Okraina: Miditra Amin'ny Fanangonam-bola sy Fanentanana Amin'ny Alàlan'ny Aterineto

Araka ny vinavinan'ny UNAIDS, dia maherin'ny 1%-n'ny vahoaka Okrainiana no miaina miaraka amin'ny VIH, kanefa ny iray ampahatelony monja amin'ireo voa no mahatsapa izay mahazo azy. Eo ho eo amin'ny olona  3,000 no maty nohon'ny aretina mifandray amin'ny SIDA isan-taona ao Okraina. Na dia ny zava-mahadomelina aza no mitàna ny loha-laharana amin'ny fihanaky ny aretina, dia tsy mitsaha-mitombo kosa ny fifindran'ny VIH izay mifandray betsaka amin'ny fanaovana firaisana ara-nofo tsy voaaro.

Amin'ny maha ao anatin'ny ady amin'ny fihanaky ny aretina azy, dia ny “Elena Pinchuk ANTIAIDS Foundation ” no mpanao asa fanampiana Okrainiana tsy miakina amin'ny fanjakana lehibe indrindra izay nitondra hevitra feno famoronana mametraka ny tanjona hoe mba hanentanana ny fahatsapan-tenan'ny fiaraha-monina Okrainiana amin'ny raharaha mikasika ny VIH/SIDA. Fanampin'izany, dia manangom-bola mba hanampiana ireo olona miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA manerana ny firenena  izy ireo. Ireto asa fanasoavana sy fandraisana andraikitra miharo famoronana ireo dia tena mifototra betsaka amin'ny aterineto ary manana fiaraha-miombon'antoka aminà tolotra Okrainiana maro samihafa sy ny tambajotra ara-tsosialy anaty aterineto.

Nanomboka tamin'ny 2007, ny “Elena Pinchuck Foundation” dia nandray an-tànana ny tetikasa Fashion AID . Ny tanjon'ilay tetikasa dia ny hiarahan'ireo Okrainiana malaza amin'ny fanomezana endrika, ny kintan'ny pop, sy ny mpanolotra ao amin'ny TV, miaraka amin'ireo mpanome endrika tsy matihanina mba hamorona “T-shirt” na akanjo manentana ny fitondrantena tomponandraikitra bebe kokoa amin'ny ara-pananahana. Ireo T-shirt ireo dia azo vidiana ao amin'ny tranonkala misy ny tetikasa. Natao hanampiana ny ankizy Okrainiana miaina miaraka amin'ny VIH ny vola rehetra voavory amin'ny fivarotana ireo T-shirt ireo. Ny fampahafantarana ny endriny vaovao misy dia navoaka any amin'ny pejy Facebook-n'ilay tetikasa .

Ny 1 Desambra 2011, ary ho fahatsiarovana ny Andro Eran-tany Natokana Ho An'ny SIDA, ny “Elena Pinchuk Foundation,” miaraka amin'ny mpanome tolotra fifanakalozam-baovao anaty aterineto ex.ua, dia nandefa fanentanana iray fampahatsiarovan-tena mikasika ny VIH/SIDA miaraka amin'ireo Okrainiana mpampiasa aterineto . Tao anatin'ny 24 ora, dia nahatratra maherin'ny 1 tapitrisa ny isan'ireo mpampiasa aterineto nijery ireo lahatsary fanentanana tao amin'ny fantsona Youtube an'ny ANTIAIDS Foundation, izay mitàna ny laharana voalohany amin'ireo tetikasa Okrainiana momba ny ara-tsosialy . Manodidina ny 100,000 ny mpampiasa aterineto nitsidika ny tranokalan'ny tetikasa “Fashion AID”, notaterin'ny tranokalan'ny Elena Pinchuk Foundation, ary ny ankamaroan'ireo mpitsidika dia olona manodidina ny 18-25 taona eo ho eo, izay marefo amin'ny mety hifindran'ny VIH. Amin'ny fampandehanana ity tetikasa fanentanana ity, dia misy sampan-draharaha maharitra miaraka amin'ny antontanà lahatsary misy ny fanentanana momba ny VIH/SIDA maneran-tany  noforonina ao amin'ny tranonkala ex.ua.

"Stars on Sale" no sary famantarana an'ilay tetikasa

Tamin'ny Martsa 2011, ny ANTIAIDS Foundation dia nametraka tetikasa iray tanaty aterineto izay nikendry ny hanangona vola mba hividianana fitaovana vaovao manara-penitra hanadiovana ny rà avy amin'ireo mpanome rà tsy hisy areti-mifindra ka ao anatin'izany ny VIH. Ny tetikasa ‘Stars on Sale’ dia niaraha-nametraka tamin'ny fiaraha-miombon'antoka tamin'ny bilaogy Okrainiana iray isan'ny lehibe indrindra “korrespondent.net ” sy ny fanaovana lavanty Okrainiana amin'ny aterineto Aukro.ua. Ny anton'ilay tetikasa dia ny hahafahan'ireo mpampiasa aterineto Okrainiana manome tombam-bidy amin'ireo fanomezana  TV, ara-politika, sy ny mpanao fanatanjahan-tena malaza. Tamin'ireo entana natao lavanty dia nisy zavatra toy ny fanazaran-tena manokana miaraka amin'ilay Tompon-daka Olaimpikan'ny Gymnastique Lilia Podkopayeva , golf miaraka amin'ny fandraisana anjaran'ny kintan'ny “soccer” Okrainiana Andriy Shevchenko tao amin'ny TV malaza iray, na fitsidihana ny fivoriana itambaramben'ny parlemanta Okrainiana.

 

Sary famantarana ny tetikasa 'Dreams come true'

Ary farany, tamin'ny 15 Desambra, dia nanomboka tetikasam-panasoavana iray tao amin'ny aterineto ‘Dreams come true’ ny ANTIAIDS Foundation. Ity tetikasa Krismasy ity dia manome fahafahana ny olona tsirairay mba hanatanteraka ny nofinofin-jaza iray voan'ny VIH. Amin'ny fiaraha-miombon'antoka amin'ny International HIV/AIDS Alliance sy ny All-Ukrainian Network of People Living with HIV, ilay “Foundation” dia nanangona karazana nofinofy avy ami'ny ankizy miisa 800 voan'ny VIH avy aminà faritra maro ao Okraina ary namoaka azy ireny tao amin'ny aterineto. Afaka manolotra vola na mandefa fanomezana ny olona mba hanatanterahana ny nofinofin'ireo ankizy, toa an'i Maxim 11 taona izay maniry ny hànana bisikleta na i Anastasia 5 taona mba maniry ny hànana saribakoly sy hahazo vatomamy be dia be.

Araka ny  tatitra avy amin'ny Elena Pinchuk Foundation tao anatin'ny 5 andro hatramin'ny niantombohan'ilay tetikasa, dia nofinofin'ny ankizy 592 voan'ny VIH no tanterak'ireo Okraniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.