Tonizia: 2011 An-tsary Amin'ny Valantserasera

Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'i Tonizia – taona manan-tantara izay hiraikitra ao an-tsain'ny Toniziana rehetra. Izay nanomboka tamin'ny fipoahana tampoka noho ny fahadisoam-panantenana tao amin'ny faritra Sidi Bouzid izay noadinoina sy natao an-kilabao  no nivadika fikomiam-bahoaka ho fanadiovana ny firenena, sy hanonganana ny fitondran'i Zeine el Abidine Ben Ali naharitra nandritra ny 23 taona, ary nanova ny faritra iray manontolo rehefa naka tahaka ny hafanam-pon'ny revolisiona ny tany an-kafa.

Rà mandrika no niseho tamin'ny fiandohan'ny taona


Dead young Tunisian man in Tala (central-west of Tunisia), January 10, 2011. Photo from Nawaat.

Tovolahy Toniziana namoy ny ainy tao Tala (afovoany andrefana Tonizia), tamin'ny 10 Janoary 2011. Sary avy amin'i Nawaat.

Rà mandrika sy herisetra no niseho raha vao niatomboka ny taona. Nofaizin'ny manam-pahefana tamin'ny alalan'ny fitifirana amin'ny bala tena izy, sy baomba mandatsa-dranomaso ireo mpanao fihetsiketsehana mitaky “asa, fahalalahana, ary hambompo-pirenena”, maherin'ny 300 ireo mpanao fihetsiketsehana namoy ny ainy ary marobe ihany koa ireo naratra.

Ny andro nandosiran'ny filoha teo aloha tany Arabia Saodita

Photo by Talel Nacer, copyright Demotix (14/01/2011).

Sary avy amin'i Talel Nacer, copyright Demotix (14/01/2011).

Tamin'ny 14 Janoary 2011, mpanao fihetsiketsehana an-jatony no nitangorona teo ivelan'ny tranoben'ny minisiteran'ny Atitany ao an-drenivohitr'i Tonizia. Niantsoantso ireo mpanao fihetsiketsehana hoe ”Minisitera mpampihorohoro ny Minisiteran'ny Atitany”, sy hoe ‘Mialà Ben Ali ” . Niafara tamin'ny fampiasan-kerin'ny polisy nanaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana anefa ny hetsika izay natomboka tao anatin'ny filaminana. Ny harivan'iny andro iny ihany, dia nandositra any Jeddah, ao Arabia Saodita i Ben Ali.

Police use tear gas to disperse protesters outside the Interior Ministry on January 14. Photo by Wassim Ben Rhouma via Flickr (CC BY-NC-ND 2.0).

Polisy mampiasa baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana manoloana ny Minisiteran'ny Atitany tamin'ny 14 Janoary. Sary avy amin'i Wassim Ben Rhouma tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0).

Lasa ny mpanao didy jadona, fa manao ahoana kosa ny fitondrana jadona?

Protest against interim government presided by Mohamed Ghannouchi, a close ally of Ben Ali, on February 25. One day later, Ghannouchi resigned. Photo by Kahled Nciri.

Hetsi-panoherana ny governemanta vonjimaika tarihin'i Mohamed Ghannouchi, namana akaiky an'i Ben Ali ihany, tamin'ny 25 Febroary. Iray andro taty aoriana, nametra-pialàna i Ghannouchi. Sary avy amin'i Kahled Nciri.

Nanapa-kevitra ny hanadino ny lasa rehetra ny Toniziana, ary tsy nitsahatra ny tolona ho amin'ny demokrasia raha tsy nitsoaka tao amin'ny firenena i Ben Ali. Kianjan'i Kasbah, toerana misy ny minisitera, nanjary ivon-toerana fanaovana fihetsiketsehana sy sit-in, nampiasaina ho fandrodànana ny fitondrana teo aloha izay nankahalaina tanteraka (izay efa nihongana ankehitriny), ny RCD (amin'ny fanalavana azy amin'ny teny frantsay hoe Le Rassemblement Constitutionnel Démocratique, Fivondronann'ny mpiaro ny lalampanorenana Demokratika), izay voarohirohy tamin'ny resaka kolikoly sy ny fanararaotana (tsindry hazo lena).

Fifidianana demokratika voalohany


Voters lining up to vote. Photo by Erik (@kefteji).

Mpifidy milahatra handatsa-bato. Sary avy amin'i Erik (@kefteji).

Tamin'ny 23 Oktobra 2011, no kihon-dalana ho an'i Tonizia. Niandry ora maro ireo mpifidy handatsa-bato, nandritra ny fifidianana malalaka sy madio voalohany tamin'ilay antsoina hoe Lohataona Arabo.

Firoboroboan'ny Islamista

Banner reads: "Equality and justice for all Tunisians". November 21, 2011, in a protest outside the assembly. Photo by Soukaina W Ajbetni Rouhi via Facebook.

Sora-baventy misoratra hoe: "Fitoviana sy Fahamarinana ho an'ny Toniziana rehetra". Tamin'ny 21 Novambra 2011, hetsika teo anoloan'ny antenimieram-pirenena. Sary avy amin'i Soukaina W Ajbetni Rouhi tao amin'ny Facebook.

Salan'isa 41 isan-jato no vato azon'ny antoko Islamista Ennahdha, ary nahazo seza 89 tamin'ireo 217 tao amin'ny antenimieran-dalampanorenana koa izy. Ho an'ny liberaly kosa, matahotra ny firoboroboan'ny Islamista ao Tonizia ny tanjaky ny laika ao amin'ny firenena, sy ny zon'ny vehivavy Toniziana, lazaina fa mandroso indrindra ao amin'ny faritra Arabo.

Moncef Marzouki – Filohan'ny Repoblika Vaovao

Moncef Marzouki, new president of Tunisia. Image by Hamideddine Bouali, copyright Demotix (13/12/11)

Moncef Marzouki, filoha vaovao ao Tonizia. Sary avy amin'i Hamideddine Bouali, copyright Demotix (13/12/11)

Tamin'ny 22 Desambra, nifidy ilay mpiaro ny zon'olombelona, Moncef Marzouki ny Antenimieran-dalampanorenana, efa nogadraina izy io, ary nalefa sesintany nandritra ny fitondran'i Ben Ali, toy ny filohan'ny Repoblika Toniziana vaovao.

Satria mifarana ny taona, mbola mitohy hatrany ny hetsika sy ny sit-in ho amin'ny demokrasia, ny asa, ary ny hambompo-pirenena ao Tonizia, toy ny adihevitra mafana mikasika ny Antenimieran-dalampanorenana, sy ny governemanta vonjimaika tarihin'i Hamadi Jebali (avy amin'ny antoko Ennahdha) mandray ny asany.

Araho hatrany ny fitantarana mikasika ny Tonizia amin'ny 2012.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.