Rosia : Tsy Nahavita Nifankahazo Ny Mpanohitra Tao Saint-Petersbourg

Ireo hetsi-panoherana talohan'ny fifidianana ny volana Desambra 2011 dia ahitàna karazany roa : ‘Mpanohitra matihanina’ sy ireo mponina velom-panahiana. Tao Moscou, ireo karazany roa ireo dia nahavita nivondrona mba hanomana ny iray amin'ireo hetsika am-pilaminana isan'ny lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny firenena. Tao Saint-Pétersbourg, na izany aza, ilay famoriam-bahoaka dia nivadihan'ny iray tamin'izy ireo. Ireo mponina dia namaly tamim-pisavorovoroana sy tamim-pankahalàna.

Inona ny fiovana nentin'ny  hetsi-panoherana?

Inona no niova hatramin'ny 5 Desambra 2011, tamin'ny fotoana nanaovana hetsi-panoherana voalohany nialoha ny fifidianana ? Moa va misy dikany ny fandraisana anjara amin'ny hetsika karakarain'ny mpanohitra ? Ireo no fanontaniana napetraky ny olona arakaraky ny anatonan'ny andro iray hafa indray hivorian'ny Rosiana rehetra – 24 Desambra- (ny sarintany ahitàna ny antsipirihany amin'ireo famoriam-bahoaka any amin'ireo tanàna Rosiana sy any ivelany dia ato [ru]).

Fikambanana maro no nanome izao valinteny manaraka izao tao amin'ny Vkonakte group [ru] :

Tao amin'ny taratasiny ho an'ilay Mpanolotsaina Federaly  Medvedev izy dia nanolotra “fanavaozana saro-takarina” ny rafitra politika (fampitoviana ny tamin'ny herintaona raha iny izy nanolotra resaka 3 minitra momba ny politika iny). Ilay tolo-kevitra dia ahitàna ny fandrindràna ny fifidianana ny ho governora isam-paritra, fanamoràna ny fandraketana ireo antoko politika, fotoam-pitondrana iray ihany ho an'ireo fari-piadidiana…

"No voice. No choice." Photo from St Petersburg meeting. Photo by Maria Lelyuk

""Tsy misy feo. Tsy manana safidy." Sary avy ao amin'ilay famoriam-bahoaka tao Saint-Pétersbourg. Sary avy amin'i Maria Lelyuk

Fahatanterahana iray hafa nentin'ireo hetsi-panoherana teo aloha, dia ny nangatahana ny fametraham-pialàn'ny Mpanolotsaina ny Filoha momba ny Zon'olombelona, Vladimir Tchourov, mpitarika ny Kaomisiona Foibe momba ny Fifidianana.

Tsy misy olona afaka hiteny hoe iza amin'ireo karazany roa ireo, raha misy ary izany, no ho tonga amin-javatra mivaingana, kanefa zavatra iray marina mivandravandra tsy azontsika lavina ny hoe nisy valinteny ho azy ireny avy tamin'ny fitondrana. Toa ohatra ny hoe efa niandry ny hisian'ny  famoriam-bahoaka sy hetsi-panoherana nialohan'ny fifidianana ireo manam-pahefana mba ahatongavan'izy ireo amin'ny tanjony arakaraky ny andehanan'ny fotoana sy mahamety azy araka ny rivotra iainana.

Ny sasany milaza fa ny kabarin'ny filoha dia tsy misy dikany intsony fa toy ny taratasy zaraina ho an'ny mponina sisa. Vokatr'izany,  misy ireo manao antso ho amin'ny fidinana an-dalàmbe mandra-pahatanteraky ny fitakiany – famerenana fifidianana mangarahara. Ilay mpampiasa @ WakeUpR (ilay kaonty ofisialin'ny komity mpikarakara ilay hetsika ao Mosko ny 4 Desambra) dia nandefa bitsika hoe [ru] :

Нам Медведев столько всего наобещал сегодня. Теперь ведь мы никуда не пойдем? Правда? Посидим тихонечко, подождем, пока выполнит.

Medvedev dia nanome toky maro ho antsika androany. Ka tsy afaka ny handeha ho aiza intsony isika ankehitriny ? Tena marina ve ? Andao hipetraka tsara aloha ary hiandry mandra-panatanterany azy ireny.

