Lahatsary: Mamaly ny Media Amin'ny Alalan'ny Webcam i Afovoany Atsinanana

Maneho hevitra Amin'ny Fahitalavitra ao Moyen Orient (Talk Back TV Middle East), fomba iray ahafahan'ny olona ao Moyen-Orient sy Afrika Avaratra mamaly sy  maneho hevitra ao amin'ny fahitalavim-panjakana voafehy sy amin'ny fampahalalam-baovao mampiasa webcam sy solosaina fotsiny.

Nohazavaina tato amin'ny maneho hevitra amin'ny tranokala (talk back website ny fandehan'izany:

Mahita zavatra ao amin'ny fahitalavitra ianao ary te haneho hevitra – Safidio ny clip-nao amin'ireo loharano misy ny tahiry fototra, tehirizo amin'ny alalan'ny webcam  ny fanehoan-kevitrao, ampiasao ny bokotra mpandefa ny feo mba handrakotra izany miaraka, avy eo jereo ny lahatsarinao ao amin'ny fahitalavitra TalkBack. Rehefa vita izany, dia avoahy ary aparitaho fa nahavita ny “Fanehoan-kevitra” ianao amin'izay tranokala alehanao. Fitaovam-pifandraisana mafonja ankehitriny ny webcam-nao.

Nasongadina tao amin'ny bilaogin'izy ireo izany ankehitriny, fanehoan-kevitra nataon'i Khaled Eibid tao amin'ny Essam Atta, mpikatroka Ejyptiana 24 taona izay nampijaliana sy novonoin'ireo mpiambina ny fonja tao amin'ny fonjan'ny miaramila Ejyptiana izay nitazonana azy. Tsy voaresaka teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny zava-niseho, ka nanjary tsy nisy nahalala ny fahafatesany hoy i Khaled Eibid nanamarika tamin'ny fanehoan-keviny:

Tamin'ny teny Arabo ny fanehoan-kevitra nataon'i Khaleds Eibid ho fanomezam-boninahitra an'i Essam Atta sy ireo mpikatroka hafa novonoin'ny fitondrana. Indreto ny dika mifanakaiky izany. Tsy fantatro ny mozika miaraka aminy. Saingy mahafinaritra tokoa ilay izy.

“Tsy nahazo rariny tamin'ny fitsarana izahay tamin'i Khaled Said”
” Tsy nahazo rariny tamin'ny fitsarana izahay tamin'i Said bilal”
” Mbola avela tsy handray ny andraikiny indray ve ny fitsarana ny amin'i Essam Atta?”

” Nahoana no mora vidy toy izany ny ràn'ny Ejyptiana ” ?

Mpandray anjara hafa nandefa ny lahatsariny ihany koa tamina karazana loha-hevitra. Ohatra, Raafatology nitarika ny adihevitra ny fomba ahafahana hifidy any ivelany no ilain'ny Ejyptiana tamin'ny fifidianana farany teo, tahaka ny namany ao amin'ny firen-kafa toa an'i Sodàna sy Iraka. Tamin'ny farany sy taorian'ny tolona, voahaja ihany ny zo tokony hifidy.

Khaled Eibid nanantosa fanehoan-kevitra hafa momba ny tsy fanasaziana ny heloka feno herisetra ataon'ny tafika amin'ny olom-pirenena. Nanao herisetra tamin'ny olom-pirenena mpanao fihetsiketsehana ny tafika Ejyptiana taorian'ny 25 Janoary ary tsy nahomby ny fomba fitsarana tamin'izany tranga izany . Manafay ny olom-pirenena mpanao fihetsiketsehana ny tafika saingy tsy nahomby tamin'ny fanandramana mba hanao zavatra amin'ny lafiny tsara ho an'ny firenena , raha toa ilaozana manao izany amin'ny mpanao fihetsiketsehana, izay eo amin'ny  tafika 15 manokana isaky ny olom-pirenena matetika.

Ary fanehoan-kevitra fohy tao amin'ny lahatsary mitovy, Akhnaton nanontany ny antony tsy nahatongavan'ny polisy tao an-toerana androany, araka ny efa nataony tamin'ny 28 Janoary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.