Tohano Ny Global Voices

Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'ny fampahalalam-baovao an-tserasera. Teo foana ny Global Voices nitatitra ireo revolisiona niseho, ny fihonganan'ny didy jadona, sy ny fiantraikan'ny fikorontanana nateraky ny fihetsiketseham-bahoaka mbamin'ny fikomiana notaterin'ny mpanoratra tato aminay manerana izao tontolo izao tany amin'ny firenena sy tanàna maro.

Global Voices poster

Mba hanamarihana ity taona nampientanentana indrindra ho antsika ity dia namoaka afisy manana isa voafetra voafetra izahay sy ny mpiara miasa ao amin'ny Morningside Analytics, ahafahana mahita ny “vahan-danitr'izay nifantohana” tao amin'ny tranokala notontosain'ireo mpamaha bolongana ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny isan-karazany. Ny fira [sary] avokan'izany dia mampiseho ny herin'ny Fikambanana ato amin'ny Global Voices, ary natao ho toy ny zava-kanto enti-mahatsiahy mampisongadina ny taona nampientanentana indrindra teo amin'ny tantara sy ny firoborobon'ny valan-tserasera. Natao ho an'ireo izay manolotra lelavola US$25 na maherin'izany ny afisy. Afaka mamandrika izany mialoha eto amin'ity rohy ity ianao. Alefanay ny afisinao amin'ny volana Janoary taona 2012.


Na dia tsy mpankafy afisy aza ianao dia fifaliana ho anay hatrany ny mandray ny fanohanana  ara-bola avy aminao. Lasa mampisy fihenan-ketra ny fanomezana ara-bola mitohy ao Etazonia, raha mila fanampim-baovao bebe kokoa amin'ny fanohanana ara-bola ianao dia tsidiho ny pejinay Manomeza. Sitrakay tokoa raha ampitainao any amin'ny valan-tserasera hafa izao lahatsoratra izao!

Ny Global Voices dia fikambanana manolo-tena ahitana mpanoratra maherin'ny 500, mpandika teny sy mpikatroka an-tserasera izay mitatitra aminao hatrany ireo vaovao miseho sy resadresaka manerantany izay saiky tsy mba mivoaka amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra hafa. Jereo ny lahatsary vaovao misy ny famantarana anay sy ireo olona manohana anay!

Anisan'ny tranokala be mpankafy ny Global Voices, mandrisika anay hanao ny tsaratsara kokoa hatrany sy hanohy ny ezaka efa vita  ny fanohanana ara-bola avy aminao. Misaotra anao sahady!


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.