Yemen: Revolisiona Iray Hafa Mitovy Eny An-dalambe Hatrany Amin'ny Andrimpanjakana

Tao anatin'izay herinandro vitsivitsy lasa izay, niely hatreny an-dalambe ka hatrany amin'ny andrimpanjakana manerana ny firenena ny revolisionan'i Yemen, mitaky ny fanafoanana ny kolikoly eo anivon'ny governemanta sy ny andrimpanjakana.

@SupportYemen ni-tweet rohy tao amin'ny Washington Post mitondra ny lohateny hoe “Nipariaka nanerana an'i Yemen ny fitokonana, nanatevin-daharana  ny ady amin'ny kolikoly ihany koa ny mpiasam-panjakana” :

Nipariaka hatreny an-kianja ka hatrany amin'ny andrimpanjakana ny revolisionan'i Yemen ho amin'ny Fanovàna izay miady amin'ny kolikoly. #Yemen #SupportYemen fb.me/11GwFAZIR

Nanipika toy izao ny lahatsoratra:

Misy modely arahana amin'ny fitokonana atao. Manidy ny varavaran'ny andrimpanjakana ny mpiasa, ary avy eo miditra [~manakotaba] ao amin'ny biraon'ny mpifehy azy ireo, mitaky ny hanoloana ny lehibeny amin'izay fantatra fa tsy manan-draharaha amin'ny resaka kolikoly. Hatramin'izao, sampan-draharaham-panjakana 18 no nisehoan'ny tranga tahaka izany.

@iiamelii ni-tweet an'io lahatsoratra io navoakan'ny New York Times teo ambany lohateny  hafa:

Tao #Yemen, Mpitokona Miady Amin'ny Kolikoly Mitaky ny Fialan'ny Lehibeny: nyti.ms/vzVuh8

Lahatsary navoakan'i kashmim, mampiseho miaramila mitokona sy mampitandrina ny lehiben'ny polisy Mohammed al-Qawsi, havan'ny filoha am-perinasa Ali Abdullah Saleh, tsy hiditra ao amin'ny foiben'ny polisy , sady mihiaka hoe “mialà, mialà” no mitondra afisy misy soratra hoe “miaramilan'ny vahoaka izahay fa tsy miaramilan'i al-Qawsi”:

Marobe ireo “revolisionera” manohy ny fitokonana. @Yemen411 ni-tweet tamin'ny tsy finoana fa:

SAMBANY HATRAMIN'IZAY: Gazetin'ny Miaramila #Yemen mivoaka Isan-kerinandro 26 Sept. niampanga ny mpamoaka ny lahatsoratra “Natonta” ho nanao kolikoly

Amin'ity lahatsary navoakan'i karot439 ity, nidina an-dalambe ny vahoakan'i al-Baydha mba hitaky ny fialàn'ny governora mpanao kolikoly:

 

Ny pejim-baovao be mpanaraka indrindra momba ny revolisiona Yemenita ao amin'ny Facebook @NewsOfYemeniRev ni-tweet hoe:

NYR | Fitroarana Miady Amin'ny Kolikoly |tonga hatrany amin'ny sehatry ny banky ao Yemen ny fitokonana araka ny voalazan'ny nahita maso voalohany… fb.me/1iEYwEb2v

@ArabsUnite nanoratra mikasika ny fipariahan'ny fitokonana hatrany amin'ny sehatry ny fianarana ambony:

Mpianatra UNI ao #Sanaa nanao fihetsiketsehana tao amin'ny toeram-pianarana mba hitaky ny fialàn'ny filohan'ny Oniversite noho ny resaka kolikoly: youtu.be/je884esy8p0

Namoaka rohy tamin'ny Facebook i NYR ahitana ny lahatsary misy ny fihetsiketsehana nataon'ny mpianatra tao Taiz, Dhamar ary Sanaa :

NYR | Fitroarana Miady Amin'ny Kolikoly | Manao fihetsiketsehana any amin'ny sekoly maro samihafa sy tanàna ao Yemen ny mpianatra mba hitaky ny fialàn'ny mpanao kolikoly ao amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana na/sy ny talen'ny sekoly.

Taiz |
http://www.youtube.com/watch?v=usPj9gRWYX4&feature=youtu.be

Dhamar |
http://www.youtube.com/watch?v=DVkIAEshMLI
– https://www.youtube.com/watch?v=DVkIAEshMLI

Sana'a |
http://www.youtube.com/watch?v=JHxPcPVvZlc
#Yemen #yf *2

@abubakrabdullah dia nizara rohy tao amin'ny hafatra napetrany ao amin'ny Aljazeera miteny Anglisy mikasika ny revolisiona:

Ny lahatsoratro amin'ny fiteny @AJEnglish momba ny fitokonana & fihetsiketsehana miady amin'ny kolikoly ao #Yemen aljazeera.com/indepth/opinio…

Brian Whitaker nanoratra momba ny Revolisiona mirazotra (ambadika) ao Yemen tamin'ny bilaoginy:

Na ny politikan'ny tetezamita ao Yemen aza mbola mila fanovàna lehibe, fanadiovana faobe eny anivon'ny fitantanana isan-tsokajiny – izany indrindra no katsahin'ny Revolisiona mirazotra – mba hisian'ny fiovàna lehibe eo amin'ny fomba fitantanana ny firenena.

Namoaka lahatsoratra mikasika ny revolisiona mirazotra ihany koa aho  tato amin'ny bilaogiko. Hoy aho nanamarika:

Nitaky ny fandroahana tsy misy hatak'andro ireo “tsimatimanota” ny “revolisiona mirazotra”, ireo mpiasa-panjakana mpanao kolikoly izay mampiasa ny fahefany tsy araka ny lalàna, manodinkodim-bola sy mampihorohoro ny mpiasa feheziny. Andrimpanjakana sasany no tafiditra amin'izany, ny orinasa Airlines “Yemenia”, ny fahitalavi-panjakana ao Sanaa sy Aden, ny Foiben'ny Polisy, ny andrimpanjakana Miaramila momba ny toekarena, ny Minisiteran'ny Tafika ao amin'ny Filan-kevitra Ara-pitondrantena, ny biraon'ny Fambolena sy ny Fampidiran-drano, ny Mpiambina ny Sisintany, ny Akademia an-dranomasina, ny Polisy misahana ny Fifamoivozana, Oniversite Sanaa, Bankin'ny Fanavaozana sy ny Fampandrosoana ao Yemen, ny hopitaly Thawrah ao Taiz, ny Foiben-toerana Mpandrindra ny Fanaraha-maso sy Fanamarinam-bokatra ao Aden sy Taiz, ary ny Biraon'ny Fitantanam-bola ao Taiz.

Ny revolisiona ao Yemen, tamin'ny alalan'ny fomba fanoherana mahavariana, no nitondra fanovàna tsikelikely izay kasain'ny ankamaroan'ny firenena manana fitaovam-piadiana be indrindra manerantany sy ny mahantra indrindra ao anatin'ny tontolo Arabo, mampiseho izany fa ny finiavan'ny Yemenita sy ny faharetany no nahatonga ny tarigetra  hoe “te-hanongana ny fitondrana ny vahoaka” ho tontosa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.