana izay ho ao amin'ny parlemantera naroso ho amin'ny 10 Martsa.

Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo fijery [sk] nadika avy amin'ny fifanakalozan-dresaka teo ambanin'ilay lahatsoratra, mikasika ny vokatr'ireo fifampiraharahàna :

vlasok:

Fankasitrahana ho an'ireo mpitsabo nijoro hatramin'ny farany, na teo aza ireo fanentanana faobe manohitra izany natao tany anaty mpampahalàla vaovao, ilay minisitra tsy mahavita azy sy ny mpandrava fitokonana nalefany.

GeoRW:

Ilaina manokana ny maneho fisaorana ireo mpitsabo tsy fantatra anarana izay nijanona niaraka tamin'ny marary. Mety tsy hahalàla mihitsy izay anaran-dry zareo ny fiarahamonina, saingy ireny no tena mahery fo ambony saina sy miavaka, fa tsy ireo izay, na teo aza ny efa fileferan'ny governemanta, dia nivonona hatrany hamela ho faty ireo marary ary tsy nitondra na inona na inona afa-tsy fahasorenana sy rikoriko ho an'ny asa fitsaboana teny anivon'ny fiarahamonina.

morgul2:

ary fotoana indray izao ho an'ireo mpampianatra [mba hanoherana]

Yoishi Snipo:

Ary ny [kalitaon'ny] fandraisana an-tànana ny fahasalamàna dia mitontongana hatrany… ary ireo mpitsabo dia hahazo karama izay ny ankamaroany dia tsy mendrika izany akory ka hitohy ho faty ny marary any amin'ny toeram-pitsaboana, satria ireo mpitsabo … tsy nandray [tsolotra kely] avy tamin-dry zareo.

praxon:

Tsy niala tamin'ny asany ireo mpitsabo satria kere ny ankohonan-dry zareo, fa satria miandrandra bebe kokoa ry zareo.

Kvantový mechanik:

Tiako mba hisy governemanta hamerina ny filaminan'ny rafitra fandraisana an-tànana ny fahasalamàna ny farany. Mazava ho azy fa tsy maintsy hikiakiaka indray ireo mpitsabo. Arakaraky ny fisian'ny fepetra tsara indrindra ho an'ireo marary, vao mainka hidradradradra ireo fizisiana Slovaky.

maico123:

Ny tsara indrindra dia ny tokony hamoahana [ny anaran’] ireo mpitsabo tsy nety nanaiky ny marimaritra teo aloha 300 Euro naroson'ny governemanta sy izay nilaza fa tsy salama [ry zareo] nandritra ny fotoana hamehana! Tsy mila fatritran'olona toy izany hitsabo ny marary aho, satria tsy miraharaha marary izany ry zareo fa ny vola ihany.

gomezbandido:

Resy ny governemanta ary dia lavo miaraka amin'izay koa ny mpandoa hetra … Resaka fotoana fotsiny sisa dia hamerina hanao indray ireo mpitsabo – efa fantatr'izy ireo fa malemy ny governemanta sy ny vahoaka.

nikonus:

Ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy. Mino aho fa ny ankamaroan'ny olona no hanova ny fomba fijeriny ny mpitsabo ka hampiato ny fahitàna azy ireny ho toy ny fokon'olona manokana ivelan'ny vala. Mahonena fa io dia hahazo koa ireo mpitsabo izay mendrika ho tolorana ny haja ambony indrindra.

noreplay:

Ho sitrana amin'ny fomba mahagaga ry zareo ireo – fametrahana vola taratasy 200 na 500 euro eo an-tampon-kandrin-dry zareo dia ampy ary hisinda ny aretina rehetra!

ufffffo:

Deraiko ny vahoakan'i Slovakia. Novonjen'ireo mpitsabo ny toeram-pitsaboan-dry zareo. Efa maro sahady ny Slovaky no mahatakatra izany, mbola maro ny hahatakatra aoriana kely.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.