Costa Rica : Sehatra Maro Mitsipaka Ny Vinan'ny Governemanta Momba Ny Hetra

[Ny rohy rehetra dia amin'ny teny Espaniola afa tsy amin'ny filazana manokana ]

Amin'izao fotoana izao,  ny laharam-pahamehana ho an'ny governemanta ao Costa Rica dia ny hametraka vina momba ny hetra antsoina hoe “Solidaridad Tributaria” (Hetra faobe) (jereo ny tenifototra #planfiscal), ary dia, vitan'izy ireo hatramin'ny fanajanona ny lahadiniky ny Antenimiera (kaongresy) mpanao lalàna, mba hahafahana miresaka an'io.

Na dia izany aza, sehatra maro ao amin'ny fiarahamonina, antoko politika ary mpandrahara maro no nanao fanambarana ny amin'ny fanoherany mafy io fanovana eo amin'ny lafiny ara-ketra io, izay noelanelanin'ny hetsika tsy manaraka ny lalampanorenana napetrak'i Luis Fishman, mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra. Io antso io dia mifotora amin'ny “vía rápida” (làlana-haingana), araka izay iantsoan'ny kaongresy azy, tsy mamela ny mpikambana hahay hijery tsara ilay vina.  Ilay làlana haingana dia nampiasaina ho vina laharam-pahamehana ary manena ny fotoana hiresahana ny mikasika ny fifidianana lalàna iray.

Ireo mponina dia nampakatra ny feon'izy ho fanoherana ny drafitra ara-ketra, ary ny 13 Desambra, maherin'ny olona roa arivo no nanao diabe ho any amin'ny Antenimiera mpanao lalàna mba hangataka ny fanajanonana ilay vina.  Ny teboka izay nahatonga fifandroritana indrindra dia ny fanovàna ny hetra ara-barotra izay 13% , izay mihatra amin'ireo entana jifain'ny mpanjifa, ny tataon-ketra 14% , izay mahakasika ireo sehatra tsy niharan'ny fanovàna mihitsy hatreto.

Fanakianana ilay vina ara-ketra nandritra ilay hetsi-panoherana nataon'ireo mponina tsy faly ao Costa Rica ny 11 Novambra 2011. Sary: Luis Diego Molina.

Ilay bilaogera El Chamuko dia nanoratra momba ilay hetsika fanoherana  ilay vina El Infierno en Costa Rica (Ny Helo ao Costa Rica) :

Este Chamuko ve con buenos ojos que al fin se lograra articular en un solo movimiento a los sectores populares contra este garrotazo gestado por el pacto PALI [“el pacto PALI” es un apodo que se utiliza en redes sociales para denominar el pacto que realizaron el partido gobernante Liberación Nacional y el Partido Acción Ciudadana, segunda fuerza política del país, que desembocó en el Plan Fiscal que se encuentra en estudio]. Este Chamuko cree firmemente que el gobierno debe recaudar bien los impuestos existentes y eliminar completamente el 70% de evasión fiscal, y esto no se logra cerrando soditas y tiendas de tarjetas, son necesarias acciones más contundentes para agarrar a los grandes evasores.”

Chamuko dia mahita mazava fa any amin'ny farany, ny sehatra ara-panjakana dia hiaraka ao anaty hetsika iray miady amin'ny famelezan'ny “el pacto PALI” (the PALI pact) [“el pacto PALI” dia anaram-petaka ampiasain'ny vohikala tambajotra sosialy mba hilazana ilay fifanarahana  nataon'ny antokon'ny mpitondra Partido Liberación Nacional (National Liberation Party) ary ny Partido Acción Ciudadana (Civil Action Party), ilay hery politika faharoa ao amin'ny firenena,  izay tonga hatrany amin'ny Vina Ara-ketra hita tao amin'ilay fanadihadiana].  Chamuko dia mino fa ny governemanta dia tokony hanangona ny hetra misy ary hanafoana tanteraka ny 70%-n'ny fandosirana hetra, ary io tsy hikatona ny “cafès” sy ny toeram-pivarotana karatra firaran-tsoa, asa mafimafy kokoa no ilaina mba hisamborana ireo ngezalahy mpandositra hetra.

Ireo sendika izay nanao ilay antso hanao hetsi-panoherana dia nampitandrina fa tsy maintsy hitohy izany hatramin'ny taona ho avy , tsy ijerena izay faneken'ny mpikambana ao amin'ny antoko, na tsia,  ilay vina. Ao amin'ny  vohikalan'ilay fikambanana ho an'ireo Mpampianatry ny Ambaratonga Faharoa  (APSE),  sendikà lehibe iray no manamafy fa  :

Si el proyecto es aprobado en primer debate antes del 24 de diciembre, no nos cruzaremos de brazos; las acciones de protesta seguirán en el 2012, aun cuando la Sala Cuarta declare que no contiene vicios de inconstitucionalidad”.

Raha toa ilay vina ka ekena alohan'ny 24 Desambra , dia tsy afaka ny hiraviravy tànana isika; mbola hitohy ny taona 2012 ilay hetsi-panoherana, na dia hilaza aza ny Efitra Fahaefatra fa tsy ahitàna zavatra tsy araka ny lalampanorenana izany.

Tamin'io andro io ihany , ny  Filankevitry ny Anjerimanontolo ao amin'ny Anjerimanontolon'i  Costa Rica dia namoaka fanambarana iray nilaza fa “tsy ho an'ny firenena ” ilay vina dia ary nangataka tamin'ny governemanta hiady amin'ny fandosirana hetra (tsindrio eto raha hijery ilay fanambaràna amin'ny endriny  .pdf).  Tany aloha , ireo vondron'ny fandraharahàna koa dia nitsipaka ilay tetikasa [en].

Manohitra izany hevitra izany, ny tanjon'ny governemanta hampanaiky izany tetikasa izany alohan'ny faran'ity taona ity dia nihasarotra be. Costa Rica dia hamaràna ny taona 2011 amin'ny tsy fahombiazana ara-ketra ao Amerika Latina ,  amin'ny fametrahana ny governemanta eo anelanelanà vato sy toerana sarotra amin'io resaka io .

Tonga saina ny amin'ny filàna vahaolana haingana  amin'ilay olana,  David Solís, mponina iray,  izay nanao fanambaràna tamin'ny alalan'ny  lahatsoratra fanbehoan-kevitra iray nivoaka tao amin'ny Amauta, gazetiboky iray anaty aterineto :

Los sectores populares estamos dispuestos pagar impuestos pero que sea de forma equitativa, lo cual implica derrotar este plan fiscal y generar un real acuerdo social respetuoso para las familias trabajadoras donde el Estado perciba más impuesto por un proyecto que rompa la regresividad de los impuestos actuales y de los propuestos por el PLN-PAC.”

Ny sehatra ara-panjakana dia vonona ny handoa hetra raha toa ka ara-drariny izany, izay tsy maintsy ilàna ny hampitsahatra izany vina ara-ketra izany ary hamoronana fifanarahana ara-sosialy manàja ireo fianakaviana miasa, ka amin'izany ny fanjakana dia mandray hetra bebe kokoa ho an'ny tetikasa iray mandrava ny hetra mijotso teo aloha ary ny tolo-dalàna PLN-PAC.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.