Ho An'ireo Shinoa Mpiondana Aterineto, ny SOPA Dia Rindrimbe Iray Hafa Indray

“Maka tàhaka antsika ry zareo amin'izao fotoana amin'ny fananganana rindrina. Toy ny hoe taorian'ny nihanihana ilay tamboho, dia mila mandingana iray hafa indray isika. Gaigy izany!! (現在等於他們自己也照著我們這樣造個牆,於是我們以後翻牆出去,又被他們的牆牆住[,]這簡直瘋了嗎!)”  Ao amin'ny tolotry ny sehatra fitorahana bilaogy kiritika, Sina Weibo ao Shina, olona iray mpampiasa aterineto amin'ny solonanarana  “gap foreseeable (落差可見)” no naneho ahiahy momba ny lalàna  Stop Online Piracy Act (SOPA), na Fandraràna ny Fijirihana ao amin'ny Aterineto izay andrasana ho entina hofidiana eo amin'ny Antenimiera Amerikana alohan'ny faran'ny taona. Voakinan'ny Amerikana foana ny governemanta Shinoa tamin'ny fanelingelenana ny fivezivezen'ny vaovao tamin'ny alàlan'ny rafitra iray fanivànana fanta-bahoaka amin'ny hoe ilay Rindrimbe, na  Great Firewall. Anjaran'ny Shinoa mpiondana aterineto indray izao ny mihomehy amin'ny tolo-dalàna momba ny Great Firewall Vita Amerikana.

Ny ankamaroan'ny hafatr'ireo bilaogy sy bilaogy kiritika amin'ny fiteny Shinoa dia samy manindry ny voka-dratsy mety haterak'ilay tolo-dalàna. Ny tena manahiran-tsaina ny olona dia ny faneken'ireo mpanome tolotra sy ireo orinasa misahana aterineto an'ilay fanarahamaso mba hanakànana ny  “fanaovana hosoka” amin'ny votoaty, sy ny fijabahana amin'ny fiainana manokan'ny tsirairay. Lahatsoratra iray nosoratan'ilay bilaogera  Richard (solonanarana) ao amin'ilay tranonkala inside.com.tw, manana foibe any Taiwan, no mampiditra ireo hevi-dehiben'ny SOPA ary mangataka ny mpamaky mba hisaintsaina ny ho endrikendriky ny ho fiainana eo ambany fifehezan'ilay tolo-dalàna. Niely be ity lahatsoratra ity tao amin'ireo tranonkala any Taiwan, Hong Kong, ary Shina:

“試想著有一天你在台灣,過著像這樣的生活:各網站必須被迫和政府合作接受審查,你平日每天要上的網站隨時可能會被封鎖,你寄出的每封信也都會受到審查,再也沒有私人隱私。大陸的狀況?唉,一聲長嘆啊!”

“Andramo ny màka sary an-tsaina hoe , indray andro any, any Taiwan ianao ary miaina fiainana toy io: ny tranonkala tsirairay dia voatery hiara-miasa amin'ny governemanta ary mety ho voasivana. Ireo tranonkala tsidihanao isan'andro dia mety ho voasakana amin'ny fotoana rehetra. Tsy misy izany fiainana manokana an'ny tena izany intsony.  Ka inona araka izany no hiseho any Shina [eo ambany aloky ny sarintsarin-javatra tsy misy hafa amin'izany]? Sento…tena sento lalina…”

Ny orinasam-baovao Taiwanese Next media Animation aza dia namorona sarimiaina mihitsy mikasika ny SOPA, ka ao anatin'izany ny lehilahy iray mpandraharaha ao Hollywood, mitafy ankanjo mainty, ary tohanan'ireo mpampiasa aterineto rehetra, dia miady amin'ny olon'ireo orinasa mpanome tolotra aterineto. Ny SOPA kosa dia nomena endrika miaramila mampiasa entona misy dipoavatra hanoherana ireo olona izay mety hampiasa vokatra avy amin'ny fijirihana.

Ny fanamarihana avy amin'ireo mpampiasa ny weibo ao Shina aza mbola somary marikivy kokoa, sady tsy manisy vidiny an'i Etazonia sy ny governemanta Shinoa.

“s7evenz:看來咱們終於可以向老美輸出技術和價值觀了,咱們是強大的,先進的,無比正確的!”

“s7evenz: Toa sahala amin'ny ho afaka hanondrana ny teknolojiantsika sy hampisy vidiny an'izany amin'ny Amerikana isika nony farany. Matanjaka isika, mandroso ary tena manana ny marina”

“SemKem:期待美國佬享受與天朝子民同等待遇”

“SemKem: Andrasako ny hahita an-dry zareo Amerikana hizaka ny fomba fitondra mitovy amin'izay itondràna ny vahoakan'ny Holy Empire .” [ ny hoe “Holy Empire” dia fomba maneso entin'ireo Shinoa mpiondana aterineto ilazana ny governemanta Shinoa.]

Ivelan'ireny fanamarihana miharo fanesoana ireny, ilay Shinoa bilaogera, Michael Anti, dia mahita ny fampidirana ny SOPA ao anaty lalàna ho toy ny fifandirana ara-tombontsoa eo amin'ireo vondrona mifanolana sy mifampifahavalo.

“簡單地說,SOPA是傳統媒體和消費品行業延長黃金歲月的保護傘,卻是互聯網行業和用戶權利的扼殺者,前者只是懷念舊時光,而後者卻要誓死消滅這個法案,因此反對者必然會全力廝殺到最後。隨著今後法案在眾院委員會的審查,對它的阻擊還會越來越強烈。”

“Mba hanatsotsorana azy, ny fampahalalam-baovao tranainy sy ny orinasa mpamokatra vokatra fanjifa dia mampiasa ny SOPA ho toy ny arofanina hanalavàna ny andro volamenan-dry zareo. Na izany aza, io tolo-dalàna io ihany no hamono ny indostrian'ny aterineto sy ireo mpampiasa azy. Ho fahatsiarovana fotsiny sisa ny teo aloha, nefa ity farany dia nilokaloka ny hamono an-karanany ilay tolo-dalàna. Kanefa, ireo vondrona izay mandà ilay tolo-dalàna dia hiady  mafy hatramin'ny minitra farany. Ho henjana ny tafiotran'ilay tolo-dalàna noho izy ity any amin'ny Kaomitin'ny  Antenimiera no hofidiana.”

Anti koa dia maminavina fa misy, na dia ambivitra kely ihany aza, ny vintana hivadihan'ilay tolo-dalàna  ho lalàna. Na izany aza,  “ny fampidirana ilay tolo-dalàna dia dingana ihany koa mankany amin'ny ady goavan'ny mpanao lalàna,” hoy i  Anti mamintina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.