Bahrain: Mpampiasa Twitter Voafonja Nandritra Ny 66 Andro Noho Ny Fandefasana Bitsika

Ity lahatsoratra ity dia maphany amin'ny tatitray manokana momna ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011.

Ny tontolo Arabo dia malaza amin'ny fisamborana sy fampijaliana ireo bilaogera sy mpiondana aterineto ary tsy taraiky amin'izay i Bahrain, indrindra fa taorian'ny fitroarana tany amin'ny ny 14 Febroary. Hatramin'ny mpitsabo Bahraini avy no nampiasa ny Twitter hilazàna amin'izao tontolo izao mikasika ny fampijaliana sy ny fanaovana tsinontsinona natrehin-dry zareo maso nataon'ireo olon'ny fitandroana filaminana tany am-ponja, mpampiasa Twitter  iray eo ambany solonanarana hoe Nezrad (@nezrad) no nandefa bitsika ny zava-niainany tany amin'ny fonja nisy azy andro vitsy lasa izay mba hizaràna ity tantara ity amin'izao tontolo izao.

Social media logo in support of February 14 protests. Photo credit: People

Sary famantaran'ny media sosialy ho fanohanana ny hetsi-panoherana 14 Febroary. Sary avy amin'i: People

Araka ny lazain'i Nazred, nosamborina izy noho ny bitsika ary ny fanavaozam-baovao nalefany, te-hiteny ny tantarany izy [ar]:

بسبب بضع كلمات في تويتر تم أعتقالي وتكبيلي وتعصيب عيني واستجوابي لـ 5 ساعات عانيت فيها من التقييد والعطش والشتائم والوقوف على رجلي دون جلوس
@nezrad: noho ny teny sasany nosoratako tao amin'ny Twitter, dia nosamborina aho, notampenana ny masoko, ary nalaina am-bavany nandritra ny ora dimy. Nijaly be aho noho ny rojo vy, ny hetaheta, ny ompa, ary ny fijoroana tsy navela hipetraka mihitsy.

Tohizany ny famaritany ny helo niainany:

قبل بدأ التحقيق في النعيم أتى رجل وسألني بلهجة يمنية:ماهي تهمتك؟ أين تعمل؟ ما هذه البدلة التي تلبسها؟ ثم جرني ومزق البدلة وصفعني ثم بصق علي
@nezrad: talohan'ny nanombohan'ny fakàna am-bavany ahy, nisy lehilahy iray tonga ary nanontany ahy tamin'ny lantom-peo Yemenita : “Inona no fiampangàna anao? Aiza ianao no miasa? Inona iny fitafiana anaovanao iny? ary avy eo nendahany ny fitafiako ary nofelahany tehamaina aho, dia nororàny”.

Manampy izy hoe:

بعد ذلك تم إدخالي في غرفة التحقيق، حيث استجوبني شخصان.. كانت أسئلتهما غريبة..لم يكن استجوابا حقيقيا بقدر ما هو توبيخ واستهزاء وشتائم
@nezrad:Taorian'izany, nentina tany aminà efitrano iray fakàna am-bavany aho ka lehilahy roa no nanadina ahy tao. Hafahafa ny fanontanian-dry zareo. Tsy tena fakàna am-bavany ilay izy, fa dia fanompàna sy tsy fanajàna ahy fotsiny.

Nazrad dia manohy mitanisa ny fahoriany ao anatin'ireto bitsika manaraka ireto:

وأثناء الاستجواب سألني أحد المحققين بلهجة عراقية: هل تحب صدام حسين؟ مارأيك في العراقيين؟ هل تسمع أغاني عراقية؟ ثم طلب مني أن أغني له أغنية
@nezrad: Nandritra ilay fakàna am-bavany, nanontany ahy tamin'ny lantom-peo Irakiana ny iray tamin'ireo mpanadina hoe: “Tia an'i Saddam Hussain ve ianao? Ahoana no fihevitrao ny Irakiana? Mba mihaino hira Irakiana ve ianao?” Avy eo izy nangataka ahy mba hihira hira iray ho azy.
وسأل المحقق الآخر: هل ذهبت إلى الدوار؟ واقترب مني وسحبني من ربطة عنقي بقوة ثم كرر السؤال مهددا؟ فأجبته اني ذهبت للدوار بدافع الاطلاع فقط
@nezrad: Ilay mpanadina iray dia nanontany hoe: “Nandeha tany amin'ny làla-mihodina (roundabout) ve ianao?” avy eo izy nanatona ahy akaiky ary nisintona ahy tamin'ny fatorako no sady namerina ny fanontaniany sy nandrahona ahy. Noho ny fitia te-hahafantatra dia novaliako hoe eny izy avy eo, tany aho.
بعد الانتهاء من التحقيق الذي دام 5 ساعات طلب مني احد المحققين أن انشد له النشيد الوطني! فقلت أني مجهد الان! قال نحن لم نفعل بك شيئا حتى الآن
@nezrad: Rehefa nifarana ilay fakàna am-bavany, efa ho dimy ora mahery taty aoriana, nangataka ahy hihira ny hiram-pirenena ny iray tamin'ireo mpaka am-bavany ahy. Nolazaiko azy fa ‘vàlaka aho izao’. Hoy izy: “Tsy mbola nanao na inona na inona taminao akory aza anie izahay  eee.”

