Iran: Mpiasa Tsy Nahazo Karama Nitoraka Kiraro Ny Filoha Ahmadinejad

Mpamaha bolongana marobe no naneso ilay vaovao mikasika ny Filohan'i Iran Mahmoud Ahamadinejad,  kinendrin'ilay mpitoraka kiraro tezitra mafy, nandritra ny kabary nataony tao avaratr'i Sari, tamin'ny 12 desambra 2011.

Tsy nahavoa ilay toraka kiraron'ilay mpiasa mpanenon-damba teo aloha, antsoina hoe Rashid S., nitangorona teo aminy ireo mpanatrika tao ary nively azy mandrapaha-tongan'ny mpitandro ny filaminana. Namoaka ny zava-nitranga izay feno fanaratsiana ilay lehilahy ny fampahalalam-baovao Iraniana, ary nilaza fa efa nanipy zavatra tamina Filoha hafa teo aloha ihany koa ity lehilahy ity. Nandritra izany, niezaka nitantara ny zava-niseho sy izay tena marina kosa ny mpamaha bolongana.

Cartoon: "The future of the presidency"

"Ny hoavin'ny Fiadidiana ny Repoblika" nataon'i Nikahang Kowsar, mpanao sariitatra Iraniana malaza no sady mpamaha bolongana (Roozonline)

Tao amin'ny Plus, Bahman Daroshafaei, namoaka ny fijoroana vavolombelona nataon'ilay tanora 16 taona izay nalefa hihaino ny kabarin'ny Filoha Ahmadinejad:

Mifanohitra tamin'ny fitantarana ofisialy, tsy namono ilay mpitoraka kiraro ireo mpanatrika tao, fa olona teo amin'ny roa na telo teo ihany no nively azy ary avy eo tonga ny polisy namonjy azy. Tsy notaterin'ny fampahalalam-baovao Iraniana avokoa ny fizotry ny zava-drehetra niseho. Teo antenantenan'ny kabarin'i Ahmadinejad, tonga tao ireo vondrona mpiasa mpanenon-damba tsy nahazo ny karamany noho ny fikatonan'ny orinasa niasan'izy ireo. Nilanja soram-baventy izy ireo ary nangataka ny mba handoavana ny karamany. Saiky voatery najanona mihitsy ny fivoriana raha  tampoka teo niditra tao ilay mpitoraka kiraro. Tsy mankasitraka an'i Ahmadinejad ny sorambaventy nolanjain'ny olona (tsy ilay mpitoraka kiraro fa hafa).

Tao amin'ny bilaoginy, Afkar Mazyar nanoratra fa araka ny vaovao voaray, dia tsy voaloa ny karaman'ity mpiasa ity nandritra ny herintaona, ary narahin'ireo mpitandro ny filaminana avy hatrany izy nony avy eo. Nanazava ilay mpamaha bolongana:

Tsy namoaka ny ankamaroan'ny antsimpirian'ny zava-niseho ny fampahalalam-baovao Iraniana, hita fa ireo mpanohana ny governemanta ihany no tena manana ahiahy ny amin'ilay mpitoraka kiraro. Ny hanimba ny hetsim-panoherana no kendren’ ireo fampahalalam-baovao manohana ny governemanta ireo, izay nilaza fa maro tamin'ireo olona nanatrika ny kabary no nilanja soram-baventy manohana ny filoha. Nanoratra ihany koa izy ireo fa efa nanao tahaka izany ilay lehilahy [mitoraka zavatra] tamina filoha teo aloha, dia ilay reformista Mohammad Khatami.

Azarak nanoratra fa raha nataon'ny manam-pahefana Iraniana  ho vaovao misongadina lehibe ilay toraka kiraro nahazo ny filoha George W. Bush nataona mpanao gazety Irakiana tamin'ny taona 2008, tsy mba sainin'izy ireo fa natao izany fomba izany ho fanoherana azy. Nanamafy ilay mpamaha bolongana fa ny volabe lany amin'ny fivezivezen'ny filoha mankany amin'ny faritany dia fomba iray izay lazaina fa hamahana ny olana mahazo ny mahantra, kanefa mampiseho izany fomba izany fa tsy misy fihatsarany akory ny fiainan'ireo olona mahantra, fa vao mainka miharatsy tanteraka aza ny fari-pianan'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.