Tontolo Arabo : Misaotra Anao Mohamed Bouazizi! Misaotra Anao Sidi Bouzid!

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Revolisiona ao Ejipta 2011.

Ireo mponina anaty aterineto manerana izao tontolo izao dia mankalaza ny fitsingerenan'ny taona voalohan'ny revolisiona Arabo, izay vokatry ny fandoroana tena nataon'ilay mpivarotra voankazo sy legioma Mohammed Bouazizi tao Sidi Bouzid, Tonizia. Ilay nanomboka ho fanoheranà olona iray noho ny hambom-po dia nanaitra ny tontolo Arabo ary mihoatra noho izany ny afon'ny revolisiona, izay nahatonga fahatezerana ary tsy mety maty na dia teo aza ny ezaka nataon'ireo mpanao jadona sy ny mpanara-dia azy ireo.

Bouazizi dia nandoro ny tenany tanaty afo ny 17 Desambra ary maty ny 4 Janoary.

Arabo an'hetsiny nanomboka teo no naneho ny heviny nanerana ny faritra, nanao antso avo ho an'ny fanovàna ny rafitra ara-politika, ara-pahefana mpanantanteraka, ara-tsosialy ary ara-toekarena. Rehefa nolavin'ny mpanao jadona ao aminy ny fitakian'ny mponina dia nampitombo ny fitakiany, nanao antso ho amin'ny fanovàna ny fitondrana. Zeine Al Abedeen Ben Ali avy ao Tonizia no voalohany nianjera ny volana Janoary ; narahin'i Hosni Moubarak avy ao Ejipta ny volana Febroary ; avy eo ny kolonely Mouammar Kadhafi, izay nitondra an'i Libia nandritra ny 42 taona, izay voaongana ary novonoina ny volana Oktobra. Ny fianjeran'ireo mpanao jadona telo ireo dia fotoana manan-tantara teo amin'ny tontolon'ny hetsi-panoherana, nanomboka ny 17 Desambra 2010, ary nomen'ny filazam-baovao Tatsimo ny anarana hoe Lohataona Arabo. Kanefa ny revolisiona Arabo dia mbola tsy vita hatreo.

Ankehitriny ireo mponina anaty aterineto dia manome voninahitra an'i Mohamed Bouazizi, izay nahoraka be ny fihetsiny, nametraka ny vahoaka Arabo, ny filàny ary ny hetahetany ho loha-laharana eo amin'ny adihevitra ara-politika manerana izao tontolo izao. Tamin'ny fotoana nanoratana izao lahatsoratra izao, dia mbola mitohy ny famonoana ireo mpanao fihetsiketsehana, enjehina ary tafihana manerana ny faritra, miaraka amin'ny fihetsika iraisan'ny herivelona manerana izao tontolo izao, dia manao antso amin'ireo mpanao jadona  mba hanisy fetra ny fihetsiny manoloana ireo mpanao fihetsiketsehana izy ireo. Olona an'arivony no efa namoy ny ainy hatramin'izay, ary an'aliny maro hafa no naratra sy nitondra takaitra. Betsaka ireo hetsika fanoherana no tsy mampiseho fihemorana, ary ireo mpanao jadona, izay mandà ny hijery mivantana ny nahazo an'i Ben Ali, Moubarak ary i Kadhafi sy ny tariny, dia tsy manome fambara ny hanaiky ho resy.

Mohamed Bouazizi's grave in Sidi Bouzid

Ny fasan'i Mohamed Bouazizi ao Sidi Bouzid. Sary nozarain'i Ayman Mohyeldin tao amin'ny pejiny Facebook

Tao amin'ny Twitter, ilay Maoritaniana Mouritaniya dia nahatsiaro ny [ar] nahafatesan'i Bouazizi tamin'ny filazana hoe :

رحمة الله عليه , مات فأحيا أمة
@mouriytaniya : Omen'i Allah ny fanahinao anie ny fiadanana. Maty izy mba hanome fahaterahana vaovao ny firenena iray.