Avy eo i Nazrad dia nafindra tany an-trano fifonjàna, izay nizaràny ny tantarany tamin'ireo maro hafa. Setriny, izy koa dia vavolombelona manatri-maso ny habibiana sy mahafantatra mikasika ireo habibiana nozakain'ireo voafonja hafa. Ity ny tantarany araka ny teniny ihany. Amin'ny teny Arabo daholo ireo bitsika rehetra.

عندما أدخلوني الزنزانة، استقبلني بعض الشباب، وأجلسوني واحضروا لي الماء! ثم تجمعوا حولي! وبعد أن التقطت أنفاسي، بدئوا يسألونني عن قصة اعتقالي
@nezrad: Fony aho nalefan-dry zareo tany amin'ny efitrano fifonjàna, niarahaba ahy ilay tanora, namela ahy hipetraka sy nanome rano ahy. Nitangorona nanodidina ahy ry zareo, ary nanomboka nanontany ahy mikasika ny tantaran'ny fisamborana ahy.
في نفس اليوم، دخل إلى الزنزانة خمس معتقلين آخرين وبدا التعذيب واضحا على أجسادهم! احدهم كانت رقبته مكسورة، والأخر ثوبه ملطخة بالدم
@nezrad: Iny andro iny ihany, voafonja dimy no nampidirina tao amin'ilay efitrano ary hita mazava teny amin'ny vatany ny mariky ny fampijaliana. Ny iray tamin-dry zareo tapa-tenda ary ny iray hafa vonton-drà ny akanjony.
كل يوم كان هناك فوج جديد من المعتقلين حتى أمتلئ السجن عن بكرة أبيه حيث اكتظت الزنزانات بأكثر مما تستوعب حتى افترش بعض الموقوفين الأرض للنوم
@nezrad: Isanandro, misy andianà voafonja vaovao foana entina ao mandra-pahafeno hipoka ny efitranon'ny fonja. Be lavitra noho izay zakany no tao am-ponja ka mahatonga ny voafonja sasany ho eny amin'ny gorodona no matory.
في احد الليالي تم إدخال 9 لاعبين لكرة السلة من منتخب البحرين على خلفية مشاركتهم في المسيرة الرياضية فأصبح سجن النعيم كأنه معسكر رياضي
@nezrad: Tamin'ny indray alina izay, mpilalao sivy avy amin'ny ekipam-pirenena basikety ao Bahrain no nentin-dry zareo niditra avy any satria nandray anjara tamin'ny hetsik'ireo mpanao fanatanjahantena nanohana ilay hetsi-panoherana. Nivadika ho toy ny toby fialaovana fanatanjahantena ny fonjan'i Al-Naim.
بعد مرور عدة أيام على بقائي بالسجن تم استدعائي مع 5 موقوفين آخرين وتم تعصيب اعيننا وعندما رفعوا العصابة عن عيني فاذا بكاميرا أمامي
@nezrad: Andro vitsy taorian'ny namonjàna ahy, nahazo fiantsoana niaraka taminà dimy hafa aho ary dia notampenana ny masonay ka rehefa nesorin-dry zareo ny fatotra, dia camera no hitanay teo anoloanay.
كما وجدت امامي بعض الملثمين الذين أعطوني ورقة تتضمن إفادتي التي وقعت عليها أثناء التحقيق وطلبوا مني أن ألقيها أمام الكاميرا
@nezrad: Hitako ny lehilahy sasany, izay nisarona ny tavany, nanolotra taratasy ho ahy izay nisy ny fanambarako nosoniaviko nandritra ny fakàna am-bavany ary nangataka ahy ry zareo hamaky izany nanoloana ilay camera.
كانت تمر أيام قاسية للغاية في مركز النعيم خاصة عندما يمرض احد المعتقلين وكذلك كنا نتألم عندما نسمع صراخ وضرب المعتقلين الجدد من وراء الجدران
@nezrad: Andro mafy no nolalovanay tao amin'ny toby Al-Naim, indrindra indrindra rehefa narary ny iray tamin'ireo voafonja. Nangirifiry ihany koa izahay rehefa mandre ireo voafonja vaovao mikiaka sy voadaroka any ambadiky ny rindrina any.
مما كان يفزعني دخول الملثمون في بعض الليالي في وقت متاخر حيث يأخذون بعض الموقوفين الجدد مرة أخرى لإعطائهم جرعات إضافية من الضرب
