Tontolo Arabo: Kisarin'ny Tanjaky ny Global Voices Ao Amin'ny Twitter

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana mikasika ny Revolisiona ao Ejipta 2011 sy ny Revolisiona ao Tonizia 2011.

Be zava-nitranga ity taona hivalona ity raha tsy hilaza afa-tsy ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra misy anay. Amin'ny maha-ampahan'ny fitantarana manokana momba ny faran'ny taona azy dia manao jery todika ny sasany amin'ireo fihetsiketsehana lehibe hitanay nandritra ny 2011 izahay. Ity lahatsoratra ity dia hanavaka ny anjara asan'ny fikambanana Global Voices Online amin'ny fanapariaham-baovao ao amin'ny Twitter nandritra ny revolisiona Toniziana sy Ejipsiana.

Ny teny iditra niteraka ity fomba fijery ity dia avy tamin'ny lahatsoratra “The Revolutions were Tweeted” (nosiahana ny revolisiona) hita tao amin'ny International Journal of Communication izay namoaka an-tsarintany ny vaovao tena nisongadina nandritra ny revolisiona Toniziana sy Ejiptiana. Mampiasa fampidirana teny iditra roa amin'ny siokantserasera ny fanadihadiana. Ny voalohany ahitana bitsika miisa 168.663 nalefa teo anelanelan'ny 12 sy 19 janoary 2011, misy ny tenifototra ‘#sidibouzid’ na ‘tunisia’. Ilay faharoa ahitana bitsika miisa 203,270 nalefa teo anelanelan'ny 24 sy 29 Janoary 2011, misy ny tenifototra ‘egypt’ na ‘#jan25′.

Amin'ny maha-ampahana fanadihadiana azy, dia navahan'ny mpanoratra ho karazana mpiantsehatra ny mpiserasera ahafahana izay tena nazoto niavian'ny vaovao niely indrindra, ary tafiditra koa ny fironan'ny karazany avy. Tsy gaga ny mpanoratra raha nanjaka ny fampitana siokantsera eo amin'ny mitovy karazana (ireo mpanao gazety mampita bitsika avy amin'ny mpanao gazety, ireo bilaogera mampita bitsika avy amin'ny bilaogera, sns…).

Raha dinihana lalindalina kokoa ny tambajotra, dia hitantsika ny fa mifaningotsingotra be ihany ny fifandraisana sy ny fifandrohizana eo amin'ny mpisiokantsera sy ny vontoaty bitsihana indray. Ny sary eo ambany ohatra, dia firan'ny endri-pifandraisana mifantoka any amin'ny @ircpresident (Mohamed El Gohary ato amin'ny GVO). Ny jiro hafa mirehitra sy miseho anarana dia mampiseho ireo mifanakaiky avy hatrany amin'i El Gohary – dia ireo izay nampitainy indray ny bitsika na izay nampita ihany koa ny bitsika nataony.

Araka ny habetsaky ny fampitana ny bitsika iray no halehiben'ny jiro iray. Ny tena hita soritra, dia ny habetsaky ny bitsika miverina avy ao amin'ny serasera. Ny jiro maitsomaitso dia avy amin'ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices. Ny hazavàna mangamanga dia avy amin'ny mpanao gazety mahazatra, ny manga antitra dia ho an'ireo bilaogera ary ny voloparasy kosa jiron'ireo mpikatroka.

I Nasser Weddady (@weddady) no ifantohan'ity fira ity raha eo amin'ny isa sy ny fotoana nampitany ny bitsika indray, ary eo ihany koa ny habetsahan'ireo mpisera izay namerina nandefa indray sioka nalefany (maherin'ny 800 ato amin'ity fampidirana teny iditra ity, izay mampahafantatra ny ampahany kely indrindra amin'ny hafatra nivoaka nandritra ny fihetsiketsehana).

Manana teboka 71.525 misolo tena ny mpisera Twitter namoaka vontoaty momba an'i Ejipta sy i Tonizia ity kisary ity, ahitana tampony 190.814 – endrik'ireo nampita vontoaty. Ao anatin'izany mpisera izany no ahitana mpandray anjara ato amin'ny Global Voices miisa 140, mandefa sy mampita bitsika misy ifandraisany amin'ny fihetsiketsehana tao Ejipta sy Tonizia.

Arab Revolution

Rehefa jerentsika ny jiron'ny mpanoratra rehetra ao amin'ny Global Voices ka apetratsika ivelan'ny tahala lehibe dia mihamazava kokoa ny fifandraisany amin'ny hafa ao anatin'ny tambajotra.

Taona nafana sy nampiroborobo aingam-panahy izy iny. Nahatalanjona ny asa vitan'ny Global Voices tamin'ny fitsongoana sy ny fitantarana izay nisongadina tao amin'ny bilaogy sy tao amin'ny valan-tserasera manerana izao tontolo izao ary voninahitra faratampony ny mba anisan'izany ekipa izany.

Mba hahafeno ny fanadihadiana momba ny Revolisiona Toniziana,  vakio ny pejy Fitantarana Manokana ary raha hijery indray mihelatra ny revolisiona ao Ejipta, ary vakio ihany koa nyFitantarana Manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana mikasila ny Revolisiona ao Ejipta 2011 ary ny Revolisiona ao Tonizia 2011.

Ity Lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadina nataonay manokana mmikasika ny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.