Bolivia: Ny Hetsika Ankalamanjàna “Fiaraha-mientan'ny Conectándonos”

Ny telo andron'ny hetsika “Conectándonos” (Fampifandrohizana) dia  niniana mihitsy noferana ho mpandray anjara 35 sy mpandrindra 5 monja. Izany havitsiana izany no nampisy fifaneraserana betsaka sy fifandraisana teo amin'ny samy mpanotrona ilay atrikasa. Kanefa na izany aza, fantatray tsara fa ny anton-dresaka goavana amin'ny fandraisana anjara amin'ilay habaka anaty aterineto Boliviana dia  ny fifanakalozan-dresaka tokony atao miaraka aminà fiaraha-monina mivelatra kokoa. Noho izany antony izany, tahàkan'ny ampahany amin'ny fiaraha-mientana, dia hetsika iray ho an'ny daholobe no natao ny alin'ny 13 Desambra [es], izay sady natao maimaim-poana no misokatra ho an'ny olon-drehetra.

Indreto ny fandaharam-potoana ho an'ilay hetsika, izay ahitàna mpandahateny avy amin'ireo mpandray anjara amin'ilay fiaraha-mientana, hatramin'ny sasantsasany amin'ireo vahiny nasaina.

Fampahafantarana: Ny Fivoaran'ny “Digital El Alto”
Mpandahateny
: Mario Durán Chuquimia (El Alto)

Taona vitsivitsy lasa izay, ny isan'ny bilaogera ao amin'ny El Alto, tanàna iray izay misy mponina maherin'ny iray tapitrisa, dia voaisa tamin'ny rantsan-tànana. Ankehitriny kosa anefa dia tanàna tena mavitrika amin'ny resaka niomerika izy, izay betsaka kokoa raha oharina amin'ny tanàna hafa ao amin'ny firenena ny tanora miditra amin'ny aterineto. Haheno momba izany tantara izany sy ny fepetra sasany izay manampy amin'ny fampihenàna ny fivakisana niomerika ao  “El Alto”  isika. Haheno ihany koa isika ny momba ny traikefan'olona iray avy amin'ireo bilaogera tranainy sy ny hafa izay mampiasa ny haino amn-jerin'olon-tsotra mba hanehoana endrika hafan'ny tanàna amin'ireo tanàna sisa eto amin'ny firenena sy ny ambin'izao tontolo izao.

Fampahafantarana: Ahoana no Hifaneraseràna ao Bolivia
Mpandahateny: Annelissie Arrázola y Jessica Olivares (Santa Cruz)

Fantatsika fa manome safidy maro ho an'ny fifandraisana ireo tranonkalanà tambajotra sosialy. Na izany aza, mba hampihenàna ny fivakisana niomerika sy handrisihana bebe kokoa ny fandraisana anjara, ny serasera ‘eo amin'ny fiainana andavanandro’ dia tena zava-dehibe noho ny rehetra. Ireo tetikasa fandraisana andraikitra niomerika sy fampiofanana ireo dia mitaky fiaraha-miombon'antoka sy fiaraha-miasa matotra mba hahazoana antoka fa hidadasika kokoa ny fandrakofana ho vita ary goavana ny fahombiazana. Tao anatin'ity famelabelarana ity, dia nisy mpitarika roa avy ao an-tanànan'i Santa Cruz niresaka mikasika ny traikefany tamin'ny famoronana ireny  serasera reiny mba hisian'ny zavatra mihetsika.

Adihevitra: Ny Dingana Voalohany Mankany Amin'ny Sehatra Ho An'ny Daholobe Mora Mandray Kokoa
Mpitarika: Wilfredo Jordán (El Alto)
Komity: Marisol Murillo Velásquez, Minisitra Lefitry ny Fiarovana ny Zon'ny Mpanjifa (@consumidorbo)
Juan Carlos Uribe MendietaVirtual Citizenship, CERES
Diego Andrés Gonzales Rioja – “Community Manager”-n'ny Ambaratongan-dalàna Mikasika ny Fahaleovan-tena, ny  Fikambanana Departemantaly ao Cochabamba (@asambleacbba)

Ireo sampan-draharahan'ny governemanta sy ireo sehatr'asam-panjakana dia manaiky hatrany hatrany ny maha zava-dehibe ny aterineto ho toy ny fitaovana iray hahafahana mifandray sy mifanerasera amin'ireo mpiray tanindrazana. Ireo pejy Facebook sy ireo kaonty  Twitter-n'ny sampan-draharaha sasany dia ahafahana mifanerasera betsaka kokoa  amin'ny mpiray tanindrazana. Ireo fepetra ireo dia dingana voalohany tena tsara tokoa, saingy ahoana no hahatakàrany olona maro, indrindra fa ireo any amin'ny sehatra midadasika be amin'ny fiaraha-monina tsy dia miditra matetika amin'ny aterineto?

Fifanakalozan-dresaka amin'ny fiteny nentin-drazana ao amin'ny aterineto. Sary avy amin'i Georgia Popplewell.

Fifanakalozan-dresaka: Fiteny Nentin-drazana ao Amin'ny Aterineto
Mpitarika: Eduardo Ávila, Global Voices,
Panelistas – Ruben Hilare (El Alto), Victoria Tinta (El Alto), Ignacio Tomichá Chuvé (Santa Cruz)

Misy fiteny nentin-drazana maherin'ny telopolo no ampiasaina ao Bolivia, ka maro amin'izany no tandindonim-pahafonganana tsy hisy intsony. Tena sarotra mihitsy ny mitady votoatin-kevitra amin'ireny fiteny ireny  rehefa misy olona manao fikarohana amin'ny aterineto. Hiresaka momba ny fanamby atrehan'ireo vondrom-piaraha-monin'ny vazimba teratany eo anatrehan'ny fampiasàna ireo fiteny ireo ao amin'ny aterineto isika, toy ny firesahana ny momba ny fepetra sasany noraisina izay hanomezan-danja ny fampiasàna ireo fiteny ireo ao amin'ny bilaogy, Facebook, Twitter, ary YouTube, ho làlana iray hamporisihana ireo tanora vao misandratra mba hanome aina vaovao indray ireo fiteny ireo.

Fampahafantarana: Sehatra Azo Antoka Kokoa Ho An'ny Fifandraisana
Mpandahateny:Juan Ernesto Luna Ulloa (El Alto), Mpandrindra Nasionalin'ny Tambajotran'ny Fahasamihafàna eo Amin'ny Tanora Boliviana

Ny fikambanana LGBT ao Bolivia indraindray dia tsy maintsy miafina anaty aloka noho ny tsy fandeferana sy ny fanavakavahana ataon'ireo seha-piaraha-monina. Noho io antony io, dia nisy bilaogera sasan-tsasany avy amin'ny fikambanana LGBT nahatsapa ny filàna manoratra tsy mitonona anarana. Na dia misy aza ny hoe any amin'ny faritra sasany ao amin'ny firenena dia miova tsikelikely ny zavatra, ireo tranonkalanà tambajotra ara-tsosialy dia manome vovonana azo antoka ho an'ireo mpikambana ao amin'io vondrona io mba hanehoan'izy ireo ny heviny, lavitra ireo zava-misy ivelan'ny tontolo sarintsariny. Ho fanampin'izany, ireo fifandraisana amin'ny hafa amin'ny alalan'ny tambajotra ireo dia hampihena ny fahatsapàna  fitokana-monina izay mazàna tsapan'ny sasany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.