@nezrad: Zavatra iray isan'ny nampahatahotra ahy ny fotoana idiran'ireo lehilahy misaron-tava ao amin'ny efitrano fifonjàna, mihodina maka sasantsasany amin'ireo voafonja vaovao mba hanomezana fatram-pampijaliana fanampiny ho azy ireny.
كانت لحظات الانتظار في السجن مضجرة وتبعث على السأم..وكثيرة هي الأمور التي تثير السخط في السجن حيث لا نستطيع أن نهنأ بالنوم
@nezrad: Tena mandaginina be ny fotoana lany iandrasana any am-ponja ary nisy zavatra betsaka tena naharangitra anay toy ny tsy nahafahanay natory.
ومما يبعث على الاشمئزاز في مركز النعيم الذهاب لقضاء الحاجة في الحمامات التي تزكم رائحتها الأنوف وقد تطوع بعض الموقوفين بتنظيفها دون جدوى
@nezrad: Ny zavatra iray nampaloiloy anay tao amin'ny fonjan'i Al-Naim dia ny fandehanana any amin'ny toeram-pisaikàna. Nanolo-tena nanao ny asa fandiovana azy io ny sasany tamin'ireo voafonja, saingy aim-bery maina izany.
في اليوم 17 من إقامتي في مركز النعيم، وفي منتصف الليل دخل علينا ضابط وقرأ اسمي وأسماء 15 معتقلا آخر، ثم تم نقلنا إلى سجن الحوض الجاف
@nezrad: Tamin'ny andro faha-17 nifonjako tao amin'ny fonjan'i Naim, tamin'ny misasakalina, nisy manampahefana tonga ary namaky ny anarako sy voafonja 15 hafa koa, ary dia nafindra tany amin'ny faritry ny fonja atao hoe Dry Dock (Cale sèche) izahay.
عندما تم نقلنا إلى الحوض الجاف في منتصف الليل كنا مكبلين ومعصبين وهناك كان الاستقبال حافلا حيث تم ضربنا بالهوز على مؤخرة كما تم ركلنا وصفعنا
@nezrad: Rehefa voafindra tany amin'ny Dry Dock izahay ny misasakalina dia nofatorana ary notampenana ny masonay. ‘Nafàna’ tokoa ny fandraisana tao satria voavely tamin'ireny fantson-drano vy ireny ny vodinay no sady voadaka sy voafelaka koa.
وقد صدمت في الحوض الجاف عندما شاهدت العديد من المعتقلين الجرحى الذين تركت جراح بعضهم عاهات مستديمة فهناك ممن فقدوا أعينهم أو تشوهت أجسادهم
@nezrad: Tena tohina aho tao amin'ilay atao hoe Dry Dock rehefa nahita ireo voafonja maratra navela fotsiny teo miaraka amin'ny ratran-dry zareo, izay nivadika ho takaitra mandra-maty. Ny sasany poaka ny masony ary ny hafa ny vatany iray manontolo no niova.
كان رئيس السجن يجمعنا خارج الزنزانات في الممر الضيق الطويل لنصطف ثم يقوم كل سجين بتعداد نفسه وبعدها نقوم بأداء نشيد السلام الوطني
@nezrad: Ny talen'ny fonja dia zatra nanangona anay tanaty lalantsara tery kely iray teo ivelan'ny efitrano, nalahatra, ary nanisa ireo voafonja amin'ny fampitenenana azy ireo tsirairay ary avy eo nampihira ny hiram-pirenena.

Araka ny famintinana ny zavatra hita nataon'ny kaomisiona avy amin'ny fanjakàna notendren'ny Mpanjakan'i Bahrain Hamad Al Khalifa, ireo “manana ny fahefana dia nampiasa habibiana sy hery tafahoatra tamin'ireo voafonja nosamborina nandritra ireo famoretana” ny hetsi-panoherana tao Bahrain. Ireo tatitra koa dia  miteny momba ny fampijaliana ireo voafonja sy ny fampiasàna ny herisetra ho toy ny efa zava-panao.

Ity lahatsoratra ity dia maphany amin'ny tatitray manokana momna ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.