Syria: Voaheloka i Razan Ghazzawi, Manohy Ny Fanentanany Ireo Bilaogera

Valo andro taorian'ny nisamborana azy, voaheloka i Razan Ghazzawi, araka ny lahatsoratra iray navoakan'ny Lebanese Daily Star, izay mitatitra hoe:

Araka ny nambaran'ireo mpisolovava azy, i Razan dia voampanga aminà  “fananganana fikambanana mikendry ny hanova ny mpitarika ara-tsosialy sy ara-toekarena eo amin'ny firenena” ary “manao izay hamparefo ny fahatsapan'ny olona ho olom-pirenena, ka manandrana mandrehitra ny afon'ny fifankahalàna isam-paritra”  sy  “mandemy ny fahatsapan'ny olona ho olom-pirenen” — ireo rehetra ireo izay mitondra mankany amin'ny fanamelohana 15 taona an-tranomaizina.

Sariben'ny fanentanana maneran-tany ho fanafahana an'i Razan

Ao amin'ny  Twitter, henjana ny fanehoan-kevitr'ireo mpanohana azy momba ireo fanamelohana. Ilay Siriana  bilaogera @anasqtiesh dia nanoratra hoe:

 

Sangy ratsy ireo fanamelohana mahazo an'i dia Razan Ghazzawi. Tahaka ny zavatra hafa ataon'ny fitondràna Siriana fotsiny. #FreeRazan #Syria


Ny hoe “fandemena ny fahatsapan'ny olona ho olom-pirenena, sy fanandramana ny handrehitra ny afon'ny fifankahalana isam-paritra” dia tokony ho fanamelohana atao amin'i Assad.

Dima Khatib, mpanao gazetin'ny Al Jazeera, dia wnivanaka toy izany koa :

Tena nalahelo aho namaky ny vaovao mikasika an'i  @RedRazan hoe enjehana noho ny “heloka bevava”.. tsy olona mpanao heloka bevava i Razan. Razan dia mpiady ho an'ny fahalalahana #FreeRazan

Karl Sharro dia tezitra mafy tamin'ireo fanamelohana, fa indrindra indrindra ny iray tamin'ireny manokana, hoy ny voasorany :

Saingy “ny fanandramana mandrehitra ny fifankahalana isam-paritra” izay dia tena zavatra henjana be miohatra amin'ny sisa rehetra. Razan dia miady mafy ny tsy hisian'izany fifankahalàna ara-paritra izany. #freeRazan

Laura Vidal,  mpanoratra ho an'ny Global Voices, avy any Venezoela, dia nanoratra hoe:

Rehefa manampina vava ireo bilaogera ny governemanta iray, dia manaporofo ny fahamarinan'izay nolazainy (na lahy/ na vavy) #FreeRazan

Mitohy ny fanentanana firaisankina ho fanohanana an'i Razan. Abir Kopty, bilaogera Palestiniana, dia nibitsika hoe :

Miketrika fanambaràna iray izao ny bilaogera Palestiniana hangatahana ny #avotsoryRazan #Freerazan sy ireo gadra politika Siriana rehetra. #Syria

Pejy Facebook iray no nampiasaina mba handrindràna ny ezaka fanentanana, raha ny tenifototra #freerazan kosa no ampiasain'ireo mpanohana ao amin'ny Twitter mba hifampizaràna ny vaovao farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.