Shina: Manara-maso Ny Fifidianana Ho Filoha Hatao Amin'ny 2012

Ny voalohany tamin'ireo adihevitra telo natao tamin'ny fahitalavitra momba ny fifidianana ho filoham-pirenena hatao ao Taiwan no natao tamin'ny faran'ny herinandro, ary nanara-maso akaiky an'izany ireo mpitoraka bilaogy kiritika avy ao Shina.

MoveOn.org.tw

Ma Ying-jeou dia mbola mitarika foana ny Kuomintang (KMT), saingy efa leo an'i Chen Shui-bian ny Democratic Progressive Party (DPP), ary toa vonona indray hiverina an-tsehatra , tarihan'ilay vehivavy voalohany ao Taiwan milatsaka hofidiana ho filoha, Tsai Ing-wen.

Mpirotsaka iray fahatelo i James Soong, no nisoratra anarana ho kandidà saingy milaza fa izy dia hanohy izy raha toa fotsiny ihany ka mahaangona sonia iray tapitrisa.

Screen capture of Ma Ying-jeou (L) and Tsai Ing-wen speaking during the televised debate.

Sarin'i Ma Ying-jeou (L) sy Tsai Ing-wen niteny nandritra ilay adihevitra tao amin'ny fahitalavitra.

Azon'ny olona natao ny nanaraka nivantana ilay adihevitra tamin'ny alàlan'ny rohy samihafa mandefa ‘streaming’ tany anaty aterineto, ary ny lahatsary momba azy io ia efa nakarina any amin'ny ankamaroan'ireo tranonkala lehibe fametrahana lahatsary, saingy ny fifanakalozan-dresaka dia nifantoka nanodidina ny  Sina Weibo. Maro ireo mpijery no diso fanantenana raha  niandrandra zavatra toy ireny adihevitra momba ny fihodinana sava ranonando amin'ny fifidianan'antoko any Etazonia ireny, ary maro tamin'ireo ‘bitsika mivantana’ nifanakalozan-dresaka tao amin'ny aterineto no nitady izay hanasongadinana ireo zavatra izay eken'ny rehetra ho toy ny porofo mivaingana :

大明宫梦锦瑟年华:真的是民主,既然台湾可以这样,中国也可以这样子。

Raha toa tafita mankany amin'ny tena demaokrasia i  Taiwan, dia ho afaka koa i Shina avy eo.

鸣者自在:台湾最寻常的民主政治被天朝屁民像看即将被取缔的超女总决赛一样娱乐围观。

Ny politika demaokratika eken'ny rehetra ao Taiwan dia raisin'ny shitizens ao amin'ilay fanjakana masina amin'ny fomba fandraisantsika ny famaranana ilay fifanarahana Super Girls izay hofoanana atsy ho ela : fialamboly midonanam-poana rehefa tsy manan-katao.

薛蛮子: 请教专家,全世界不民主选举领导人的国家:朝鲜;古巴。还有吗?有木有?

Ry manam-pahaizana manokana, mba lazao ahy azafady: ankoatra an'i Korea Avaratra st Kioba, misy ve firenena hafa eto an-tany mbola manana filoha mpitarika tsy voafidy tamin'ny fomba demaokratika? Marina mafy? Tsy misy na izay aza?

Momba ny fahefan'i Sina Weibo ho afa-mamadika ny ‘lainga’ ho lasa ‘zava-misy’, ny adihevitra tao dia nitondra ny Weibo Piyao, ilay sehatra fitorahana bilaogy kiritika misy ilay kaonty ofisialy miampanga ireo tsahotsaho, hanoratra hoe:

近日有用户发布微博,称马英九提出必须在“代表自由、代表民主、代表公平”前提下谈统一。@微博辟谣 就此联系了马英九竞选总部发言人李佳霏,对方否认马英九曾发表此言论。因此,该用户账号已被注销。

Tsy ela akory izay, mpampiasa iray tao amin'ny Weibo no nanoratra fa i Ma Ying-jeou dia niteny fa ireo fifanakalozan-dresaka momba ny fanambàrana indray dia ho afaka hanana ny toerany raha toa, ary amin'izay ihany, ka tonga eo ambony latabatra ny olan'ny  “fahalalahana, demaokrasia ary ny fitoviana”. i @WeiboPiyao dia nifandray tamin'ny mpitondra tenin'ny biraom-pampielezan-kevitr'i Ma,  Lee Chia-fei, izay nandà fa tsy nanao izany fanambaràna izany velively i Ma. Araka izany, nofafàna ny kaontin'io mpampiasa io.

Avy ao amin'ny Wikipedia, ‘Republic of China presidential election, 2012′ (12/04/2011), na ny Fifidianana izay ho filoham-pirenena ao Shina, 2012:

Ny marimaritra tamin'ny 1992 no toa lohahevitra goavana iray momba ny fifidianana, filaza iray manoritsoritra ny vokatra nentin'ilay fihaonana tamin'ny 1992 teo amin'ireo solontena ofisialin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina sy ny Repoblikan'i Shina.  Ny KMT dia manosika indray io fifanarahana io ho eny anoloana, izay mikendry ny mba ho demaokratika kokoa ary holanian'ny rafitra mpanao lalàna sy fitsapan-kevi-bahoaka iray atao amin'ireo vahoaka any ROC. Eo ambanin'ny fifanarahana vaovao an'ny DPP, io no tokony ho fototry ny fifampiraharahana rehetra iarahana amin'ny PRC (Repoblika Entim-bahoakan'i Shina).

