Ejipta: Fankalazana ny Fahazato Taonan'i Naguib Mahfouz

Androany no anamarihana ny fahazato taonan'ilay Ejiptiana nahazo Loka Nobel sy sangany tamin'ny fanoratana bokin-tantara, Naguib Mahfouz. Tsarovana ao amin'ny Twitter izany vanim-potoana izany.

Terana ny 11 Desambra 1911, Mahfouz dia nahazo n y Loka Nobel momba ny Literatiora tamin'ny 1988. Mpanoratra nalaza tokoa  ary namoaka bokin-tantara maherin'ny 50 sy sombin-tantara 350 izy, hatramin'ny tantara an-tsehatra dimy sy fandrindràna sarimihetsika nandritra ny fotoana niasàny nandritra ny 70 taona.

Ao amin'ny Twitter, manamarika i  Ibrahim Abdelmeguid  [ar]:

النهاردة عيد ميلاد نجيب محفوظ . زي النهاردة من 100 سنة اتولد ضمير للوطن
@ibrahimabdelmeg: Androany no fitsingerenan'ny nahaterahan'i  Naguib Mahfouz. Toy ny androany,  100 taona lasa izay, teraka ny fahatsiarovan-tenan'ity firenena ity.

Fankalazàna an'i Naguib Mahfouz. Sary : Wikimedia Commons ampiasaina eo ambanin'ny (CC BY-SA 3.0)

Manontany tena i Nermeen Edrees :

@NermeenEdrees: Ary dia manontany tena aho raha toa ny TV mba mandefa ny asa novokarin'i  #Mahfouz mandritra ny andro tontolo !

Layla El Tahawy dia naniry an'i  Mahfouz, izay nodimandry tamin'ny 2006, mba ho eto hahita maso ny zava-miseho amin'ny revolisiona Ejiptiana misy ankehitriny. Hoy izy mibitsika :

@Laylatahawy: MANDRIA AM-PIADANANA ry  nageeb ma7fouz, iray amin'ireo olona vitsy iriko mba ho teto hanatri-maso ny revolisionantsika #mahfouz #egypt

Manazava i Muhammad Adel [ar]:

حينما أقرأ بعض روايات نجيب محفوظ التى أثارت جدلا حول الدين، أتيقن من مدى إيمان هذا الرجل، ولكن شتان بين إيمان العقل وإيمان الوراثة.
@mhmdadl: Na rahoviana na rahoviana aho no mamaky ny bokin-tantara nosoratan'i Naguib Mahfouz izay nanainga adihevitra be teo amin'ny resaka ara-pinoana, dia azoko ny haben'ny finoana nananan”ity lehilahy ity. Misy mahasamy hafa azy ny hoe mino amin'ny sainao sy ny dikan'ny finoana nolovainao.

Ary i Matthew no mamarana :

@harafish1: Feno 100 taoana androany i Naguib #Mahfouz ! Na dia tsy eto amintsika intsony aza izy, ireo bokiny kosa dia mitohy hatrany ho fakana aingam-panahy ary hitohy hiaina izy ireny mandrapahatapitry ny fotoana. #Egypt

Ny pejy Facebook Naguib Mahfouz dia manadongadina rohy mankany amin'ireo vaovao mikasika ny hetsika nalahatra ho fankalazana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.