Etiopia: Voasazy Higadra 11 Taona An-tranomaizina Ireo Mpanao Gazety Soedoà

Namoaka didy ny fitsarana Etiopiana tamin'ny Talata 27 Desambra 2011 teo fa sazy 11 taona an-tranomaizina no azon'i Martin Schibbye sy Johan Persson, mpanao gazety Soedoà voarohirohy ho nanohana ny tafika mpikomy tao amin'ny firenena. Fohy kokoa ny sazy azo raha toa ka 15 taona no tokony ho izy farafahakeliny,  efa nampanantsoina kosa ilay mpitsara Shemsu Sirgaga tamin'ny 21 Desambra.

Tsy tazana tao amin'ny efitrano fitsarana ny fianakavian'ireo voampanga nandritra ny famoahana ny didy. Niteraka fihetsiketsehana vitsivitsy ny didy navoaka, izay nitangorona teo anoloan'ny Ambasady Etiopiana ao Stockholm.

Na ny praiminisitra Soedoà, Fredrik Reinfeldt, na ny minisitry ny raharaham-bahiny, Carl Bildt, dia samy nitsikera ny didy nivoaka tamin'ny Talata teo, ary ny hafa maro kosa naneho hevitra tao amin'ny Twitter.

 

Johan Persson (left) and Martin Schibbye. Images © Kontinent Agency AB, used with permission.

Johan Persson (ankavia) ary i Martin Schibbye. Sary: © Kontinent Agency AB, nahazoan-dalana.

Jonas Nordling, filohan'ny Holafitry ny Mpanao gazety Soedoà,naneho hevitra hoe:

@jonasnordling: Misy zavatra tokony hoporofoin'ny governemanta Soedoà amin'izao fotoana izao. Hitsangana hanohana ny mpanao gazety ve izy ireo ankehitriny? #EthiopiaSwedes

Josefin Hammarstedt nitaky fanambarana minisiterialy:

@Klockarbarbro: Miala tsiny. Niondrika ambany ve ny praiminisitra sy ny minisitry ny raharahambahiny tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'izy ireo? NIONDRIKA? Nahoana #EthiopiaSwedes

Anders Jorle, mpitondra tenin'ny minisitry ny raharahambahiny Soedoà, nilaza hoe:

Mampalahelo ny [didy nivoaka] raha ny fitiavan'izy ireo ny asa fanaovan-gazety no jerena. Fantatra ny fijerin'ny governemanta Soedoà, tafiditra tamin'ny fanambarana nataon'ny praiminisitra ny herinandro lasa teo.

Manana hatramin'ny 10 janoary yy ekipa mpiaro an'i Schibbye sy Persson dia ahitana Soedoà iray sy mpisolo vava Etiopiona roa hampakarana ny fitsarana. Lalana hafa hiarovana azy ireo koa ny fangatahana ny famindram-pon'ny fanjakana Etipiona.

Kjetil Tronvoll, mpampianatra ao amin'ny Foiben'ny Zon'olombelona Norverziana ao Etiopia, nilaza tamin'ny gazety mpivoaka isan'andro Soedoà Dagens Nyheter mikasika ny mety hahatafavoaka an'ireo mpanao gazety ihany raha mitady famindrampo:

Fifampiraharahana ara-politika tsy ofisialy ny fangatahana famindrampo, aorian'ny fivoahan'ny didy. Vahaolana tsotra indrindra anefa izany.

Tsy azo eritreretina mihitsy fa ny Fitsarana Tampony, izay akaiky indrindra ny governemanta no somary politika kokoa ny fomba fitsarana ataony, no hoe hanafaka an'i Schibbye sy Persson.

Ny Fangatahana famindrampo dia midika fa miaiky ny heloka vitany i Schibbye sy Persson tamin'ny fanohanan'izy ireo ny fampihorohoroana, fiampangana izay nolavin'izy ireo nandritra ny fitsarana azy ireo.

Fantatra fa meloka tokoa i Schibbye sy Persson noho ny fidirany antsokosoko tao Etiopia sy ny fanohanany ny fampihorohoroana tao amin'ny firenena. Niditra tao Etiopia avy any Somalia izy ireo, nandeha  niaraka tamin'ny tafika Ogaden National Liberation Front (ONLF) tamin'ny 1 Jolay. Ogaden, faritra nisiana rà mandrika nandritra ny ady teo amin'ny ONLF sy ny governemanta Etiopiana.

Ny governemanta Etiopiana, tarihin'ny praiminisitra Meles Zenawi, voatsikera noho ilay lalàna nivoaka vao haingana “deeply flawed anti-terorrism act”(Lalàna mampiditra tanteraka ny ady amin'ny fampihorohoroana). Mpanara-maso ny Zon'olombelona sy ny Amnesty International nanambara fa natao izany lalàna izany ho “famoretana ny fisinbtahana am-pilaminana”.

Mpanao gazety maherin'ny 100 sy lehiben'ny mpanohitra no mbola miandry ny fitsarana azy ireo manoloana ilay lalàna vaovao . Anisan'izany i Reeyot Alemu sy Woubshet Taye, izay notazonina efa ho enim-bolana izay.

Karin Schibbye, maman'i Martin, nilaza tamin'ny fahitalavim-panjakana Soedoà SVT fa anjaran'ny governemanta Soedoà sy Etiopiana ankehitriny no mijery ny marimaritra iraisana amin'izao tranga mahazo an'i Schibbye sy Persson izao:

Manana vahaolana ny governemanta. Tokony hatomboka ny fifampiraharahana. Inoako fa sehatra ambony noho izay nataon'i Johan sy Martin ity lohahevitra iray ity fa ny governemanta roa tonta no tena milalao ao anatiny. Miankina be dia be amin'izay ataon'ny governemanta ny famahana izao olana izao.

Araka ny tatitra navoakan'ny Komity Mpiaro ny Mpanao gazety, Etiopia no manaraka an'i Eritrea amin'ny fanagadrana mpanao gazety be indrindra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.