Araka ny filazan'ireo mpanara-baovao, na izany aza, raha ampitahaina amin'ny fifidianana izay ho filoha tao  Taiwan tamin'ny 2008, betsaka ireo Shinoa mpiondana aterineto, nandritra ilay adihevitra,  no nifantoka tamin'ireo olana fa tsy zavatra hafa toy ny momba ny hoavin'ny fifandraisana ao amin'ny Vavarano. Ilay bilaogera be mpanaraka, Zheng Dongyang, dia nanao fandrakofana manontolo an'ilay andian-dresaka, tafiditra amin'izany ireo politika anatiny, tao anatinà lahatsoratra lavabe nosoratany mikasika ireo zavatra mifandraika amin'ny resaka fanambàrana indray sy mikasika ireo zavatra nahaliana azy tamin'io adihevitra io. Manoloana ny resaka fanambàrana indray , mitaha amin'ny fahaleovantena, na izany aza, dia manoratra i Zheng writes:

个人认为,虽然现在说谁能胜出为时尚早,但可以预见的是,即将到来的选举将是台湾民主化后最理性和温和的选举。民进党利用群众街头运动帮助选情,打悲情牌、族群牌、省籍牌、统独牌的情况会越来越少,虽然其两岸政策虽然摆脱不了“台独”思维,但也不会像陈水扁一样,不断挑战大陆的底线。而国民党也将重心放在政策诉求上,随着马英九的闽南话的日趋流利,他出现在台湾南部的次数越来越多。

Amiko manokana, tsapako fa aloha loatra izao hilazàna hoe iza no handresy, ny zavatra azo vinaniana amin'izao dia hoe ity fifidianana ity no ho ny fifidianana azo antoka indrindra sy azo leferina hatramin'ny naha-demaokratika an'i Taiwan. Tsy dia miankina loatra amin'izay famoriam-bahoaka any ny DPP mba hanosika azy ho ny amin'ny fara-tampony, tsy dia ilainy akory ny miandry ny fitseran'ny vahoaka, ny vondrona ara-poko, ny maha-Taiwanais, na ny hilalao ny karatry ny fahaleovantena. Na dia voatery handao ny politikany mitky ny fahaleovantenan'i Taiwana aza ny DPP, tsy ho toy ny fony faha-Chen Shui-bian akory izany, izay manosika an'i Shina hanandrana matetika ny bokotra sisintaniny.  Ny KMT, mandritra izany, dia mifantoka amin'ny fanohizana ny polikany ; tahaka ny Min Nan an'i Ma Ying-jeou mitohy mahazo aina isan'andro, dia toy izany koa fitombon'ny isan'ireo fitsidihany ny any atsimo.

这次电视辩论给我的感觉是,如果“统独”之争过去是蓝绿给台湾民众的传统印象,而如今双方施政政策也在民众形成一个新的烙印。传统的“浊水溪”线正在逐渐淡化,双方都将中间选民视为可以团结的对象,而中间选民大多数支持两岸关系维持现状,没有历史包袱,更看重的是两个政党的具体政策是否有利其事业发展及生活质量取得改善,这是过去选举给台湾选民带来的变化。

[…]
Ny tsapako tamin'ity adihevitra natao tamin'ny  fahitalavitra ity, tena marina, dia raha toa ka fisamantsamahana no fahatsapana farany nentin'ny ankolafy manga sy maitso ho an'ireo vahoaka Taiwanais momba ilay resaka fanambàrana indray amin'i Shina, na hijanona ihany ho mahaleotena, ireo politikam-pitantanana avy amin'ny lafiny roa dia samy nahazo isa teo imason'ny olona. Ny ‘tsipiky’ ny renirano Choshui [izay mampisaraka hatry ny fahagolan-tany ny mpomba ny fahaleovantena any atsimo sy ireo mpandàla ny fampitambàrana avy any avaratra] dia efa mihalefy miandalana, ary na andaniny sy ny nakilany dia samy nanomboka nahita ny mpifidy eo afovoany eo, izay ny betsaka indrindra misafidy ny tsy hihetsika amin'izay efa hitany ankehitrio momba ny fifandraisana ao amin'ny Vavarano, toy ny olona azo ampiraisina. Raha tsy eo ity olana ara-tantara mitambesatra ity, ny vahoaka dia mifantoka bebe kokoa amin'ny hoe ny an'iza amin'ny politikan'ireo antoko politika roa no mendrika ho an'ny fampivoarana ny asa fiveloman-dry zareo na ny fnatsaràna ny fari-piainany. Io fiovàna io no traikefa azon'ireo mpifidy ao Taiwan avy amin'ireo fifidianana tany aloha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.