Hetsi-panoherana tao  Saint-Petersburg :  Nozarazarain'ireo mpanao  politika

Tao Saint-Pétersbourg, ireo mpanohitra dia niparitaka niafara tamin'ny famoriam-bahoaka roa samihafa raha toa tokony ho iray ihany, izay natao nifanelanelana ora iray ihany (ny iray tao amin'ny kianjan'i Pionerskaya ary ny iray kosa tao amin'ny kianja Academic Saharov). Araky ny fanambarana ofisialy, ny ankabeazan'ireo fikambanana, ao anatin'izany ny antoko politika sy ny hetsika nandritra fihaonana fandaminana natao ny 22 Desambra, dia nifidy [ru] nanohitra ny ho fandraisan'anjaran'ny nasionalista amin'ilay famoriam-bahoaka ho avy noho ny fandranitana nataon'izy ireo nandritra ireo famoriam-bahoaka roa teo aloha (ny 10 Desambra sy ny 18).  Tao Mosko, ambony be ny fanahiana ny mety hisian'ny fanakorontanana amin'ilay hetsika, kanefa dia nahita marimaritra iraisana ireo mpanao hetsi-panoherana.

Ny fanazavana hafa momba ilay fivakisana dia ireo mpanohitra izay niady fahefana izay samy tsy nisy nànana rahateo (resak'iBoris Nemtsov nohainoana antsokosoko mampiseho ny natioran'ny fifandraisana misy eo amin'ireo mpanao politika avy amin'ny antoko mpanohitra). Noho ny tsy fisian'ny fifampitokisana, ilay hetsika dia tsy nahavory olona maro izay tsy te ho rebirebena. Ny ankamaroan'ireo mpanao fihetsiketsehana dia tsy mpikambana anaty antoko, kanefa nahatsapa fa ilaina ny miaro ny zon'izy ireo hifidy araka ny lalampanorenana.

Ilay fitokonana teo amin'ny kianja Pionerskaya dia nanomboka araka ny nifanarahana tamin'ny 01 ora atoandro. Niatrika ny zava-tsy nampoizina voalohany tamin'io andro io ny olona – noravahan'ny sainan'ny antoko iray monja ilay sehatra – an'ny “Rosiana Marina”, na dia nokarakarain'ny vondrona mafàna fo maro aza ilay hetsika. Ary koa ny hira fanevan'izy ireo aza dia nohiraina taloha sy taorian'ilay famoriam-bahoaka, izay toa nampiseho fa asam-pamoronan-dry zareo manokana ilay hetsika iray manontolo.

The stage with emblem of Just Russia. Photo by dugwin (dugwin.net)

Ilay sehatra miaraka amin'ny sainan'ny Rosia Marina. Sary avy amin'ny dugwin (dugwin.net) (nampiasaina nahazoana alalàna avy amin'ny mpanoratra).

Ny figiazana ny famoriam-bahoaka toy izao (ho an'ny Rosia Marina, ary indrindra indrindra Serguey Mironov, izay hilatsaka ho kandidà ho Filoha ny volana Mars 2012) dia nahatonga fanilihana sy rikoriko teo amin'ireo mpandray anjara. @dark_vovich dia nilaza hoe [ru] :

Nalentik'i Piter [St.Petersburg] tanteraka ny famoriam-bahoaka androany… 

Ary nanampy hoe [ru] :

“Rosia Marina” dia toy ny “Rosia Mivondrona”. Ry zareo no nameno ny famoriam-bahoaka tao Piter. Henatra !

@Andrey_Seryakov dia nandefa bitsika [ru] momba ny vokatry ny hetsika toy izany :

Справедливая Россия сегодня, похоже, окончательно отбила желание у Петербуржцев ходить на митинги.

Toy ny hoe nanosika ireo mponin'i Petersburg tsy hamonjy ilay famoriam-bahoaka ny Rosia Marina.

Nahavory mpandray anjara teo amin'ny 2.500 hatramin'ny 5000 ilay famoriam-bahoaka, hita fa vitsy kokoa noho ny tao Moscou. Ireo mpanao hetsi-panoherana, na izany aza, dia tsy kivy. Ny mpandrindra ny vondrona Vkontakte Saint-Pétersbourg ho amin'ny fifidianana madio” dia nanoratra ho an'ny [ru]  “mpanao politika ao amin'ny “Rosia Marina” izay nanimba ny faharisihan'ny mponina :

Мы выходим на улицы не потому что мы идем за вами, а потому что мы сознательные граждане, которые хотят, чтобы законы их страны соблюдались и чтобы выборы были честными. ЭТО НЕ ВЫ ВЫВОДИТЕ НАС НА УЛИЦЫ, ЭТО МЫ ВЫВОДИМ ВАС!

Midina an-dalàmbe izahay, tsy noho ny fanarahanay anareo, fa noho ny  maha mponina tompon'andraikitra anay, izay mikatsaka ny hanarahana ny lalàna misy eo amin'ny fireneny sy ny mba hampahadio ny fifidianany. TSY IANAREO NO NITONDRA ANAY TENY AN-DALAMBE FA IZAHAY NO NITONDRA ANAREO TENY!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.