Ary ilay Toniziana Imen B dia nanampy hoe [ar] :

الثورة سراب و لكن سيدي بوزيد واقع
@__Imen : ny Revolisiona dia nofinofy fa i Sidi Bouzid dia tena marina

Ilay Toniziana Mohammed Ali Chebaane dia niresaka io raharaha io tamin'ny alalan'ny fandefasana bitsika misesy.

@MedAliChebaane :  Androany aho dia tsy mankalaza, androany aho dia mahatsiaro ~ asa, fahafahana, Hambom-po Nasionaly. #SidiBouzid

@MedAliChebaane :  Nandeha tany #SidiBouzid efa maherin'ny im-polo aho tamin'ity taona ity ary fantatro fa mbola misy izay fahatsapana izay any! #DontForget

@MedAliChebaane : Herintaona taty aoriana, ny fianakavianay dia tsy mbola nahazo ny tatitra ara-bolan'ilay fitondrana mpangalatra teo aloha. Mbola mitohy ny ady! #SidiBouzid

Ilay Toniziana namana iray Walid Saad dia nanamarika hoe :

@walidsa3d : Namoizako olona roa tao amin'ny fianakaviako io revolisiona io, ary mankarary mafy ahy amin'ny lafiny rehetra mihitsy. Kanefa mbola tiako foana #SidiBouzid #Bouazizi

Ary Youssef Cherif, mbola avy ao Tonizia ihany, nanamarika hoe:

@Faiyla :  Tamin'ny andronay taloha ny Fampihorohoroana Faobe dia efa lasa; ary ankehitriny isika [fotoanan'ny olon'ny taona] #Time ‘s #PersonOfTheYear !

Ilay Libiana Ismael Zmirli nilaza hoe :

@ChangeInLibya : Misaotra Bouzizi amin'ny fanomezanao anay fahatsapana fifaliana, namerina ny fitiavanay ny tanindrazanay sy ny fampahafantarana izao tontolo izao fa olombelona ihany koa isika. Mandria am-piadanana.

Ilay Saodiana Mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra Ali Al Dafiri dia nanoratra hoe [ar] :

بعد هذا اليوم .. أصبح العالمُ العربيُّ عـربـة خضارٍ ثائرة
@AliAldafiri :  Aorian'ny andro androany, ny tontolo Arabo dia ho lasa fiarabe hanirian'ny voankazon'ny revolisiona

Ilay Syriana The 47th dia nanohy toy izao :

@THE_47th :  Maty ianao..ary toy izany koa ny tahotra… #RIP #Bouazizi

Ilay Yemenita Noon Arabia dia nandefa bitsika hoe :

@NoonArabia :  Na dia mitohy aza ny herisetra & ny tsy rariny, dia mbola manana fanantenana izahay, noho i #Bouazizi izay nanafaka anay & nanome anay antony hanànana faharetana.

Olona iray amin'ireo 100.000 avy ao Koety tsy manana zom-pirenena i Mona Kareem, no nampahatsiahy anay hoe :

@monakareem :  Misaotra  #Bouazizi amin'ny fampahatsiahivana anay fa manana ny hambonay izahay #Arabspring

Ary ilay mafana fo Ejiptiana Gigi Ibrahim dia manome toky hoe :

@Gsquare86 : Tamin'ny herintaona tahaka izao #BouAzizi dia nandoro ny tenany tanaty afo ary nandoro ny firenena rehetra teny amin'ny lalàn'ny fahafahana, tsy hiverin-dalàna na oviana na oviana izahay! #FreeEgypt

Miaraka amin'izany, dia mametra-panontaniana aho hoe :

@JustAmira :  Moa va tsy mampino ny #SidiBouzid zavatra nitranga kisendrasendra tany amin'ny tontolo Arabo ? Tsy nolazaina  tamintsika mihitsy hoe iza no nanao inona : iza no namono ireo vahoaka ?

Raha mila fanehoan-kevitra misimisy kokoa, tsidiho ny tenifototra #SidiBouzid sy #Bouazizi ao amin'ny Twitter.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Revolisiona ao Ejipta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.