Iran: Aiza ny Mpiara-mianatra Amiko?

Maro ireo seza banga ao amin'ny oniversite ao Iran, sezan'ireo mpianatra izay tsy hita popoka ankehitriny. Tsy afaka nandia ny fianarana ny sasany noho ny resa-pinoana, toy ny mpikambana ao amin'ny finoana vitsy an'isaBaha'i izay enjehina, ny hafa kosa nogadraina noho ny fanaovana politika, novonoina teny an-dalana, na noterena handao an'i Iran. Raha ny zava-niseho tsara indrindra; dia ny fandroahana mpianatra tsotra izao fotsiny.

Tamin'ity taona ity, Tahkim Vahdat,  vondrona mpianatra mpitarika  fihetsiketsehana, niantso ho amin'ny “Fanentanana ny Seza Banga”, maneran-tany, tamin'ny 7 desambra, Andron'ny mpianatra Iran, mba ho fahatsiarovana ireo tratran'ny fahadisoam-panantenana  mba ho afaka hianatra indray. Noforonina ny pejy Facebook, horonantsary marobe no nalefa tao amin'ny YouTube mba hanehoana firaisankina miaraka amin'ny mpianatra noroahina sy nofaizina ao Iran. Indreto telo amin'izany…

Oniversite George Washington, Etazonia

Ao Barcelona, Espaina

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=4535gGdL-qQ

Hafatra avy any Kanada ho an'ny mpianatra nigadra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.