Azia Atsimo Andrefana : ny tondra-drano goavana indrindra tamin'ny taona 2011

Namely ny faritra Azia Atsimo Andrefana ny ora-mikija tamin'ny taona 2011 ary niteraka tondra-drano tamin'ny firenena maro, voatery nafindra toerana ny mponina sy mpiasa aman'arivony maro, potika ny fambolena an-tapitrisany, ary namono olona maherin'ny 2 000. Afaka nitatitra ny vokatr'izany tondra-drano namotehan-javatra izany ny Global Voices tamin'ny taon-dasa.

Thailandy

Nanondraka faritra maro tany Thailandy ny orambe nandritra ny volana vitsivitsy. Ny tondra-drano vokatr'izany no goavana indrindra namely ity firenena ity tato anatin'ny 50 taona. Safotra ny tohodrano, difotry ny rano ny orinasa maro, ary olona aman'arivony no voatery nandao ny tranony. Tanàn-dehibe maro, anisan'izany ny faritra sasany tao Bangkok , no nanjary  “tanànan'ny rano” nandritra ny herinandro maromaro.

Flooded Temple. Photo from Pailin C

Tempoly tondraky ny rano. Sary Pailin C

Nampiasa ny fitaovan-tsarintany sy fitaovam-panarahamaso an-tserasera hafa ny Global Voices nandritra ny tondra-drano. Nomena toerana ambony koa ny serasera sôsialy tamin'ny fanaparitahana vaovao, kanefa tao koa ny fisavoritahana, nandritra ny loza voajanahary. Nalefa teto koa ny làlana nitadiavana vahaolana nataon'ny olona nandritra ny tondra-drano.

Saksith Saiyasombut mampahatsiaro ny zava-nisy namoizana olona 790.

Ity no nisian'ny olona maty be indrindra ary azo lazaina fa ny “tondra-drano ratsy indrindra hatramin'izay”. Efa mpiseho isan-taona any Thailandy ny tondra-drano rehefa vanim-potoan'ny orana. Rehefa mamakivaky an'i Chiang Mai ny rano amin'ny faran'ny volana septambra, dia ohatra ny tsy mitovy amin'ny mahazatra ny loza voajanahary. Kanefa miandry fotoana izy amin'izay, ankoatra ny fahasimbana nateraky ny teo aloha tahaka ny tany Ayutthaya izay nanimba ny fiangonana sy nandrava toeram-piasana, ary niainan'ny tao an-drenivohitra ny tahotra amin'izay mety hiseho.

Ity ny lahatsary momba ny tondra-drano tany Thailandy goavana indrindra 

Filipina

Nanarakaraka an'i Thailandy dia niaina ny tondra-drano ratsy indrindra tany aminy koa i Filipina. Fa ambony ny tahan'ny fahavoazana tany Filipina raha ampitahaina. Nanambara ny maha- firenena latsaka an-katerena ny filoha taorian'ny nandalovan'ny rivo-doza Sendong (anarany tany an-toerana : Washi) izay nandrava ny ampahany maro tamin'ny Nosy Mindanao, any atsimon'ny firenena. Araka ny navoakan'ny fanjakana dia olona 1 400 no maty ary 1 000 eo no ho eo no mbola tsy hita popoka taorian'ny namelezan'i Sendong ny tanàna tao Cagayan de Oro sy Iligan tamin'ny volana lasa teo.

Nampiasa facebook ireo niharan'ny tondra-drano hanampiana amin'ny fitadiavana ireo havany tsy hita. Nalefa aterineto ny sarin'ireo olona tsy hita. Bilaogy sy media sôsialy maro no nampiasaina nanampiana ireo niharam-boina.

Tamin'ny volana jona dia namely an'i Davao  ny tondra-drano. Tsy niomana tamin'izany ny mponina maro raha tsy efa tonga tao Davao ny foiben'ny rivo-doza.

Sary mampiseho ny vokatry ny tondra-drano. Sary Tony Alejo

Kambodza

Raha vantany vao notaterina tamin'ny vaovao ny tondra-drano tany Thailandy, dia mbola tsy dia lehibe ny nanjo an'i Kambodza. Kanefa ity tondra-drano nihatra tamin'ity firenena ity tamin'ny taon-dasa koa no tondra-drano ratsy indrindra hatramin'izay. Tamin'ny volana oktobra dia nitatitra ny nahazo an'i Kambodza ny Global Voices : tanimbary 400 000 hekitara no tondraky ny rano, vary 250 000 hekitara no potika, lalana 3 000 kilometatra no simba, tohodrano mirefy 300-400 kilometatra no simba, olona 247 no maty, sekoly 1 000 no tondraky ny rano, raha tombanana ny fahasimbana tany Kambodza dia nahatratra 400 tapitrisa dôlara. Ankoatra ny loza nentin'ny tondra-drano dia nampitandrina koa ny meia sy ny manampahefana tany Kambodza sy Thailandy ary namoaka fanairana ny amin'ny voay hanairana ny olona hitandrina amin'ny voay izay mitsoaka ny toerana nitazonana sy niompiana azy ireny.

Ankoatr'izany, dia niaina tondra-drano koa i Singapora tamin'ny taon-dasa kanefa nalefahana tamin'ny teny hoe “voafefy rano” ny fanjakana ilazana ny tondra-drano nisy tany an-toerana.

Ankoatra ny tondra-drano dia nisy loza voajanahary hafa namely iny faritra atsimon'i Azia iny. Namely an'i Myanmar ny  horohorontany nahatratra 6.8 amin'ny fandrefesana tamin'ny 24 martsa ary heno hatrany akaikin'i Thailandy ny fihetsehana ka hatrany Vietnam sy Shina.  Namono olona 70 iny horohorontany iny ary nandrava trano 240 tany Myanmar fotsiny.

Rohy amin'ny tondra-drano: #thaiflood, #bkkflood, #thaifloodeng, #sendong, #prayformindanao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.