Okraina: Fampiasàna Lahatsary Mba Hampihenana ny Hevitra Mety Hitondra Fanimbàna

Ireo mpanao hetsika avy ao amin'ny “Fikambanana Mpiaro ny fitsaboana Fanoloana eto Okraina” dia maka sary sy manoratra ireo tantara manokana momba ny fitsaboana ireo marary mba hampahafantarana fa ny ” Fitsaboana amin'ny alalan'ny fanoloana” dia mety hanova tanteraka ny fiainan'ny olona miankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina mba ho tsara kokoa. Miteny mihoatra [noho ny teny maro] ny sary. Mino ireo mafana fo fa ny tantara marin'ireo olona tarafina ho tsy ahitana fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina dia mety hanampy amin'ny fanovàna ny hevitry ny olona mankany amin'ny “fitsaboana amin'ny alalan'ny fanoloana” ary ho fandresena lahatra azy fa misy lafitsarany eo amin'ny fiainan'ny olona miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina ilay fitsaboana.

Sary azo avy ami'ilay lahatsary

Ny fitsaboana amin'ny alalan'ny fanoloana dia nanampy an'i Eugene Selin, 33 taona avy any atsinanan'i Okraina, tanànan'i Donetsk mba hiovan'ny fiainany hisondrotra kokoa. 15 taona mahery no nampiasan'i Eugene zava-mahadomelina, kanefa ankehitriny kosa dia manana vady tsara tarehy izy, trano ary tena mandeha tsara tokoa ny fandraharahana madinika ataony. Mino i Eugene fa toy ny vao nanomboka avokoa ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainany.

Tsindrio ity rohy ity hahazoana ny dikany amin'ny fiteny Anglisy.

Marary nandritra ny 44 taona, i Segey Tetiorkin ary mipetraka any andrefan'i Okraina, ao amin'ny tanànan'i Ivano-Frankivsk miaraka amin'ny reniny sy ny zanany vavy.Narisidrisika ery izy niresaka ny momba ny fifandraisany amin'ny reniny sy ny fahazoany antoka fa tsy hamerina ireo hadisoana nataony tamin'ny fiainany ny zanany vavy izay mbola mpianatra mozika eny amin'ny kolejy ankehitriny.

Nalaina sary sy novelomin'ny mpikambana iray Igor Kuzmenko ireo tantara ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.